Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Ahoana Raha Misy Teny na Andinin-teny Tiako Hotadiavina?: Android

Ahoana Raha Misy Teny na Andinin-teny Tiako Hotadiavina?: Android

Afaka mikaroka teny na fehezanteny ao amin’ny Baiboly na ireo zavatra misy ianao, ao amin’ny JW Library.

Araho ireto toromarika ireto raha hanao fikarohana:

 Hikaroka ao amin’ny Baiboly

Azonao atao ny mitady teny na fehezanteny ao amin’izay Baiboly vakinao.

Tsindrio ilay hoe Rechercher rehefa mamaky Baiboly ianao, ary soraty eo izay teny tianao hokarohina. Misy soso-kevitra omeny anao rehefa manoratra ianao. Tsindrio ny soso-kevitra iray na ilay hoe Entrer amin’ny klavie mba hahitanao izay teny tadiavinao.

Azonao fidina ny fomba isehoan’ilay teny tadiavinao. Ilay hoe Versets les plus cités dia ahitanao ireo andinin-teny fampiasa matetika. Ilay hoe Tous les versets kosa dia ahitanao ireo andinin-teny rehetra manaraka ny filaharan’ny boky ao amin’ny Baiboly. Ilay hoe Articles dia ahitanao izay lahatsoratra misy an’ilay teny ao amin’ny teny fampidirana sy ny fanazavana fanampiny.

Raha teny maromaro no soratanao, dia asio marika ilay hoe Expression exacte mba hahitanao an’izay teny tena tadiavinao.

 Hikaroka ao amin’ireo zavatra misy

Afaka mikaroka teny na fehezanteny ao amin’ny zavatra vakinao ianao.

Tsindrio ilay hoe Rechercher eo am-pamakianao an’ilay izy, ary soraty eo izay teny tianao hokarohina. Misy soso-kevitra omeny anao rehefa manoratra ianao. Tsindrio ny soso-kevitra iray na ilay hoe Entrer amin’ny klavie mba hahitanao izay teny tadiavinao.

Raha teny maromaro no soratanao, dia asio marika ilay hoe Expression exacte mba hahitanao an’izay teny tena tadiavinao.

 Hikaroka loha hevitra

Afaka mikaroka loha hevitra ao amin’ny Fandalinana ny Soratra Masina ianao, raha nadikanao io boky io. Azonao atao izany rehefa mamaky Baiboly na zavatra ao amin’ilay programa ianao.

Tsindrio ilay hoe Rechercher, ary soraty avy eo izay loha hevitra tianao hotadiavina. Misy soso-kevitra avy ao amin’ny Fandalinana ny Soratra Masina koa omeny eo. Tsindrio ny loha hevitra iray raha tianao hosokafana.

Tao amin’ilay JW Library 1.3.4 nivoaka tamin’ny Oktobra 2014 no nisy an’ireo zava-baovao ireo. Mandeha tsara amin’ny Android 2.3 na taorian’izay izy ireo. Raha tsy mahita an’ireo zava-baovao ireo ianao, dia jereo ilay hoe “Mampiasà JW Library: Android”, ao amin’ilay hoe Fanavaozana farany.