Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Isaia 41:10: “Aza Matahotra Hianao, fa Momba Anao Aho”

Isaia 41:10: “Aza Matahotra Hianao, fa Momba Anao Aho”

 “Aza matahotra fa momba anao aho. Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.”—Isaia 41:10, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”—Isaia 41:10, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Isaia 41:10 holazaina?

 Manome toky ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah a Andriamanitra fa hanohana azy ireo, na inona na inona olana atrehiny.

 “Momba anao aho.” Resahin’i Jehovah amin’ny mpanompony hoe tsy tokony hatahotra izy ireo satria tsy miady irery. Hitan’i Jehovah mantsy ny zavatra mampijaly ny mpanompony ary henoiny ny vavaka ataony, ka hoatran’ny hoe eo akaikin-dry zareo mihitsy izy.—Salamo 34:15; 1 Petera 3:12.

 “Izaho no Andriamanitrao.” Mampitony ny mpanompony i Jehovah ka mampahatsiahy azy ireo hoe mbola Andriamanitr’izy ireo foana izy ary ekeny ho mpanompony izy ireo. Afaka matoky àry ny mpanompony hoe tsy misy na inona na inona mahasakana an’i Jehovah tsy hanampy azy ireo.—Salamo 118:6; Romanina 8:32; Hebreo 13:6.

 “Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.” Matoanteny telo no nampiasain’i Jehovah mba hilazana hevitra iray. Tiany hohamafisina mantsy hoe tena hanampy ny mpanompony izy. Nampiasa sarin-teny koa izy mba hilazana ny zavatra ataony rehefa mila fanampiana ny mpanompony. Raha lavo, ohatra, ny olona iray, dia manome ny tanany havanana Andriamanitra mba hisintonana azy.—Isaia 41:13.

 Ny Teniny, izany hoe ny Baiboly, no tena ampiasain’Andriamanitra mba hampaherezana sy hanampiana ny mpanompony. (Josoa 1:8; Hebreo 4:12) Misy torohevitra afaka manampy antsika, ohatra, ao rehefa misy fitsapana mahazo antsika, ohatra hoe fahantrana, na aretina, na fahafatesan’ny havana na namana. (Ohabolana 2:6, 7) Eo koa ny fanahy masina, na ny hery ampiasain’Andriamanitra. Afaka mampiasa azy io izy mba hanampiana ny mpanompony hieritreritra tsara sy tsy ho kivy loatra rehefa miatrika olana isan-karazany.—Isaia 40:29; Lioka 11:13.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Isaia 41:10?

 Nampahery an’ireo Jiosy tsy nivadika, izay lasa babo tany Babylona, ireo teny ireo. Efa nilaza mialoha i Jehovah fa rehefa hafahana ny Jiosy, dia hiely ny resaka hoe hisy fahavalo ho avy ka handrava an’ireo firenena manodidina sy hampihorohoro an’i Babylona. (Isaia 41:2-4; 44:1-4) Hatahotra i Babylona sy ny firenena manodidina rehefa maheno an’ilay izy. Tsy tokony hanahy kosa ny Jiosy satria hiaro azy ireo i Jehovah. Intelo be izao izy no nilaza tamin’izy ireo hoe: “Aza matahotra.”—Isaia 41:5, 6, 10, 13, 14.

 Marina hoe ny Jiosy tsy nivadika, izay lasa babo tany Babylona, no niresahan’i Jehovah an’ireo teny ao amin’ny Isaia 41:10 ireo, tamin’ny voalohany. Nampanoratiny ao amin’ny Baiboly anefa ireo teniny ireo mba hampaherezana ny mpanompony rehetra. (Isaia 40:8; Romanina 15:4) Manampy ny mpanompony koa i Jehovah Andriamanitra amin’izao, hoatran’ny nataony taloha.

Vakio ny Isaia toko faha-​41, dia jereo koa ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanondroana andininy hafa.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.—Salamo 83:18.