Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 64

Mahafaly ny Asa Fijinjana

Mahafaly ny Asa Fijinjana

(Matio 13:1-23)

  1. 1. Izao no fotoam-pijinjana,

    Fotoana tsy hiverina indroa!

    Isika no asaina mijinja,

    Nomena an’ilay tombontsoa.

    Kristy no modely ho antsika;

    Mitarika antsika izy mba

    Hijinja ireo vokatra maro be,

    ’Zay mbola tavela eny an-tsaha.

  2. 2. Tiantsika i Jehovah sy ny hafa,

    Ka ’ndao mba hitory avy hatrany.

    Fa maika tokoa ’zao ’lay asa,

    Antomotra ny fiafarany.

    Tahin’i Jehovah anie ’sika

    Raha tena manao fara hery,

    Dia manohy mamita ny faritany

    Satria ny fotoana efa kely.