Hijery ny anatiny

Miresaka Momba ny Afofandiovana ve ny Baiboly?

Miresaka Momba ny Afofandiovana ve ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Tsia, tsy miresaka momba an’izany ny Baiboly. Tsy hita ao akory aza ilay teny hoe “afofandiovana.” Tsy mampianatra koa ny Baiboly hoe diovina any amin’ny afofandiovana ny fanahin’ny maty. a Andao hojerentsika izay ampianarin’ny Baiboly momba ny ota sy ny fahafatesana. Ho hitantsika koa fa mifanohitra amin’ny fampianarana momba ny afofandiovana izany.

  •   Ny finoana ny ran’i Jesosy no manadio ho afaka amin’ny ota, fa tsy ny fandalovana ao amin’ny afofandiovana. Milaza ny Baiboly fa “ny ran’i Jeso-Kristy [Zanak’Andriamanitra] dia manadio antsika amin’ny ota rehetra”, ary “Jeso-Kristy ... nanasa ny otantsika tamin’ny rany.” (1 Jaona 1:7; Apokalypsy 1:5, Fandikan-teny Katolika) ‘Nahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro’ i Jesosy mba ho afaka amin’ny ota izy ireo.—Matio 20:28, Kat.

  •   Tsy mahatsiaro tena ny maty. “Ny velona mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5, Kat.) Tsy mahatsapa na inona na inona ny maty, ka tsy mahatsiaro mijaly na faly rehefa diovina ao amin’ny afofandiovana.

  •   Tsy voasazy noho ny ota intsony ny olona iray rehefa maty. Milaza ny Baiboly hoe “ny fahafatesana no tambin’ny ota”, ary “izay maty dia afaka amin’ny fahotana.” (Romanina 6:7, 23, Kat.) Ny fahafatesana ihany àry no sazy farany noho ny fahotana.

a Izao no resahin’ilay boky hoe Orpheus: A General History of Religions momba ny afofandiovana: “Tsy miresaka momba an’izany mihitsy ny Filazantsara.” Milaza koa ny New Catholic Encyclopedia hoe: “Rehefa tena dinihina tsara, dia hita fa avy tamin’ny lovantsofina ilay fampianaran’ny Katolika momba ny afofandiovana, fa tsy avy ao amin’ny Soratra Masina.”​—Fanontana Faharoa, Boky Faha-11, pejy 825.

b Jereo ny New Catholic Encyclopedia, Fanontana Faharoa, Boky Faha-11, pejy 824.