Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Iresaho Momba ny Firaisana ny Zanakao

Iresaho Momba ny Firaisana ny Zanakao

Hoy i Alisoa: * “Indraindray aho mba te hanontany an’i Dada sy Neny momba ny firaisana. Matahotra anefa aho sao hoeritreretiny hoe misy ratsy ataoko.”

Hoy i Landy, renin’i Alisoa: “Te hiresaka tsara amin-janako momba ny firaisana aho, fa hoatran’ny be atao foana izy. Rehefa malalaka anefa izy, dia izaho indray no tsy afaka.”

MISY resaka momba ny firaisana daholo ankehitriny, na amin’ny tele na filma na peta-drindrina. Ny ray aman-dreny sy ny zanaka ihany no hoatran’ny fady miresaka an’izany. Hoy i Michael, any Kanada: “Tiako raha tsapan’i Dada sy Neny fa mampahatahotra sy mahamenatra ny miresaka amin’izy ireo momba ny firaisana. Mora kokoa ny miresaka an’izany amin’ny namana.”

Matetika koa ny ray aman-dreny no matahotra hiresaka amin-janany momba ny firaisana. Nanoratra toy izao i Debra Haffner, manam-pahaizana: “Ray aman-dreny maro no nilaza hoe tsy miresaka momba ny firaisana sy ny fiovana eo amin’ny zatovo mihitsy, fa ividianany boky momba izany fotsiny ny zanany.” Milaza i Haffner fa toy ny miteny ireo ray aman-dreny hoe: “Tianay hahafantatra momba ny vatanao sy ny firaisana ianao, fa tsy te hiresaka an’izany aminao izahay.”

Tsy izany no tokony hataonao, raha manan-janaka ianao. Tena mila miresaka amin’ny zanakao momba ny firaisana ianao. Ireto misy antony telo:

  1. Niova ny fiheverana ny firaisana. Hoy i Fetra, 20 taona: “Efa tsy ny firaisan’ny mpivady intsony izao no atao hoe firaisana. Efa misy koa ny firaisana amin’ny vava, amin’ny lava-pitombenana, amin’ny alalan’ny Internet. Misy koa ny hafatra vetaveta an-telefaonina, izay antsoin’ny olona hoe ‘hafabeta.’ ”

  2. Mbola kely ny zanakao, dia efa mety hisy hampiana-dratsy. Hoy i Sendra, renim-pianakaviana: “Handre momba ny firaisana izy ireo raha vao miditra mianatra. Ary mety tsy izay tianao ho reny no ho henony.”

  3. Te hanontany anao momba ny firaisana ny zanakao, fa tsy sahy. Hoy i Ana, 15 taona, any Brezila: “Tsy haiko mihitsy hoe ahoana no hanombohan-dresaka amin’i Dada sy Neny momba ny firaisana.”

Anisan’ny andraikitra takin’Andriamanitra amin’ny ray aman-dreny ny hiresaka amin-janany momba ny firaisana. (Efesianina 6:4) Marina fa mety ho sadaikatra na ianao na ny zanakao. Tanora maro anefa no miombon-kevitra amin’i Iriana, 14 taona, izay nilaza hoe: “Ny ray aman-dreninay no tianay hampianatra anay momba ny firaisana, fa tsy ny mpampianatra na ny tele.” Ahoana àry no hiresahanao amin’ny zanakao, satria zava-dehibe izany? *

Ataovy mifanaraka amin’ny taonany

Mbola kely ny ankizy dia efa handre momba ny firaisana, na aiza izy na aiza. Sady efa “andro farany” koa izao, ka vao mainka ‘miharatsy kokoa’ ny ratsy fanahy. (2 Timoty 3:1, 13) Mampalahelo fa olon-dehibe maro no mametaveta ankizy.

Tena mila mampianatra ny zanakao àry ianao, dieny mbola kely izy. Hoy i Renate, renim-pianakaviana any Alemaina: “Raha andrasanao ho efa lehibebe ny zanakao vao resahinao, dia mety ho tsy te hiresaka izy, satria mahamenatra azy ny fiovana eo amin’ny vatany.” Aza andrasana ho lehibe àry izy, fa ataovy mifanaraka amin’ny taonany fotsiny ny fampianaranao.

Zaza mbola tsy mandeha mianatra:

Ampianaro azy ny anaran’ireo taovam-pananahana, ary antitrantero fa tsy misy mahazo mikitika an’izany. Hoy i Julia, any Meksika: “Nanomboka nampianatra ny zanako lahy aho, tamin’izy telo taona, mba hahafahany miaro tena. Tena nampanahy ahy mantsy hoe mety hametaveta azy na ny mpampianatra, na ny mpanampy ao an-trano, na ny ankizy lehibe noho izy.”

ANDRAMO IZAO: Ampianaro izy ho hentitra sy hiteny mafy an’izay olona mitady hilalao ny filahiany na ny fivaviany. Ampianaro izy, ohatra, hiteny hoe: “Mipetraha tsara! Halazako ianao!” Asaivo mandaza foana ny zanakao, na dia mampitahotra azy aza ilay olona, na mampanantena fa hanome zavatra. *

Ankizy efa mianatra:

Ampio tsikelikely ny fahalalany. Hoy i Tsinjo, raim-pianakaviana: “Fantaro aloha hoe inona no efa fantatry ny zanakao, ary mahaliana azy ve ilay resaka. Aza terena anefa izy, fa hiresaka ho azy izy rehefa zatra miaraka aminy ianao.”

ANDRAMO IZAO: Ataovy fohy sy matetika ny resaka, fa aza atao lava be indray mandeha. (Deoteronomia 6:6-9) Tsy ho leo ny zanakao amin’izay. Omeo fanazavana bebe kokoa izy rehefa mihamatotra.

Zatovo sy tanora:

Ataovy azo antoka fa ampy tsara ny zavatra fantatry ny zanakao momba ny firaisana. Ohatra hoe inona no ataon’ny olona amin’izany, iza ihany no tokony hanao izany, ary inona no tokony ho antony hanaovana azy. Hoy i Ana, 15 taona, voaresaka tetsy aloha: “Efa manao firaisana daholo ny ankizilahy sy ankizivavy any am-pianaranay. Marina fa mahamenatra ny miresaka momba ny firaisana, nefa mila mahafantatra momba izany aho, sady izaho koa Kristianina.” *

Tandremo anefa: Mety tsy hanontany momba ny firaisana ny ankizy, sao heverin’ny ray aman-dreniny ho manao ratsy. Hoy, ohatra, i Mahery: “Lasa tsy te hiresaka momba ny firaisana ny zanakay lahy. Hay izy natahotra hoe tsy natoky azy izahay. Nolazainay taminy àry fa tsy hoe miahiahy azy akory izahay matoa miresaka momba ny firaisana, fa tianay fotsiny izy ho vonona hanohitra ny fitaoman-dratsy manodidina azy.”

ANDRAMO IZAO: Aza tonga dia manontany ny hevitry ny zanakao mahakasika ny firaisana. Anontanio kosa hoe inona no hevitry ny mpiara-mianatra aminy. Afaka miteny, ohatra, ianao hoe: “Lazain’ny olona fa tsy tena firaisana ny firaisana amin’ny vava. Izany koa ve no hevitry ny mpiara-mianatra aminao?” Hampirisika ny zanakao hiresaka tsara sy hilaza ny heviny ny fanontaniana tsy mivantana toy izany.

Reseo ny vato misakana

Marina fa anisan’ny zavatra sarotra indrindra mila ataon’ny ray aman-dreny ny miresaka amin’ny zanany momba ny firaisana. Tsy ho very maina anefa ny ezaka ataonao. Hoy i Diane, renim-pianakaviana: “Tsy dia mahamenatra intsony ny resaka momba ny firaisana rehefa mandeha ny fotoana, ka lasa akaiky kokoa anao ny zanakao.” Hoy koa i Mahery, voaresaka tetsy aloha: “Mora kokoa ny miresaka hevitra mahasadaikatra, toy ny firaisana, rehefa zatra miresaka malalaka ny ao an-trano, n’inona n’inona resaka atao. ... Tsy afaka tanteraka akory ilay hoe menamenatra, nefa tena mila miresaka tsy an-kifonofono ny fianakaviana kristianina.”

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 11 Mila miresaka amin’ny zanakao momba ny firaisana ianao, ka izany no anton’ity lahatsoratra ity. Mbola hisy lahatsoratra toy ity hanazava hoe ahoana no hampianarana ny ankizy ho tsara fitondran-tena.

^ feh. 16 Nalaina tao amin’ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, pejy 171, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 19 Rehefa hiresaka amin’ny zanakao momba ny firaisana, dia ampiasao ny toko 1-5, 28, 29, ary 33 ao amin’ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

AHOANA NO HAVALINAO?

Vakio ireto tenin’ny tanora avy any amin’ny tany samihafa ireto, ary valio ireo fanontaniana miaraka aminy.

“Asain’i Dada sy Neny mamaky boky manazava momba ny firaisana aho, ary avy eo manatona azy ireo raha manana fanontaniana. Tiako anefa raha izy ireo mihitsy no manazava amiko.”—Ana, Brezila.

Araka ny hevitrao, nahoana no tsy ampy raha omena boky fotsiny ny zanakao?

“Be dia be ny zava-dratsy fantatro hoe ataon’ny olona, momba ny firaisana, ary mino aho fa tsy fantatr’i Dada akory izy ireny. Ho kivy ratsy izy raha hanontaniako an’izany.”—Ken, Kanada.

Inona no mety hahatonga ny zanakao tsy ho sahy hanontany anao?

“Mba sahy nanontany an’i Dada sy Neny momba ny firaisana ihany aho, nefa hoatran’ny tsy natoky ahy ry zareo, fa izaho indray no nanontaniany hoe: ‘Fa maninona ianao no manontany an’izany? Fa nisy inona?’ ”—Masami, Japon.

Rehefa manontany momba ny firaisana ny zanakao, nahoana ny fihetsikao no mety hahatonga azy tsy hanontany intsony amin’ny manaraka?

“Tiako raha mba manome toky ahy i Dada sy Neny hoe ry zareo koa efa mba nanontany momba ny firaisana, tamin’ny mbola kely, ka ara-dalàna raha manontany aho.”—Lisette, Frantsa.

Ahoana no hanampianao ny zanakao tsy ho sadaikatra rehefa hiresaka momba ny firaisana?

“Malefaka ny feon’i Neny, rehefa manontany ahy momba ny firaisana izy. Hitako fa zava-dehibe izany, satria amin’izay ianao tsy matahotra ny ho bedy.”—Gerald, Frantsa.

Manao ahoana ny feonao rehefa miresaka amin’ny zanakao momba ny firaisana? Misy tokony hahitsy ve?