Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Ratsy Toetra Be Mihitsy Aho Taloha”

“Ratsy Toetra Be Mihitsy Aho Taloha”
  • TERAKA: 1960
  • FIRENENA: FAILANDY
  • FIAINANY TALOHA: MPIHIRA ROCK MAVESATRA

NY FIAINAKO TALOHA:

Lehibe tany Turku, tanàna misy seranan-tsambo, aho. Tsy dia manan-karena ny olona any. Tompon-daka tamin’ny ady totohondry i Dada, ary mpanao ady totohondry koa izaho sy ny zandriko lahy. Tsy natahotra ny hiady totohondry mihitsy aho isaky ny nisy nihantsy ady tamiko tany am-pianarana. Lasa niaraka tamin’ny ankizy malaza maditra be koa aho, ka vao mainka nahery setra izahay rehefa niady tamin’olona. Mbola tsy ampy 20 taona aho tamin’izany. Lasa nihira rock mavesatra koa aho, ary te ho lasa mpihira malaza.

Nividy amponga aho ary namorona tarika ka izaho no mpihira. Nihinjakinjaka sy nisary adala aho teny ambony sehatra. Nahery setra izahay ary nisavoritaka be ny paozinay, ka lasa tian’ny olona. Nanomboka nanao fampisehoana teo imason’olona be dia be izahay. Namoaka hira vitsivitsy izahay ary tena be mpitia ilay navoakanay farany. Nankany Etazonia izahay tamin’ny taona 1988 tany ho any mba hampahalaza an’ilay tarika, ary nanao fampisehoana vitsivitsy tany New York sy Los Angeles. Nihaona tamin’ny matihanina amin’ny mozika izahay talohan’ny niverenanay teto Failandy.

Nahafinaritra ahy ny nihira tao amin’ilay tarika, nefa mbola nahatsapa ihany aho hoe tsy nisy dikany ny fiainako. Lasa tsy tiako mantsy ny nahita an’ireo mpanao mozika nifaninana be mba halaza. Kivy koa aho fa baranahiny loatra ny fiainako. Tsapako hoe naditra loatra aho ka natahotra ny halefa any amin’ny afobe. Nitady vahaolana tao amin’ny bokim-pivavahana isan-karazany àry aho. Nivavaka mafy koa aho mba hampian’Andriamanitra, na dia fantatro aza fa tsy ho vitako mihitsy ny hampifaly azy.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Niasa tany amin’ny paositra teny akaikinay aho mba hahazoako vola hivelomana. Fantatro, indray andro, fa Vavolombelon’i Jehovah ny mpiara-miasa tamiko iray. Nototofako fanontaniana izy. Nitombina sady avy tao amin’ny Baiboly daholo anefa ny teniny, ka nanaiky hianatra Baiboly taminy aho. Herinandro vitsivitsy  taorian’izay anefa, dia nisy nanasa hanao raki-kira izahay ary mety havoaka any Etazonia mihitsy ilay izy. Nihevitra aho hoe indray mandeha tsy miverina izany ka tokony hohararaotina.

Nolazaiko tamin’ilay nampianatra Baiboly ahy àry fa te hanao raki-kira farany sisa aho dia avy eo hampihatra tsara izay nianarako amin’izay. Tsy nilaza ny heviny izy fa nasainy namaky ny Matio 6:24 fotsiny aho. Hoy i Jesosy ao: “Tsy misy mahay manompo tompo roa.” Azoko ny dikan’ilay izy ka gina tsy nahateny aho. Andro vitsivitsy taorian’izay anefa, dia ilay nampianatra Baiboly ahy indray no gina tsy nahateny. Nolazaiko taminy mantsy hoe nialako ilay tarika fa te hankatò an’i Jesosy aho.

Toy ny fitaratra nampiseho ny zavatra tsy nety nataoko ny Baiboly. (Jakoba 1:22-25) Ratsy toetra be mihitsy aho taloha. Sady nirehareha aho no te halaza foana. Niteny ratsy aho, niady taman’olona, nifoka, ary nisotro toaka be. Tsapako fa nifanohitra tanteraka tamin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fiainako, ka nieritreritra aho hoe hoatran’ny tsy ho vitako mihitsy ny hanaraka an’izany. Vonona hiova anefa aho.—Efesianina 4:22-24.

“Mamindra fo ilay Raintsika any an-danitra, sady te hanasitrana ny ratran’izay nanao ratsy nibebaka”

Nanamelo-tena be tamin’ny ratsy nataoko taloha aho, indrindra tamin’ny voalohany. Tena nanampy ahy anefa ilay Vavolombelona nampianatra ahy. Nasehony ahy ny Isaia 1:18 hoe: “Na mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia hatao fotsy mangatsakatsaka.” Nisy andinin-teny hafa koa nanampy ahy. Ireny no nahatonga ahy ho resy lahatra fa mamindra fo ilay Raintsika any an-danitra, sady te hanasitrana ny ratran’izay nanao ratsy nibebaka.

Lasa nahafantatra an’i Jehovah sy tia azy aho, ka nanokan-tena ho azy. (Salamo 40:8) Natao batisa àry aho tamin’ny 1992, tany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Saint-Pétersbourg any Rosia.

NY SOA NORAISIKO:

Lasa ninamana tamin’ny mpanompon’i Jehovah maromaro aho. Miara-manao hira mahafinaritra sy mety amin’ny Kristianina izahay indraindray, ary mankafy mozika izay fanomezana avy amin’Andriamanitra. (Jakoba 1:17) Nanambady an’i Kristina aho, tatỳ aoriana. Tsapako hoe fitahiana avy amin’i Jehovah izany. Tena tiako izy ary izy no amborahako ny ao am-poko. Miara-migoka ny mamy sy ny mangidy izahay.

Efa maty angamba aho hoatr’izay raha tsy lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanana olana foana aho taloha. Ny eo tsy afaka nefa efa tonga indray ny manaraka. Tena sambatra anefa aho izao ary mandeha tsara daholo ny zava-drehetra.