Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Fanontaniana Telo no Nanova ny Fiainako

Fanontaniana Telo no Nanova ny Fiainako
  • TERAKA: 1949

  • FIRENENA: ETAZONIA

  • MOMBAMOMBA AZY: TSY AFA-PO TAMIN’NY FIAINANY

NY FIAINAKO TALOHA:

Nihalehibe tany Ancram, tanàna kely any New York avaratra, eto Etazonia, aho. Mpamokatra zavatra vita amin’ny ronono ny ankamaroan’ny olona ao. Betsaka noho ny isan’ny olona aza ny isan’ny omby tany.

Iray ihany ny fiangonana tao an-tanànanay ary tao izahay mianakavy no niangona. Nodiovin’i Dadabe ny kiraroko rehefa alahady maraina dia avy eo aho namonjy sekoly alahady niaraka tamin’ny Baiboly keliko fotsifotsy. Baiboly nomen’ny bebenay ahy ilay izy. Nampianarina hiasa mafy, hanaja sy hanampy olona, ary hankasitraka ny fitahian’Andriamanitra izahay ankizy.

Niala tao an-trano aho rehefa lehibe ary lasa mpampianatra. Be dia be ny fanontaniako momba ny fiainana sy momba an’Andriamanitra. Nahay be ny mpianatro sasany fa ny sasany kosa nila nianatra mafy. Natanjaka be ny sasany fa ny hafa kosa kilemaina. Hitako hoe tsy rariny ilay izy. Niteny toy izao indraindray ny ray aman-drenin’ireo ankizy tsy afa-nanoatra ireo: “Efa tian’Andriamanitra ho hoatr’izao mihitsy ny zanako e!” Tsy azoko hoe maninona no avelan’Andriamanitra hisy ankizy kilemaina hatrany an-kibon-dreniny. Ilay zaza anefa tsy nanao ratsy akory.

Lasa saina koa aho hoe: ‘Inona no tokony hataoko eo amin’ny fiainako?’ Hoatran’ny nandeha haingana be mantsy ny fotoana. Marina fa nahafinaritra ny fiainako tao an-trano. Tsara koa ny sekoly nianarako ary tiako ny asako. Hoatran’ny nisy banga anefa ny fiainako. Nekeko aloha hoe mety hanambady aho, hanana trano, hiteraka, hiasa foana mandra-pisotroko ronono, ary hipetraka any amin’ny trano fitaizana be antitra. Nieritreritra anefa aho hoe izay fotsiny ve ny fiainana.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nandeha nitety an’i Eoropa niaraka tamin’ny mpiara-miasa tamiko maromaro aho, indray mandeha. Nankany amin’ny Monasiteran’i Westminster, Notre-Dame de Paris, Vatikana, ary fiangonana maro hafa izahay. Nametrahako ny fanontaniako daholo izay fiangonana nolalovako. Mbola nitety fiangonana koa aho rehefa tafody tany Sloatsburg, eto New York, nefa tsy nahazo valiny mahafa-po.

Nisy mpianatro ankizivavikely 12 taona nanatona ahy indray mandeha, ary nametraka fanontaniana telo tamiko. Nanontaniany aloha raha fantatro hoe Vavolombelon’i Jehovah izy. Eny, hoy aho. Nanontaniany indray aho raha te hahalala momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Eny, hoy ihany aho. Nanontaniany avy eo ny adiresiko. Hay mifanakaiky ny tranonay! Tsy nampoiziko hoe hanova tanteraka ny fiainako ireo fanontaniana telo ireo.

Tsy ela taorian’izay, dia iny izy fa tonga tamin’ny bisikiletany mba hampianatra Baiboly ahy. Naveriko taminy ny fanontaniana napetrako tamin’ireo mpitondra fivavahana isan-karazany. Tsy nanao toa azy ireo anefa izy fa novaliany tsara avy tao amin’ny Baiboliko ny fanontaniako. Izay aho vao nahazo valiny nahafa-po.

Faly be aho rehefa nianatra Baiboly. Nahagaga ahy ny voalazan’ny 1 Jaona 5:19 hoe: ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ Maivamaivana aho nahalala hoe tsy Andriamanitra fa i Satana no mahatonga ny fijaliana, ary tsy ho ela Andriamanitra dia hanafoana izany. (Apokalypsy 21:3, 4) Hitako fa mitombina ny hevitra ao amin’ny Baiboly rehefa hazavaina tsara. Vao 12 taona ilay Vavolombelon’i Jehovah nampianatra Baiboly ahy, nefa niaiky aho hoe rehefa marina dia marina foana na iza na iza miteny an’ilay izy.

Tiako ho hita anefa raha mampihatra ny zavatra toriny ny Vavolombelona. Nanantitrantitra, ohatra, ilay ankizivavikely fa manam-paharetana sy tsara fanahy ny tena Kristianina. (Galatianina 5:22, 23) Nojereko àry raha manana an’ireo toetra ireo tokoa izy. Mody nanao tara aho, indray mandeha, tamin’ny fianaranay. Lasa ny saiko hoe: ‘Hiandry ahy ve izao izy? Ho tezitra ve izao izy sa tsy ho tezitra?’ Rehefa tonga aho dia io izy fa niandry ahy teo am-baravarako. Nihazakazaka nankeo amin’ny fiarako izy ary niteny hoe: “Efa saika hody aho hiteny amin’ny mamanay hoe sao dia mila miantso any amin’ny hopitaly sy any amin’ny polisy izahay. Natahotra be aho tsinona hoe sao dia nisy zavatra nahazo anao. Ianao mantsy tsy mba tara mihitsy rehefa mianatra isika.”

Nametrahako fanontaniana noeritreretiko hoe tsy ho voavalin’ny ankizy 12 taona koa izy. Tiako ho hita raha hamoromporona valiny fotsiny izy. Nijery tsara ahy anefa izy ary niteny hoe: “Sarotra be izany fanontanianao izany. Ao fa hosoratako dia hanontaniako an’ny dadanay sy mamanay.” Inona tokoa fa nitondra gazety Ny Tilikambo Fiambenana nisy valin’ilay fanontaniako izy rehefa nianatra izahay taorian’izay! Izany no nahatonga ahy ho voasarika tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Voavaly tao amin’ny bokin’izy ireo daholo mantsy ny fanontaniako. Nanohy nianatra Baiboly tamin’io ankizivavikely io aho ary natao batisa herintaona taorian’izay, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. *

NY SOA NORAISIKO:

Nahafa-po ahy ny valim-panontaniana azoko ka tiako horesahina tamin’ny olon-drehetra. (Matio 12:35) Tsy tian’ny fianakaviako ny fivavahako tamin’ny voalohany. Nihaniova anefa izy ireo tatỳ aoriana. Nianatra Baiboly, ohatra, ny mamanay taloha kelin’ny nahafatesany. Marina fa maty izy nefa azoko antoka hoe efa nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah izy na dia tsy natao batisa aza.

Nanambady an’i Elias Kazan aho tamin’ny 1978. Vavolombelon’i Jehovah izy. Nasaina hiasa teto amin’ny Betelan’i Etazonia izahay tamin’ny 1981. * Mampalahelo fa vao niasa teto efa-taona fotsiny izahay dia maty i Elias. Mbola nijanona teto amin’ny Betela ihany anefa aho. Nanampy ahy ho verivery dia sy nampahery ahy izany.

Nanambady an’i Richard Eldred aho tamin’ny 2006. Efa tato amin’ny Betela izy, ary tianay ny miara-miasa ato. Tsy hoe ny valin’ny fanontaniako fotsiny no hitako rehefa nahalala ny marina momba an’Andriamanitra aho. Lasa nahafa-po ahy koa ny fiainako. Soa ihany fa nisy an’ireo fanontaniana telo napetrak’ilay ankizivavikely.

^ feh. 16 Raha atambatra, dia dimy ny mpampianatra nianatra Baiboly tamin’io ankizivavy io sy ny iray tam-po aminy, ka lasa manompo an’i Jehovah.

^ feh. 18 “Tranon’Andriamanitra” no dikan’ny hoe “Betela.” Io no iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny biraon’ny sampan’izy ireo maneran-tany. (Genesisy 28:17, 19) Maro ny zavatra ataon’ny olona ao amin’ny Betela mba hampandrosoana ny asa fampianarana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.