Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 128

Miareta Hatramin’ny Farany

Miareta Hatramin’ny Farany

(Matio 24:13)

  1. 1. Ny Tenin’Andriamanitra,

    Raha raisinao am-po,

    Hanampy anao mba hiaritra

    Na mafy aza ny manjo.

    Ny andron’i Jehovah izao,

    Tadidio, ataovy an-tsaina.

    Finoana vita sedra anie

    No fiadiana tena ilaina.

  2. 2. Miareta f’aza ketraka,

    Aza manaiky ho resy.

    Ilay fitiavana ao am-po,

    Tandremo mba tsy ho lefy.

    ’Zay fitsapana ho avy koa,

    Aza atao mahakivy anao.

    Jehovah ’nie tsy lavitra,

    Eo izy ho tokinao.

  3. 3. Ny anaran’izay miaritra,

    ’Zay hovonjen’ny Ray,

    Voasoratra any an-danitra,

    Tsaroany mandrakizay.

    Miareta hatram’ny farany

    Ka miezaha tsy hisy tsiny.

    Jehovah tena hahatsiaro anao,

    Ny fiainanao hotahiny!