Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 111

Maro ny Antony Mahafaly Antsika

Maro ny Antony Mahafaly Antsika

(Matio 5:12)

  1. Ny anton’ny fifaliantsika

    Dia maro tokoa raha jerena:

    Mandray ’reo zava-tsarobidy

    Avy amin’ireo firenena.

    Mankahery koa ny Baiboly

    Isan’andro, isa-maraina;

    Matanjaka indray ny finoana,

    Ka faly ny fo sy ny saina.

    Fifaliana tsy mety lefy,

    Toy ny afo mirehitra izany;

    Ka na dia voasedra aza indraindray,

    Tsy kivy fa miaritra ihany.

    (FIVERENANA)

    Jehovah no fifaliantsika,

    Ka sambatra isika mahita

    ’Reny asany ireny; ’zay rehetra nomeny

    Dia taratry ny fahendreny!

  2. Endrey ny hakanton’ny voary,

    ’Zay mahafinaritra erỳ!

    Asa tanan’ilay Nahary;

    Misaora azy ka mihobia.

    Mahafaly koa ny fitahiana,

    ’Zay hoentin’ilay Fanjakana.

    Mahasambatra ny fitoriana,

    Mamelona fanantenana.

    Tsy ho ela koa ny Paradisa,

    Ny andro hibaliaka indray.

    Ho faly sy ravo àry ’sika,

    Ho sambatra mandrakizay.

    (FIVERENANA)

    Jehovah no fifaliantsika,

    Ka sambatra isika mahita

    ’Reny asany ireny; ’zay rehetra nomeny

    Dia taratry ny fahendreny!