Hijery ny anatiny

Lavenona sy setroka be mivoaka avy ao amin’ilay volkano antsoina hoe La Soufrière any Saint-Vincent

28 APRILY 2021
ETAZONIA

Misy Volkano Mipoaka any Karaiba ka Betsaka no Voatery Mifindra Toerana

Misy Volkano Mipoaka any Karaiba ka Betsaka no Voatery Mifindra Toerana

Toerana

Ampahany amin’i Saint-Vincent sy Barbade

Zava-nitranga

  • Nanomboka namoaka setroka sy lavenona ilay volkano antsoina hoe La Soufrière, tamin’ny 9 Aprily 2021

  • Betsaka ny trano nirodana satria nirarahan’ny lavenona matevina be. Tapaka koa ny jiro sy rano, ka zara raha misy rano fisotro madio

  • Mbola mety hitohy herinandro vitsivitsy io fipoahana volkano io

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 185 any Saint-Vincent sy Barbade no tsy maintsy nafindra toerana

Zavatra simba

  • Mbola tsy azo aleha izao ilay faritra voa mafy indrindra any avaratr’i Saint-Vincent, ka mbola tsy fantatra ny habetsahan’ny zavatra simba

Fanampiana tra-boina

  • Ireo Vavolombelona mipetraka any amin’ny faritra azo antoka kokoa any Saint-Vincent sy any amin’ireo nosy manodidina no mampiantrano an’ireo rahalahy sy anabavy voatery nafindra toerana. Manaraka tsara ny fepetra fiarovana amin’ny COVID-19 izy ireo

  • Notendrena hanampy ny tra-boina ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) misahana ny fanampiana mifandray amin’ny COVID-19. Miara-miasa amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any an-toerana ny KVRV, amin’ny fizarana rano fisotro madio sy ny fanampiana an’izay mila mifindra toerana

  • Manampy ny tra-boina koa ny manam-pahefana any Saint-Vincent sy Sainte-Lucie

Mipetra-drery ny rahalahy jamba iray efa be taona, ary any amin’ny faritra tratran’ilay loza izy no mipetraka. Tonga namonjy azy ny rahalahy vitsivitsy, taloha kelin’ny nipoahan’ilay volkano. Sahotaka be no hitan-dry zareo teny an-dalana satria nitsoaka daholo ny olona. Soa ihany ny mpitory rehetra fa tafafindra soa aman-tsara tany amin’ny toerana azo antoka daholo.

Faly isika satria voaro sy mahazo fampiononana ny mpiara-manompo amintsika, noho ny ezaka ataon’ireo rahalahy manampy ny tra-boina. Manahaka an’ilay Andriamanitsika ry zareo, ka “vonona hanampy foana ... amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Salamo 46:1-3.