Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanalana Zaza?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanalana Zaza?

Valiny ara-baiboly

 Tsy mitovy ny hoe afa-jaza sy ny hoe manala zaza. Tsy mampiasa an’ilay teny hoe “fanalana zaza” ny Baiboly. Resahina ao anefa hoe ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny ain’ny olombelona, anisan’izany ny zaza mbola ao am-bohoka.

 Andriamanitra no nanome aina antsika. (Genesisy 9:6; Salamo 36:9) Sarobidy aminy daholo ny ain’ny olona rehetra, anisan’izany ny ain’ny zaza mbola ao am-bohoka. Mamono olona àry izay manala zaza.

 Nanome lalàna ny Israelita Andriamanitra hoe: “Raha misy olona miady ka mahavoa vehivavy bevohoka, ary teraka tsy tonga volana ny zanany, nefa tsy misy maty vokatr’izany, dia hampandoavina onitra ilay olona, araka izay takin’ny vadin-dravehivavy. Ary handoa izany amin’ny alalan’ny mpitsara izy. Fa raha misy maty kosa vokatr’izany, dia tsy maintsy manome aina ho solon’ny aina ianao.”—Eksodosy 21:22, 23. a

 Efa azo lazaina hoe olona ve ny zaza ao an-kibo, na dia vao manomboka miforona aza?

 Resahin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly hoe efa olona ny zaza anankiray, na dia vao manomboka miforona ao an-kibo aza. Mitovy ihany ny ain’ny zaza ao am-bohoka sy ny ain’ny zaza efa teraka, amin’Andriamanitra. Ireto misy ohatra vitsivitsy manaporofo an’izany.

  •   Nahazo fanahy masina i Davida Mpanjaka, dia niteny tamin’Andriamanitra hoe: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho.” (Salamo 139:16) Hita amin’izany fa efa olombelona izy, tamin’Andriamanitra, na dia mbola tao an-kibo aza.

  •   Hoatran’izany koa i Jeremia mpaminany. Mbola tsy teraka izy, dia efa niteny Andriamanitra hoe homeny andraikitra miavaka be izy. Hoy Andriamanitra taminy: “Efa fantatro ianao talohan’ny namoronako anao tany am-bohoka, ary efa nohamasiniko ianao talohan’ny nivoahanao avy tao an-kibo. Koa notendreko ho mpaminany ho an’ireo firenena ianao.”—Jeremia 1:5.

  •   Dokotera i Lioka, mpanoratra Baiboly. Nisy fotoana izy niresaka momba ny zaza iray mbola tao an-kibo sy ny zaza iray vao teraka. Teny grika iray ihany no nampiasainy rehefa niresaka momba an’ireo zaza ireo izy.—Lioka 1:41; 2:12, 16.

 Mbola mety havelan’Andriamanitra ve ny heloky ny olona iray efa nanala zaza?

 Eny. “Mamindra fo sy tsara fanahy i Jehovah ... Fa toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana, no anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.” b (Salamo 103:8-12) Tokony hanaiky anefa ilay olona hoe sarobidy amin’Andriamanitra, na dia ny ain’ny zaza mbola ao an-kibo aza. Raha tena mibebaka izy, dia havelan’i Jehovah ny helony, na dia efa nanala zaza aza izy, na nanao zavatra ratsy hafa. (Salamo 86:5) Tsy tokony ho kivy sy hanamelo-tena be intsony izy aorian’izay.

 Azo atao ve ny manala zaza raha atahorana ny ain’ilay zaza na ny ain’ilay reniny?

 Raha ny Baiboly no jerena, dia tsy azo atao fialan-tsiny hanalana zaza mihitsy ny hoe mety hatahorana ny ain’ilay reniny na ny ain’ilay zaza.

 Ary ahoana raha misy olana, dia tsy maintsy atao ny safidy hoe ny ain’ilay reniny sa ny ain’ilay zaza no havotana? Tsy miseho matetika ny toe-javatra hoatran’izany. Raha sendra mitranga anefa izany, dia anjaran’izay olona tafiditra amin’ilay izy ny misafidy hoe iza no hezahina avotana.

a Rehefa nandika an’ireo andininy ireo ny mpandika Baiboly sasany, dia nataony hoatran’ny hoe ny ain’ilay reniny no tena zava-dehibe, fa tsy ny ain’ilay zaza. Ny ain’ilay zaza sy ilay reniny mihitsy anefa no tiana horesahina eo, raha ny teny hebreo no jerena.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—Salamo 83:18.