Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 99

Vavolombelona Maro

Vavolombelona Maro

(Apokalypsy 7:9, 10)

  1. 1. Vavolombelona maro,

    ’Zay samy mpankatò;

    Midera an’i Jehovah,

    Manompo an-tsitrapo.

    Vahoaka be isika,

    An-tapitrisa izao;

    Samy hafa foko sy firenena,

    Nefa tsy mifandao.

  2. 2. Vavolombelona maro,

    Mitory eran-tany;

    Mitondra vaovao tsara

    Hatrany lavitra any.

    Raha sendra kivy isika

    Na te mba hitaraina,

    Jesosy no hankahery ’ndray,

    Tony ny fo sy saina.

  3. 3. Vavolombelona maro,

    Manompo eo an-tempoly.

    Arovan’i Jehovah,

    Manao ny sitrapony.

    Tia mifanampy ’sika,

    Toy ny fianakaviana

    Antsoin’i Jehovah hiara-miasa;

    Hanao ny fitoriana.