Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 114

Miezaha Hanam-paharetana

Miezaha Hanam-paharetana

(Jakoba 5:8)

  1. 1. Jehovah saro-piaro

    Amin’ny anarany lehibe,

    ’Zay misy mpanaratsy

    Sy mpanakiana maro be.

    Nef’izy mbola miandry,

    Efa ela ihany izay;

    Iriny ireo mpanota

    Hibebaka indray.

    Ny olona rehetra

    Dia samy tiany hovonjena.

    Tsy sasatra Jehovah,

    Fa miandry sady manantena.

  2. 2. Raha sendra diso ny hafa,

    ’Zay lafy tsara no hevero;

    Dia aza misendaotra,

    F’izay tsy nety andefero.

    Miezaha handanjalanja,

    Ny fanahy no angataho;

    Na misy mahakivy,

    Toneo re ny fonao.

    Raha misy azo antenaina,

    Aleo mba manantena ihany.

    Miandrasa, mandefera;

    Jehovah no tahafo hatrany.