Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Handika sy Hampiasa Baiboly: iOS

Handika sy Hampiasa Baiboly: iOS

Azo amakiana sy ianarana Baiboly koa ny JW Library.

Araho ireto toromarika ireto mba hahafahanao handika sy hampiasa Baiboly:

 Handika Baiboly

Afaka mandika izay Baiboly tianao ianao. Azonao vakina sy ianarana izy ireny avy eo, na dia tsy misy Internet aza.

  • Tsindrio ilay hoe Baiboly dia hiseho ny boky rehetra ao amin’ny Baiboly.

  • Tsindrio ilay hoe Fiteny raha hijery ny lisitry ny Baiboly rehetra misy ianao. Izay Baiboly ampiasainao matetika no miseho voalohany eo amin’ilay lisitra. Azonao atao koa ny mikaroka Baiboly iray, ka manoratra kely fotsiny ianao, ohatra hoe “int” raha hitady ilay Baiboly hoe Kingdom Interlinear amin’ny teny anglisy, na hoe “port”, raha hikaroka ny Baiboly rehetra amin’ny teny portogey.

  • Misy sarina rahona kely izay Baiboly mbola tsy nadikanao. Tsindrio izay Baiboly tianao hadika. Tsy miseho intsony ilay sarina rahona kely rehefa tafiditra ao amin’ny fitaovanao ilay Baiboly. Tsindrio indray ilay Baiboly raha tianao hovakina.

Raha tsy hitanao ny Baiboly tadiavinao, dia jereo indray rehefa any aoriana. Mety hisy Baiboly hafa hampidirina mantsy, rehefa azo atao izany.

 Hanafoana Baiboly

Azonao foanana izay Baiboly nadikanao nefa tsy ilainao intsony, na koa mitana toerana be ao amin’ny fitaovanao.

Tsindrio ilay hoe Baiboly, avy eo ilay hoe Fiteny, dia hiseho ny lisitry ny Baiboly. Fidio ilay Baiboly tianao hofoanana ary akisaho miankavia. Tsindrio amin’izay ilay hoe Hanafoana.

 Handika Baiboly nohavaozina

Mety hisy fanavaozana indraindray ny Baiboly efa nadikanao.

Misy sarina filesy kely mihodinkodina ny Baiboly misy fanavaozana. Rehefa tsindrianao ilay Baiboly, dia misy hafatra mipoitra hoe nohavaozina ilay izy. Tsindrio ilay hoe Haka, raha tianao hohavaozina ilay izy. Tsindrio kosa ilay hoe Tsy Izao, raha mbola tsy hanavao ianao fa hanohy hamaky an’izay efa nadikanao.

Tao amin’ilay JW Library 1.4, nivoaka tamin’ny Febroary 2015 no nisy an’ireo zava-baovao ireo. Mandeha tsara amin’ny iOS 6.0 na vao haingana izy ireo. Raha tsy mahita an’ireo zava-baovao ireo ianao, dia jereo ilay hoe “Hampiasa JW Library: iOS”, ao amin’ilay hoe Fanavaozana farany.