Hijery ny anatiny

Afaka Manao Fanabeazana Aizana ve ny Kristianina?

Afaka Manao Fanabeazana Aizana ve ny Kristianina?

Valiny ara-baiboly

 Tsy nanome didy ny mpanara-dia azy mba hiteraka na tsy hiteraka i Jesosy. Tsy nandidy an’izany koa ny mpianany voalohany. Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy mety ny manao fandrindram-piterahana. Milaza kosa izy io hoe: “Samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay avy.”—Romanina 14:12.

 Afaka misafidy àry ny mpivady na hiteraka na tsia. Afaka misafidy koa izy ireo hoe rahoviana no hiteraka ary firy ny isany. Anjaran’ny mpivady ny manapa-kevitra raha hanao fanabeazana aizana izy ireo na tsia, fa tsy tokony hahafa-jaza fotsiny ilay izy. Tsy tokony hisy hitsaratsara azy ireo amin’izany àry.—Romanina 14:4, 10-13.