Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 12

Jehovah Tompo, Ilay Avo Indrindra

Jehovah Tompo, Ilay Avo Indrindra

(Eksodosy 34:6, 7)

  1. 1. Jehovah Tompo, ’lay Avo Indrindra,

    Mendrika hoderaina ianao

    Fa lehibe ny herinao.

    ’Zay rariny ihany, mahitsy hatrany,

    No tianao sy ataonao.

  2. 2. Ianao no miantra, mangoraka anay;

    Tsinontsinona izahay,

    Nefa ianao mba mihaino anay.

    Ianao manoro, vonon-kanampy,

    Tsy mandao fa tena Ray.

  3. 3. Manandra-peo mba hidera anao ’zao

    ’Reo ’zay any an-danitra any

    Sy ’zahay etỳ an-tany.

    Jehovah Tompo, ny fiderana

    Dia ho anao irery ihany!