Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 14

Derao Ilay Mpanjaka Hitondra ny Tany

Derao Ilay Mpanjaka Hitondra ny Tany

(Salamo 2:12)

  1. 1. Mihamaro ny vahoaka be

    ’zay samy hafa fiteny.

    Kristy sy ny ondry vitsy no

    Nanangona azy ireny.

    Jehovah halaza haneran-tany;

    Mitondra izao ny Fanjakany

    Ary hatao anie ’zay fikasany.

    Fifaliana re izany!

    (FIVERENANA)

    Mendrika hoderaina sy hankalazaina

    Jehovah Raintsika sy Kristy.

    Henoy sy ekeo ary hajao izy ireo

    Mandrakizay doria.

  2. 2. Andrianan’ny Fiadanana

    Kristy Mpanjaka vaovao,

    ’Zay ho avy hitondra famonjena;

    Hobio ary ankalazao.

    Saintsaino ange ’reo fitahiana:

    Hesorina ny faharatsiana,

    Ho velona indray ’reo havan-tiana,

    Tsisy intsony fahoriana!

    (FIVERENANA)

    Mendrika hoderaina sy hankalazaina

    Jehovah Raintsika sy Kristy.

    Henoy sy ekeo ary hajao izy ireo

    Mandrakizay doria.