Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Anti-panahy, Tia Mampiofana An’ireo Rahalahy ve Ianareo?

Ry Anti-panahy, Tia Mampiofana An’ireo Rahalahy ve Ianareo?

Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.MPITO. 3:1.

1, 2. Inona no hitan’ny mpiandraikitra ny faritra fa ilain’ny fiangonana maro?

NIJERY an’ireo anti-panahy ilay mpiandraikitra ny faritra rehefa hifarana ny fivorian’izy ireo. Tena tiany ireo mpiandry miasa mafy ireo ary nitovy taona tamin’ny dadany ny sasany taminy. Nisy nampanahy azy anefa ka hoy izy: “Inona no efa nataonareo mba hampiofanana ny hafa hiantsoroka andraikitra fanampiny eo anivon’ny fiangonana?” Tadidin’izy ireo fa efa nampirisihin’ilay mpiandraikitra izy ireo mba hanokana fotoana bebe kokoa hampiofanana ny hafa, tamin’izy nitsidika farany. Elaela ny iray vao namaly hoe: “Tsorina aloha fa zara raha nanao zavatra izahay e!” Nanaiky an’izany koa ny anti-panahy hafa.

2 Azo inoana fa tsapanao izay tsapan’izy ireo raha anti-panahy ianao. Nilaza ny mpiandraikitra ny faritra eran-tany fa ilaina ny mampiofana bebe kokoa ny rahalahy tanora sy zokiolona any amin’ny fiangonana maro mba hahaizany hikarakara ny andian’ondry. Tsy mora anefa izany. Nahoana?

3. a) Ahoana no ampisehoan’ny Soratra Masina fa ilaina ny mampiofana ny hafa, ary nahoana isika rehetra no voakasik’izany? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.) b) Nahoana ny anti-panahy sasany no mahita fa sarotra ny mampiofana ny hafa?

3 Azo antoka fa tsapanao hoe ilaina ny fampiofanana, raha anti-panahy ianao. * Fantatrao fa ilaina ny rahalahy maro kokoa mba hanampy ny fiangonana hatanjaka foana sy mba hisian’ny fiangonana vaovao. (Vakio ny Isaia 60:22.) Fantatrao koa fa mampirisika anao “hampianatra ny hafa” ny Tenin’Andriamanitra. (Vakio ny 2 Timoty 2:2.) Mety ho hitanao anefa fa tsy mora izany, toy ny tsapan’ireo anti-panahy voaresaka terỳ aloha. Mila mikarakara izay ilain’ny fianakavianao mantsy ianao, miasa, ary manao ny andraikitra eo anivon’ny fiangonana sy ny zavatra maika hafa. Toa tsy manam-potoana hampiofanana an’ireo rahalahy intsony àry ianao. Andao hojerentsika hoe ahoana no tokony hiheverana an’izany fampiofanana izany.

ILAINA MAIKA NY FAMPIOFANANA

4. Nahoana ny anti-panahy indraindray no mampihemotra ny fampiofanana ny hafa?

4 Nahoana no misy anti-panahy mihevitra fa sarotra ny mahita fotoana hampiofanana ny hafa? Angamba izy mieritreritra hoe: ‘Tena ilaina izany nefa misy raharaha hafa maika kokoa eo anivon’ny fiangonana. Mbola handeha tsara ny zava-drehetra, na dia ahemotro aza ilay fampiofanana.’ Marina fa maro ny zavatra mila karakaraina avy hatrany. Mety hisy vokany ratsy amin’ny fiangonana anefa raha mangataka andro ny anti-panahy fa tsy tonga dia mampiofana ny hafa.

5, 6. Inona no ianarantsika avy amin’ilay ohatra momba ny mpamily, ary nahoana no mitovy amin’izany ny fampiofanana ny hafa?

5 Fantatry ny mpamily, ohatra, fa mila soloana tsy tapaka ny menaky ny fiara mba hikojakojana azy io sy hampandeha tsara ny maotera. Mety hihevitra anefa izy fa ny manisy solika no maika kokoa. Ho faty tsy ho ela mantsy ilay fiara raha tsy misy solika. Mety hieritreritra izy hoe mbola handeha elaela ihany ilay fiara, na dia tsy manolo menaka aza izy satria tsy misy fotoana. Inona anefa no maha ratsy an’izany? Ho simba tanteraka ilay fiara raha ahemotra foana ny fanoloana menaka, ka handany fotoana sy vola be ny fanamboarana azy. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

6 Misy zava-dehibe maro tsy maintsy karakarain’ny anti-panahy avy hatrany, raha tsy izany dia ho “simba” ny fiangonana. Tsy maintsy ‘mamantatra tsara izay zava-dehibe kokoa’ àry izy ireo, toa an’ilay mpamily manisy solika foana ny fiarany. (Fil. 1:10) Variana be mikarakara ny raharaha maika anefa ny anti-panahy sasany ka mety ho lasa an-tsirambina ny fampiofanana ny hafa. Toy ilay mpamily tsy tonga dia manisy menaka ny fiarany izy amin’izay. Inona anefa no hitranga raha manemotra ny fampiofanana ny hafa foana ny anti-panahy? Na ho ela na ho haingana, dia tsy ho ampy intsony ny rahalahy mahafeno fepetra mba hikarakara ny zava-drehetra eo anivon’ny fiangonana.

7. Ahoana no tokony hiheverantsika ny anti-panahy manokana fotoana mba hampiofanana ny hafa?

7 Tsy tokony hieritreritra àry isika hoe tsy tena maika ny mampiofana. Toy ny mpanompo hendry ny anti-panahy mitsinjo lavitra, ka manokana fotoana hampiofanana an’ireo tsy dia ampy traikefa. Tena mitondra fitahiana ho an’ny fiangonana manontolo izy ireny. (Vakio ny 1 Petera 4:10.) Nahoana?

TSY HO LANILANY FOANA NY FOTOANANAO

8. a) Inona no mahatonga ny anti-panahy hampiofana ny hafa? b) Inona no zavatra maika tokony hataon’ny anti-panahy manitatra faritany? (Jereo ilay efajoro hoe “ Asa Maika.”)

8 Mihena tsikelikely ny zavatra vitan’ny rahalahy iray ho an’ny fiangonana rehefa mandroso taona izy. Tsy maintsy manetry tena na dia ny anti-panahy tena za-draharaha aza, ka hiaiky an’izany. (Mika 6:8) Tokony hitadidy koa izy ireo fa mety ho ‘azon-tsampona amin’ny fotoana tsy ampoizina’ izy. Mety hisy fiovana tampoka ka ho sarotra aminy ny hanao ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana. (Mpito. 9:11, 12; Jak. 4:13, 14) Mihevitra izay hahasoa ny ondrin’i Jehovah àry ny anti-panahy mahatsinjo lavitra, ka zarainy amin’ireo rahalahy tanora kokoa ny traikefa azony nandritra ny taona maro.—Vakio ny Salamo 71:17, 18.

9. Inona no hitranga tsy ho ela ka mahatonga ny fampiofanana ho tena ilaina?

9 Mihamatanjaka koa ny fiangonana rehefa mampiofana ny hafa ny anti-panahy. Lasa maro kokoa mantsy ny rahalahy vonona hanampy ny rehetra mba tsy hivadika sy hiray saina. Tena ilaina izany dieny izao ary indrindra fa amin’ny fahoriana lehibe. (Ezek. 38:10-12; Mika 5:5, 6) Mampirisika anareo àry izahay ry anti-panahy malala mba hanokana fotoana tsy tapaka hampiofanana ny hafa, dieny izao.

10. Mety hila hanao inona ny anti-panahy mba hahitany fotoana hampiofanana ny hafa?

10 Tsapanay fa efa feno be ny fotoananareo noho ianareo mikarakara an’ireo zavatra tena ilain’ny fiangonana. Mety hilainareo àry ny maka amin’io fotoana io mba hampiofanana ny hafa. (Mpito. 3:1) Tsy ho lanilany ny fotoananareo raha manao izany ianareo.

AMPIO IZY HO VONONA HANDRAY FAMPIOFANANA

11. a) Nahoana no mahaliana ny soso-kevitry ny anti-panahy avy any amin’ny tany samihafa? b) Araka ny Ohabolana 15:22, nahoana no mahasoa ny mandinika ny soso-kevitry ny anti-panahy hafa?

11 Misy anti-panahy maromaro havanana amin’ny fampiofanana an’ireo rahalahy mba hahay handray andraikitra. Nanontaniana izy ireo vao haingana hoe ahoana no ataony rehefa manao izany. * Tena tsy mitovy ny toe-javatra misy azy ireo nefa mitovy ny soso-kevitra nomeny. Inona no asehon’izany? Mahasoa an’ireo rahalahy ‘any amin’ny fiangonana rehetra hatraiza hatraiza’ ny fampiofanana araka ny Baiboly, toy ny tamin’ny andron’ny apostoly Paoly ihany. (1 Kor. 4:17) Handinika soso-kevitra vitsivitsy avy amin’ireny anti-panahy ireny àry isika ato sy ao amin’ny lahatsoratra manaraka.—Ohab. 15:22.

12. Inona no mila ataon’ireo mpampiofana ary nahoana?

12 Ilaina aloha ny manampy an’ireo rahalahy mba ho vonona handray fampiofanana. Manomana na mikarakara tsara ny tany ny mpamboly vao mamafy voa. Tokony homanina koa ny fon’ireo rahalahy ampiofanina, alohan’ny hampianarana azy zava-baovao. Ahoana àry no azon’ny anti-panahy anampiana azy ireo ho vonona handray fampiofanana? Azony atao ny manahaka an’i Samoela mpaminany.

13-15. a) Nasaina nanao inona i Samoela mpaminany? b) Ahoana no nanaovan’i Samoela an’izany iraka izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) d) Nahoana no tena tokony hahaliana ny anti-panahy io tantara io?

13 Efa be taona i Samoela, 3 000 taona mahery lasa izay. Hoy i Jehovah taminy: “Rahampitso tokotokony ho amin’ny ora toy izao, dia halefako atỳ aminao ny lehilahy iray avy any amin’ny tanin’i Benjamina. Koa hosory ho mpitarika ny Israely oloko izy.” (1 Sam. 9:15, 16) Takatr’i Samoela fa tsy ho mpitarika ny Israely intsony izy ary naniraka azy hanosotra an’ilay handimby azy i Jehovah. Tsy maintsy ho nieritreritra izy hoe: ‘Ahoana re no hataoko mba hanomanana an’izany lehilahy izany amin’ny andraikiny e?’ Nahita hevitra izy ka nitady fomba hanatanterahana izany.

14 Nahita an’i Saoly i Samoela ny ampitso, ka hoy i Jehovah taminy: “Io ilay lehilahy.” Notanterahin’i Samoela amin’izay ilay hevitra hitany. Nasainy hisakafo tao amin’ny efitra fisakafoana i Saoly. Nomeny ny toerana mihaja indrindra sy ny hena tsara indrindra izy sy ny mpanompony, ary hoy i Samoela: “Hano, fa ho amin’ity fotoana voatondro ity no nanokanana azy io ho anao.” Nentiny tany an-tranony i Saoly avy eo, ary niresadresaka izy ireo teny an-dalana. Falifaly izy ireo rehefa avy nisakafo sy nandehandeha kely, ka nanararaotra nanasa an’i Saoly ho any an-tampon-tranony i Samoela. “Mbola niresaka tamin’i Saoly teo an-tampon-trano i Samoela” tamin’ilay takariva nisy tsio-drivotra iny, mandra-patorin’izy ireo. Nanosotra an’i Saoly ho mpanjaka izy ny ampitso, nanoroka azy, ary nanome azy toromarika fanampiny. Efa vonona ho amin’izay rehetra hitranga i Saoly rehefa nasain’i Samoela nody.—1 Sam. 9:17-27; 10:1.

15 Marina fa tsy mitovy amin’ny mampiofana rahalahy mba ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana ny manosotra lehilahy iray mba ho mpitondra firenena. Afaka mandray lesona sarobidy avy amin’ny nataon’i Samoela anefa ny anti-panahy. Handinika lesona roa isika.

MAZOTOA MAMPIOFANA ARY MIEZAHA HO TENA NAMANA

16. a) Inona no tsapan’i Samoela rehefa nangataka mpanjaka ny Israelita? b) Nanao ahoana ny fihetsik’i Samoela rehefa nasaina nanosotra an’i Saoly ho mpanjaka izy?

16 Mazotoa fa aza misalasala mampiofana. Diso fanantenana sy nahatsiaro ho nailikilika i Samoela tamin’izy vao nandre hoe nitady mpanjaka ny Israelita. (1 Sam. 8:4-8) Nisalasala be izy hanao izay notadiavin’ny vahoaka. Intelo àry izy no nasain’i Jehovah nihaino azy ireo. (1 Sam. 8:7, 9, 22) Tsy nialona na tezitra tamin’ilay olona hisolo azy anefa izy. Tia an’i Jehovah izy ka nankatò rehefa nirahiny hanosotra an’i Saoly ho mpanjaka. Tsy nisalasala izy na nanao izany tsy sazoka.

17. Ahoana no anahafan’ny anti-panahy an’i Samoela, ary nahoana izany no mahafa-po azy ireo?

17 Manahaka an’i Samoela ny anti-panahy za-draharaha, ka tsara fanahy amin’izay ampiofaniny. (1 Pet. 5:2) Tsy miahotra ny hampiofana ny hafa izy ireo. Tsy matahotra izy ireo hoe ho lasan’ireo ampiofaniny ny tombontsoam-panompoana sasany ananany eo anivon’ny fiangonana. Tsy mihevitra an’ireo olona mazoto ampiofanina ho toy ny mpifaninana aminy ny mpampiofana be fitiavana. Heveriny ho toy ny “mpiara-miasa” aminy sy fanomezana sarobidy ho an’ny fiangonana kosa izy ireny. (2 Kor. 1:24; Heb. 13:16) Afa-po erỳ ireny anti-panahy mahafoy tena ireny rehefa mahita fa mampiasa ny fahaizany mba hahasoa ny fiangonana ireo nampiofaniny.—Asa. 20:35.

18, 19. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanomanana ny fon’ilay rahalahy ampiofaniny, ary nahoana no zava-dehibe ny manao an’izany?

18 Miezaha mba ho namana fa tsy mpampiofana fotsiny. Raha vao nihaona tamin’i Saoly i Samoela, dia azony natao ny naka tavoara fitoera-menaka, nandraraka haingana ny menaka teo an-dohan’i Saoly, ary naniraka azy handeha. Ho efa voahosotra ho mpanjaka i Saoly amin’izay saingy tsy voaomana ho amin’ilay andraikitra. Tsara fanahy anefa i Samoela ka naka fotoana hanomanana tsikelikely ny fon’i Saoly. Nisakafo tsara izy ireo, nandehandeha kely, niresaka elaela, ary natory tsara, izay i Samoela vao nanosotra an’i Saoly ho mpanjaka. Niandry ny fotoana nety izy.

Miezaka ho naman’ilay ampiofanina aloha ilay mpampiofana (Fehintsoratra 18, 19)

19 Tokony hataon’ilay mpampiofana lasa namany koa aloha ilay ampiofanina sady hataony mahafinaritra ny fiarahan’izy ireo. Tsy mitovy ny fomba anaovan’ny anti-panahy an’izany fa miovaova arakaraka ny firenena sy ny zava-misy ary ny kolontsaina. Na aiza na aiza anefa misy anao, ka manokana fotoana iarahana amin’ilay ampiofaninao ianao na dia anti-panahy be atao aza, dia toy ny milaza aminy hoe: “Tena sarobidy amiko ianao.” (Vakio ny Romanina 12:10.) Tena ho tsapany izany sady hankasitrahany.

20, 21. a) Inona no ataon’ny mpampiofana mahomby? b) Inona no horesahin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Ry anti-panahy, tadidio fa tsy hoe tia mampiofana ny hafa fotsiny ny mpampiofana mahomby, fa tia an’ilay ampiofaniny koa. (Ampitahao amin’ny Jaona 5:20.) Tonga dia ho tsapany izany, ka hazoto hanaraka ny fampiofananao izy. Miezaha ho namana àry ry anti-panahy malala, fa tsy ho mpampiofana fotsiny.—Ohab. 17:17; Jaona 15:15.

21 Afaka mampiofana amin’izay ilay anti-panahy rehefa voaomana ny fon’ilay ampiofanina. Ahoana no hanaovana an’izany? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 3 Natao ho an’ny anti-panahy ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka, nefa mahakasika ny rehetra koa. Manampy ny rahalahy rehetra vita batisa mantsy ireo lahatsoratra ireo mba hahatakatra fa mila miofana izy ireo, mba hahafahany handray andraikitra ka handray soa ny rehetra.

^ feh. 11 Avy any Afrika Atsimo, Aostralia, Bangladesy, Belzika, Brezila, Etazonia, Frantsa, Guyane, Japon, Korea, La Réunion, Meksika, Namibia, Nizeria, ary Rosia ireo anti-panahy ireo.