Hijery ny anatiny

Manota ve Izay Misotro Toaka? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Manota ve Izay Misotro Toaka? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Tsy manota ny olona misotro toaka raha ataony araka ny antonony ilay izy. Milaza ny Baiboly fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny divay ary mampifalifaly izy io. (Salamo 104:14, 15; Mpitoriteny 3:13; 9:7) Resahina ao koa fa azo atao fanafody izy io.—1 Timoty 5:23.

 Nisotro divay i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. (Matio 26:29; Lioka 7:34) Na izy aza, indray mandeha, nanova ny rano ho lasa divay, rehefa nanatrika fampakaram-bady. Anisan’ny fahagagana malaza nataony izany.—Jaona 2:1-10.

Ratsy ny misotro be loatra

 Marina fa milaza ny Baiboly hoe misy mahatsara azy ny divay. Rarany anefa ny misotro be loatra na manao mamo. Afaka misotro toaka àry ny Kristianina saingy tena tokony hahay handanjalanja izy. (1 Timoty 3:8; Titosy 2:2, 3) Lazain’ny Baiboly fa betsaka ny antony maharatsy ny misotro be loatra.

  •   Lasa tsy misaina tsara ilay olona sady tsy mahay manavaka. (Ohabolana 23:29-35) Hoy ny Baiboly: ‘Atolory ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo.’ (Romanina 12:1) Tsy mahavita manaraka an’io didin’ny Baiboly io ny olona iray, raha nisotro be loatra.

  •   Lasa sahisahy ny olona misotro be loatra ka tsy manana “faniriana hanao ny tsara” intsony.—Hosea 4:11; Efesianina 5:18.

  •   Mety ho lasa mahantra ilay olona sady harary mafy.—Ohabolana 23:21, 31, 32.

  •   Tsy tian’i Jehovah izay misotro be loatra na mamo, satria manala baraka azy.—Ohabolana 23:20; Galatianina 5:19-21.

Fa hoatran’ny ahoana ilay hoe be loatra?

 Efa nisotro be loatra ny olona iray, raha efa misy vokany ratsy amin’ny tenany sy ny olon-kafa ny zavatra ataony. Tsy hoe rehefa mianjerazera izy izay vao hoe mamo. Asehon’ny Baiboly kosa fa efa mamo ny olona iray raha manomboka be resaka na miraiki-dela rehefa miteny, na mivembena ny fandehany, na izy fanimpanina ka tsy fantany intsony hoe aiza ny lalana tokony haleha. (Joba 12:25; Salamo 107:27; Ohabolana 23:29, 30, 33) Na miezaka ny tsy ho mamo aza ny olona iray nefa zatra misotro, dia “hovesaran’ny ... fibobohan-toaka” izy, ka hizaka ny voka-dratsiny.—Lioka 21:34, 35.

Rahoviana ny Kristianina no tsy tokony hisotro mihitsy?

 Milaza ny Baiboly fa tsy tokony hisotro toaka mihitsy ny Kristianina raha:

  •   Mety hanafintohina olon-kafa izany.—Romanina 14:21.

  •   Raran’ny lalàna any amin’ny tany misy azy izany.—Romanina 13:1.

  •   Tsy mahafehy tena izy rehefa misotro. Misy koa olona efa miankin-doha amin’ny toaka mihitsy, izany hoe tsy mahavita zavatra raha tsy mandray kely. Tokony ho vonona hanao fiovana avy hatrany ireny olona ireny.—Matio 5:29, 30.