Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 75

“Intỳ Aho Iraho!”

“Intỳ Aho Iraho!”

(Isaia 6:8)

  1. 1. Esoiny sy hamavoiny ianao;

    Simbany koa ny lazanao.

    Lazainy koa hoe mpampahory,

    Ataony toy ny tsisy akory!

    Iza àry no hanadio izany

    Anaranao voaloto izany?

    (FIVERENANA 1)

    ‘Ry Tompo, intỳ aho iraho,

    Hidera ny anaranao.

    Raha tombontsoa tsy misy hoatr’izao!

    Intỳ aho, Tompo, iraho.’

  2. 2. ’Reo sampy indray no mba tompoiny;

    Tsy misy tahotra ao am-pony.

    Omeny olon-kafa indray

    Ny toeran’i Jehovah Ray.

    Iza àry no hampahafantatra azy

    Fa ny Hara-magedona ho avy?

    (FIVERENANA 2)

    ‘Ry Tompo, intỳ aho iraho,

    Hilaza ny fitsaranao.

    Raha tombontsoa tsy misy hoatr’izao!

    Intỳ aho, Tompo, iraho.’

  3. 3. Ao koa ’reo miantso mafy anao,

    Miandrandra hery avy aminao.

    Mba mila fampiononana izy,

    Fa be ny ratsy mahakivy.

    Iza àry no hampahery ireny

    Tso-po mangetaheta ireny?

    (FIVERENANA 3)

    ‘Ry Tompo, intỳ aho iraho,

    Hampianatra ireo tia anao.

    Raha tombontsoa tsy misy hoatr’izao!

    Intỳ aho, Tompo, iraho.’

(Jereo koa ny Sal. 10:4; Ezek. 9:4.)