Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 151

Hiantso i Jehovah

Hiantso i Jehovah

(Joba 14:13-15)

  1. 1. Ny aina moa miserana ihany

    Toa zavona maraina;

    Lasa tsy tana, mamela fo tomany,

    Misento sy mitaraina.

    Izay maty ve azo inoana hoe

    Ho velona indray izy e?

    (FIVERENANA)

    Matokia, Hitsangana izy,

    Tsy hifandao toy ’zao intsony.

    Jehovah no hiantso azy,

    Ny asa tanany tsy foiny.

    Matokia, satria Jehovah

    Malahelo azy koa.

    Aza manary toky,

    F’izy anie mbola hifoha.

  2. 2. Jehovah moa tsy manadino akory,

    Ny namany tsy foiny;

    Na maty aza, toy ny hoe matory,

    Hifoha rehefa hantsoiny.

    Hiaraka am’izay, Paradisa indray,

    Fiainana mandrakizay!

    (FIVERENANA)

    Matokia, Hitsangana izy,

    Tsy hifandao toy ’zao intsony.

    Jehovah no hiantso azy,

    Ny asa tanany tsy foiny.

    Matokia, satria Jehovah

    Malahelo azy koa.

    Aza manary toky,

    F’izy anie mbola hifoha.