Salamo 104:1-35

  • Fiderana an’i Jehovah noho ny zavatra mahatalanjona noforoniny

    • Haharitra mandrakizay ny tany (5)

    • Divay sy mofo ho an’ny olona mety maty (15)

    • “Maro be tokoa ny zava-bitanao!” (24)

    • ‘Rehefa esorina ny hery mamelona azy, dia maty izy ireo’ (29)

104  Te hidera an’i Jehovah aho!+ Tena miavaka tokoa ianao, Jehovah Andriamanitro ô!+ Mitafy haja amam-boninahitra ianao.+   Toy ny akanjo andrakofanao ny tenanao ny hazavana;+Ary henjaninao toy ny tranolay ny lanitra.+   Apetrany eny amin’ny rano eny amin’ny habakabaka* ny vatan-kazo anaovany ny efitranony ambony rihana.+Ataony toy ny kalesiny ny rahona,+Ary mandeha amin’ny elatry ny rivotra izy.+   Ataony mahery* ny anjeliny,Ary ataony afo mandevona ny mpanompony.+   Nataony mafy orina teo ambonin’ny fototra iorenany ny tany,+Ka tsy hihetsika eo amin’ny toerany* mandrakizay mandrakizay.+   Nampitafianao azy toy ny akanjo ny rano lalina.+ Nandifotra tendrombohitra ny rano.   Noteneninao mafy ny rano ka nandositra;+Naheno ny feon’ny kotroka nalefanao ireny, ka nirifatra nitsoaka   Tany amin’ny toerana nataonao ho azy.Nisondrotra ny tendrombohitra,+ ary niletsy ny lohasaha.   Nasianao fetra ny rano mba tsy hihoatra,+Ka tsy hanarona ny tany intsony izany. 10  Asiany loharano eny amin’ny lohasaha;*Mikoriana eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny. 11  Manome rano fisotro ho an’ny bibidia rehetra ireny,Ka afaka hetaheta ny ampondradia. 12  Eny amin’ny hazo eny amoron’ireny no ipetrahan’ny vorona;Misiotsioka ao anaty ravinkazo mandrobona izy ireo. 13  Avy eny amin’ny efitranony ambony rihana Andriamanitra no manondraka an’ireo tendrombohitra.+ Afa-po amin’ny vokatry ny asanao ny tany.+ 14  Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy izy,Sy zavamaniry ho an’ny olombelona,+Mba hahatonga ny tany hamokatra sakafo: 15  Divay mampifaly ny fon’ny olona,+Sy menaka mahamandimandina ny tarehy,Ary mofo manome hery ny olona* mety maty.+ 16  Azon-drano tsara ireo hazon’i Jehovah,Dia ny sederan’i Libàna, izay namboleny 17  Sy ametrahan’ny vorona ny akaniny. Eny amin’ny hazo zenevrie ny tranon’ny vanobe.+ 18  Ho an’ny osidia+ ny tendrombohitra avo,Ary fialofan’ny bitrom-bato+ ny harambato. 19  Nanao ny volana izy mba hamaritana fotoana;Fantatry ny masoandro tsara ny fotoana filentehany.+ 20  Mahatonga haizina ianao, dia alina ny andro,+Ary amin’izay no mivezivezy ny bibidia rehetra any an’ala. 21  Mierona ny liona tanora rehefa mihaza,+Ka mitady sakafo avy amin’Andriamanitra.+ 22  Rehefa miposaka ny masoandro,Dia mody ireny ka matory ao anatin’ny lavaka fisitrihany. 23  Ny olona kosa mivoaka hanao ny asany,Ary miasa mafy mandra-paharivan’ny andro. 24  Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô!+ Naneho fahendrena+ ianao rehefa nanao azy rehetra. Feno zavatra nataonao ny tany. 25  Tena lehibe sy midadasika koa ny ranomasina,Izay ahitana zavamananaina kely sy lehibe tsy hita isa sady mifanaretsaka.+ 26  Any no mivezivezy ny sambo,Ary any koa ny Leviatana,*+ izay nataonao hilalao any. 27  Miantehitra aminao ireo rehetra ireoMba hanome azy ny sakafony amin’ny fotoanany.+ 28  Angoniny izay omenao azy.+ Rehefa manokatra ny tananao ianao, dia voky zava-tsoa izy ireo.+ 29  Rehefa mihodina tsy hijery azy* kosa ianao, dia very hevitra izy ireo. Ary raha esorinao ny hery mamelona azy, dia maty izy ireo ka miverina ho vovoka.+ 30  Raha irahinao ny fanahinao dia voaforona izy ireo,+Ary havaozinao ny tany. 31  Haharitra mandrakizay ny voninahitr’i Jehovah. Hifaly amin’ny asany i Jehovah.+ 32  Jereny ny tany, dia mihovotrovotra;Kasihiny ny tendrombohitra, dia midona-tsetroka.+ 33  Hihira ho an’i Jehovah aho+ mandritra ny androm-piainako;Hihira fiderana* ho an’ny Andriamanitro aho raha mbola velona koa.+ 34  Hahafaly azy anie ny eritreritro!* Hifaly amin’i Jehovah aho. 35  Hanjavona tsy hisy etỳ an-tany ny mpanota,Ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.+ Te hidera an’i Jehovah aho! Derao i Jah!*

Fanamarihana

Abt: “any anaty rano.”
Abt: “fanahy.”
Na: “tsy ho voahozongozona.”
Na: “lalan-driaka.”
Abt: “ny fon’ny olona.”
Jereo F.T.
Abt: “manafina ny tarehinao.”
Na: “Hitendry mozika.”
Na mety hoe “Hahafinaritra anie ny fisaintsainako momba azy!”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.