Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 18

Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana

Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana

(Lioka 22:20)

  1. 1. Jehovah ô,

    maniry hisaotra anao ’zahay,

    Satria sorona lehibe

    no nataonao ho anay.

    ’Lay Zanakao, foinao

    ho anay olona ambany,

    Ka tsy misy fitiavana

    lehibe noho izany.

    (FIVERENANA)

    Maty izy mba ho fiainanay.

    Ny rany no namonjy anay.

    Amin’ny fo,

    hisaotra anao ’zahay mandrakizay.

  2. 2. Tia anay koa Kristy

    matoa nanao hoe: ‘Eny!’

    Aina lavorary ny azy

    kanefa nomeny.

    Taloha ’zahay dia kivy

    tsisy nantenaina,

    ’Zao kosa manantena

    hoavy tsisy taraina.

    (FIVERENANA)

    Maty izy mba ho fiainanay.

    Ny rany no namonjy anay.

    Amin’ny fo,

    hisaotra anao ’zahay mandrakizay.