Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana:

Miova ny Tokantrano Rehefa Tonga ny Zaza

Miova ny Tokantrano Rehefa Tonga ny Zaza

Hery: * “Faly be izahay sy Hary rehefa teraka ny zanakay vavy. Tsy ampy torimaso mihitsy anefa aho nandritra ireo volana vitsivitsy taorian’ny nahaterahany. Be dia be ny zavatra nokasainay hatao hitaizana azy, kanefa tsy nisy vitanay izany.”

Hary: “Tsy izaho intsony no nifehy ny fiainako rehefa teraka ny zanakay. Tampoka teo, dia ny hikarakara biberao, ny hanolo tantin-jaza, na ny hampangina azy no tena nifantohako. Be dia be ny fanovana nilaina natao, ka amam-bolana vao niverina tamin’ny laoniny ny fifandraisanay sy Hery.”

MARO no miaiky fa anisan’ny mahafaly indrindra ny hoe manan-janaka. Milaza ny Baiboly fa “valisoa” avy amin’Andriamanitra ny zanaka. (Salamo 127:3) Toa an’i Hery sy Hary, dia fantatry ny mpivady koa fa mety hiova tsy araka ny anampoizany azy ny tokantranony rehefa tonga ny zaza. Mety hifantoka amin’ny zanany kely, ohatra, ny reny, ary ho gaga mahita fa tena hainy ny manome izay rehetra ilainy, na dia ny madinika indrindra aza. Ny ray kosa mety ho talanjona mahita fa miraiki-po lalina amin’ilay zazakely ny vadiny. Mety hanahy koa anefa izy sao dia ho voailikilika.

Mety hisy olana tokoa eo anivon’ny tokantrano rehefa tonga ny zaza. Raha tsy matoky ny iray amin’izy mivady hoe tena tiana sy misy vidiny ary raha misy olana mbola tsy voavaha koa eo amin’izy ireo, dia mety ho vao mainka hiharihary izany, noho ny adin-tsaina ateraky ny fitaizan-janaka.

Be atao ny mpivady mandritra ireo volana vitsivitsy voalohany, satria tena mila fikarakarana be ilay zaza vao teraka amin’io. Inona àry no hanampy azy ireo hizatra amin’izany sy hifandray akaiky foana? Inona no azon’izy ireo atao raha tsy mifanaraka izy ireo eo amin’ny resaka fitaizana? Hodinihintsika ireo olana ireo sy ny toro lalan’ny Baiboly izay hanampy ny mpivady handamina izany.

OLANA 1: Ilay zaza indray no tena ifantohana.

Ny zanany vao teraka foana no eritreretin’ny reny ary lany hikarakarana azy ny fotoanany. Mety hahatsiaro ho sambatra be mihitsy izy manao izany. Mety hahatsiaro ho tsy raharahaina kosa ny vadiny. Hoy i Manuel, any Brezila: “Ny sarotra indrindra tamiko dia ny hoe tsy izaho intsony no nifantohan’ny vadiko fa ilay zanakay. Ny fifandraisanay roa no tena zava-dehibe taminy taloha, kanjo tampoka teo dia ilay zazakely indray.” Ahoana àry no hiatrehanao an’izany fiovana be izany?

Vahaolana: Manàna faharetana.

Hoy ny Baiboly: ‘Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra.’ (1 Korintianina 13:4, 5) Ahoana àry no ampiharan’ny mpivady an’io torohevitra io, rehefa teraka ny zanany voalohany?

Tia ny vadiny ny lehilahy hendry raha fantariny ny vokatry ny fiterahana eo amin’ny toe-batana sy ny toe-tsain’ny vehivavy. Ho takany amin’izay hoe nahoana no miovaova tampoka ny fihetseham-pon’ny vadiny. * Niaiky toy izao i Adam, ray any Frantsa, manan-janakavavy 11 volana: “Sahirana be aho indraindray rehefa miovaova ny fihetseham-pon’ny vadiko. Miezaka mitadidy anefa aho hoe tsy izaho no tena mahatezitra azy, fa miady saina izy noho ilay zava-baovao iainanay.”

Tsy azon’ny vadinao ve indraindray hoe te hanampy azy ianao? Aza mora tezitra raha izany no mitranga. (Mpitoriteny 7:9) Manàna kosa faharetana, ka izay ilainy no ataovy loha laharana fa tsy izay ilainao. Tsy ho mora tezitra ianao amin’izay.—Ohabolana 14:29.

Hiezaka hampirisika ny vadiny hanao ny andraikiny vaovao kosa ny vehivavy misaina tsara. Ampandraisiny anjara amin’ny fikarakarana an’ilay zaza izy. Tokony hanam-paharetana izy hampiseho amin’ny vadiny ny fomba fanoloana tantin-jaza na ny fikarakarana biberao, na dia toa mikaviavia aza izy amin’ny voalohany.

Niaiky i Ellen, reny 26 taona, fa nila nanova ny fomba fitondrany ny vadiny izy. Hoy izy: “Nila niezaka aho mba tsy hihazona ho ahy samirery an’ilay zaza, ary nitadidy koa hoe tsy tokony ho sarotiny loatra, rehefa mba miezaka manaraka ny soso-kevitro momba ny fikarakarana azy ny vadiko.”

ANDRAMO IZAO: Ry vehivavy, raha mikarakara an’ilay zaza ny vadinao ka tsy mitovy amin’ny fanaonao izany, dia miezaha mafy mba tsy hanakiana azy na hamerina an’ilay zavatra nataony. Derao izy amin’izay zavatra tsara vitany. Hatoky tena izy amin’izay ka ho voatosika hanampy anao. Ry lehilahy, ahenao ny fotoana lany amin-javatra tsy dia lehibe, mba hanam-potoana kokoa hanampiana ny vadinao ianao, indrindra amin’ireo volana vitsivitsy aorian’ny hahaterahan’ilay zaza.

OLANA 2: Tsy dia mifandray tsara intsony ianareo mivady.

Reraka be ny mpivady maro vao sambany niteraka, satria tsy ampy torimaso ary misy olana hafa tsy ampoizina koa. Miady mafy àry izy ireo mba hifandray akaiky foana. Hoy i Vivianne any Frantsa, manan-janaka roa: “Variana loatra nikarakara ny zanako aho tamin’ny voalohany, ka saika hadinoko hoe manambady koa aho.”

Mety tsy ho takatry ny lehilahy koa fa miova ny toe-batana sy ny fihetseham-pon’ny vadiny rehefa bevohoka. Nanokana fotoana sy hery ianareo taloha, mba hahatonga anareo hifandray akaiky foana sy hanaovana firaisana. Mety tsy hisy intsony anefa izany noho ilay zazakely. Inona àry no azon’ny mpivady atao mba tsy ho ilay zanany mahafatifaty sy tsy manam-piarovana no hampisy hantsana mampisaraka azy ireo?

Vahaolana: Lazao amin’ny vadinao indray fa tia azy ianao.

Hoy ny Baiboly: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.” * (Genesisy 2:24) Nataon’i Jehovah Andriamanitra handao ny ray aman-dreniny ny zanaka, rehefa mandeha ny fotoana. Tiany ho nofo iray mandrakizay kosa anefa ny lehilahy sy vehivavy manambady. (Matio 19:3-9) Hahita izay tokony hatao loha laharana foana ny mpivady vao niteraka, raha mahatakatra izany. Nahoana?

Hoy i Vivianne, voalaza terỳ aloha: “Nisaintsaina ny Genesisy 2:24 aho, ka nanjary takatro hoe izaho sy ny vadiko no ‘nofo iray’ fa tsy izaho sy ny zanako. Tsapako hoe nila nohamafisina ny fifandraisanay mivady.” Hoy koa i Theresa, manan-janakavavy roa taona: “Raha vao tsapako hoe lasa mifampihatakataka izahay mivady, dia miezaka haingana aho mba haneho fiheverana azy, na dia mandritra ny fotoana fohy monja isan’andro aza.”

Raha lehilahy manambady àry ianao, inona no azonao atao mba hanamafisana ny fifandraisanareo mivady? Lazao amin’ny vadinao fa tia azy ianao, ary asehoy amin’ny atao izany ka manehoa hatsaram-panahy aminy. Miezaha mafy mba hahatsapany hoe tena tiana sy misy vidiny izy. Hoy i Sarah, 30 taona: “Tokony ho tsapan’ny vehivavy manambady fa mbola sarobidy sy tiana foana izy, na dia tsy toy ny taloha intsony aza ny bikany.” Nilaza koa i Alan, any Alemaina, izay manan-janakalahy roa, fa mila ampaherezina ny vehivavy. Hoy izy: “Miezaka foana aho mba hampahery ny vadiko rehefa manana olana izy.”

Marina fa tsy dia afaka manao firaisana toy ny taloha intsony ny mpivady rehefa tonga ny zaza. Tokony hifampidinika momba izany àry izy ireo. Milaza mantsy ny Baiboly fa raha tsy hanao firaisana ny mpivady, dia tokony ho ‘efa nifanarahan’izy ireo’ izany. (1 Korintianina 7:1-5) Ilaina àry ny mifampiresaka tsara. Mety tsy te hiresaka amin’ny vadinao momba ny firaisana ianao, noho ny fomba nitaizana anao na ny kolontsainao. Tena ilaina anefa izany raha vao mizatra mitaiza ny mpivady. Mahaiza àry miombom-pihetseham-po amin’ny vadinao, manàna faharetana, ary lazao izay tena ao am-ponao. (1 Korintianina 10:24) Hifankahazo hevitra tsara ianareo amin’izay, ary hifankatia kokoa.—1 Petera 3:7, 8.

Vao mainka hifankatia ny mpivady raha mifanao teny fiderana. Ho takatry ny lehilahy hendry fa mandalo ihany ny ankamaroan’ny zavatra ataon’ny vadiny ho an’ilay zaza vao teraka. Hoy i Vivianne: “Matetika aho no mahatsapa hoe tsy nisy na inona na inona vitako, na dia sahirana nikarakara an’ilay zaza aza aho nandritra ny tontolo andro.” Tsy tokony hanao tsinontsinona ny zavatra ataon’ny vadiny ho an’ny fianakaviany anefa ny vehivavy misaina tsara, na dia be atao aza.—Ohabolana 17:17.

ANDRAMO IZAO: Ry vehivavy, makà aina kely raha azo atao, rehefa matory ny zanakao. Hahazo hery bebe kokoa ianao amin’izay. Ry lehilahy, mifohaza amin’ny alina raha azo atao, mba hanome sakafo an’ilay zaza na hanolo azy. Afaka maka aina tsara amin’izay ny vadinao. Lazao matetika amin’ny vadinao fa tia azy ianao. Anoraty taratasy kely izy hilazana izany, na andefaso hafatra, na antsoy an-telefaonina. Manokàna fotoana hifampiresahanareo. Momba anareo resahina fa tsy momba an’ilay zaza fotsiny. Hamafiso ny fifandraisanareo. Ho mora aminareo amin’izay ny hiatrika an’ireo olana eo amin’ny fitaizana.

OLANA 3: Samy manana ny fomba fitaizanareo ianareo.

Mety tsy hitovy hevitra ny mpivady, noho ny fomba nitaizana azy. Toy izany no nitranga tamin’i Asami, reny any Japon, sy Katsuro vadiny. Hoy i Asami: “Nieritreritra aho hoe nampihanta be loatra ny zanakay vavy i Katsuro. Izy kosa nahatsapa fa masiaka loatra amin’ilay zanakay aho.” Inona àry no azonao atao mba hifanaraka tsara ianareo?

Vahaolana: Miresaha amin’ny vadinao ary aoka ianareo hifanampy.

Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Miteraka ady fotsiny ny fiheveran-tena ho ambony, fa hendry kosa izay mila hevitra amin’ny hafa.” (Ohabolana 13:10) Inona no fantatrao mahakasika ny fomba fitaizana hain’ny vadinao? Raha andrasanareo ho teraka ny zanakareo izay vao mifampiresaka momba an’ireo olana eo amin’ny fitaizana ianareo, dia mety hifanditra fotsiny ianareo ka tsy ho voalamina ilay olana.

Iaraho midinika, ohatra, ireto: “Ahoana no ampianarantsika ny zanatsika mba ho zatra hihinana sakafo mahasalama sy ho zatra hatory ara-potoana? Tokony horaisina foana ve izy isaky ny mitomany amin’ny alina? Ahoana no hampianarantsika azy hivoaka amin’ny pô kely?” Mazava ho azy fa tsy hitovy amin’ny an’ny mpivady hafa ny fanapahan-kevitra raisinareo. Hoy i Ethan, ray manan-janaka roa: “Mila mifampiresaka ianareo mba hitovy hevitra. Ho afaka hiara-hikarakara izay ilain’ny zanakareo ianareo amin’izay.”

ANDRAMO IZAO: Eritrereto ny fomba nitaizan’ny ray aman-dreninao anao. Jereo hoe inona amin’ny toe-tsainy sy ny nataony no tianao halain-tahaka rehefa mitaiza ny zanakao ianao, ary inona no tianao hohalavirina. Diniho miaraka amin’ny vadinao avy eo izay fanapahan-kevitrao.

Afaka manatsara ny tokantrano ny zaza

Mila fotoana sy faharetana ny olon-droa miara-mianatra dihy sarotra, raha te hanao dihy mirindra tsara sy tsy hifanitsaka. Mila fotoana toy izany koa ny mpivady vao niteraka, mba ho zatra amin’ny andraikiny vaovao. Hatoky tena izy ireo amin’ny farany.

Ny fitaizan-janaka no hahitana raha tena mifankatia tokoa ianareo. Hanova tanteraka ny fifandraisanareo koa izy io. Hanampy anao hanana toetra tsara koa anefa izy io. Hahatsapa toa an’i Kenneth, raim-pianakaviana iray ianao, raha mampihatra ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Nisy vokany tsara taminay mivady ny fitaizan-janaka. Tsy tia tena loatra intsony izahay, ary lasa be fitiavana sy mandefitra kokoa.” Mazava ho azy fa tena ilaina eo anivon’ny tokantrano izany.

^ feh. 3 Novana ny anarana ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 11 Maro ny reny kivy be mandritra ireo herinandro vitsivitsy aorian’ny iterahany. Misy aza tena ketraka ka lasa marary mihitsy. Misy fanazavana mahakasika ny fomba amantarana sy iatrehana an’izany ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fantaro ny Atao hoe Fahaketrahana Aorian’ny Fiterahana” ao amin’ny Mifohaza! 8 Jona 2003, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 19 Milaza ny manam-pahaizana fa ny teny hebreo nadika hoe ‘mikambana’ ao amin’ny Genesisy 2:24, dia azo ‘adika hoe mifikitra amin’ny olona iray ary tia azy sy tsy mivadika aminy.’

ERITRERETO IZAO:

  • Tamin’ny herinandro lasa, inona no nataoko mba hampisehoana tamin’ny vadiko fa ankasitrahako izay nataony ho an’ny fianakavianay?

  • Oviana aho no nanokana fotoana farany hiresahana tamin’ny vadiko, zavatra hafa ankoatra ny fitaizan-janaka?