Josoa 1:1-18

  • Nampahery an’i Josoa i Jehovah (1-9)

    • Vakio sy saintsaino ny Lalàna (8)

  • Niomana hiampita an’i Jordana (10-18)

1  Rehefa maty i Mosesy mpanompon’i Jehovah, dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa*+ zanak’i Nona sady mpanompon’i Mosesy:+  “Efa maty i Mosesy mpanompoko.+ Miomàna àry hiampita an’i Jordana ianao sy ity vahoaka manontolo ity, ary midira ao amin’ilay tany homeko ny vahoakan’Israely.+  Homeko anareo izay toerana rehetra hohitsahin’ny tongotrareo, araka ny efa nampanantenaiko an’i Mosesy.+  Ary hanomboka any an-tany efitra ny faritry ny taninareo dia hitohy hatrany Libàna sy hatrany Eofrata, ilay renirano lehibe, izany hoe ny tany rehetra izay an’ny Hetita,+ ka hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe* eo andrefana.*+  Tsy hisy olona hahatohitra anao raha mbola velona koa ianao.+ Hoatran’ny nanampiako an’i Mosesy no hanampiako anao.+ Tsy handao anao aho ary tsy hahafoy anao mihitsy.+  Manàna herim-po ary mahereza,+ satria ianao no hitarika an’ity vahoaka ity ho any amin’ilay tany ho lovany, dia ilay nianianako tamin’ny razambeny fa homeko azy.+  “Manàna herim-po ary mahereza! Araho tsara izay rehetra voalazan’ny Lalàna nandidian’i Mosesy mpanompoko anao. Ary aza miala amin’izany na mivily miankavanana na miankavia,+ dia hanao zavatra amim-pahendrena ianao na aiza na aiza alehanao.+  Tsy tokony ho afaka am-bavanao ny teny ato amin’ity boky misy ny Lalàna ity,+ ary vakio sy saintsaino* andro aman’alina izany. Amin’izay ianao dia hanaraka tsara an’izay rehetra voasoratra ato,+ ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.+  Mandidy anao indray àry aho hoe: ‘Manàna herim-po ary mahereza!’ Aza matahotra na mihorohoro, fa hanampy anao i Jehovah Andriamanitrao na aiza na aiza alehanao.”+ 10  Ary nomen’i Josoa didy ireo mpifehy ny vahoaka hoe: 11  “Mandehana eran’ny toby ka omeo an’izao baiko izao ny vahoaka: ‘Manomàna vatsy, fa hiampita an’i Jordana ianareo rehefa afaka telo andro mba haka an’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.’”+ 12  Ary hoy i Josoa tamin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase: 13  “Tadidio ny didy nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo hoe:+ ‘Ataon’i Jehovah Andriamanitrareo milamina ny fiainanareo, sady efa nomeny an’ity tany ity ianareo. 14  Hipetraka etỳ amin’ny tany nomen’i Mosesy anareo etỳ ampitan’i* Jordana ny vadinareo sy ny zanakareo ary ny biby fiompinareo.+ Fa ianareo miaramila matanjaka rehetra+ kosa, tokony hiampita ka hilahatra hiady eo alohan’ny rahalahinareo.+ Tsy maintsy ampianareo ny rahalahinareo, 15  mandra-pahatongan’izy ireo any amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrareo azy. Hataon’i Jehovah milamina ny fiainan’izy ireo amin’izay, hoatran’ny nataony taminareo. Avy eo, dia miverena eto amin’ny tany nomena anareo ary mipetraha eto, dia eto amin’ilay tany nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo, etỳ atsinanan’i Jordana.’”+ 16  Hoy ny navalin’izy ireo an’i Josoa: “Hataonay daholo izay asainao ataonay, ary handeha any amin’izay anirahanao anay izahay.+ 17  Toy ny nihainoanay an’izay rehetra nolazain’i Mosesy no hihainoanay anao koa. Enga anie i Jehovah Andriamanitrao hanampy anao, toy ny nataony tamin’i Mosesy!+ 18  Hovonoina ho faty izay olona mikomy tsy manaraka ny baikonao sy tsy mankatò an’izay rehetra asainao ataony.+ Manàna herim-po ary mahereza!”+

Fanamarihana

Midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.”
Izany hoe ny Ranomasina Mediterane.
Na: “any amin’ny filentehan’ny masoandro.”
Na: “ary vakio amin’ny feo iva.”
Izany hoe ampita atsinanana.