Hijery ny anatiny

Ny toerana misy ny Fitsarana Ambony any Milan, any Italia

12 NOVAMBRA 2020
ITALIA

Nohamafisin’ny Fitsarana Italianina hoe Manan-jo Hifidy Izay Fitsaboana Mety Amin’ny Zanany ny Vavolombelon’i Jehovah

Nohamafisin’ny Fitsarana Italianina hoe Manan-jo Hifidy Izay Fitsaboana Mety Amin’ny Zanany ny Vavolombelon’i Jehovah

Vao haingana izay ny Fitsarana Ambony any Milan, any Italia, no nanome rariny ny mpivady Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny raharaha iray momba ny fikarakarana ny fahasalaman’ny zanany. Hita tamin’ilay didy navoakan’io fitsarana io fa tsy tokony hiahiahy mihitsy ny fitsarana hoe tsy mahay manapa-kevitra momba ny fitsaboana ny zanany ny ray aman-dreny, satria fotsiny hoe mangataka izy ireo mba tsy ampidiran-dra ny zanany. Namoaka didy ilay fitsarana hoe manan-jo handa ny ray aman-dreny hoe tsy ampidirana ra nomen’olona ny zanany raha tena mino mafy izy mivady hoe izay no hahasoa azy.

Nisy mpivady Vavolombelon’ i Jehovah nitondra ny zanany vavikely folo volana tany amin’ny hopitaly, tamin’ny Septambra 2019. Nianjera mantsy ilay zazakely, dia naratra mafy. Nilaza ny dokotera hoe tsy maintsy didiana izy mba hitsaboana an’ilay ratra tao amin’ny lohany. Vita soa aman-tsara ilay fandidiana sady tsy nila fampidiran-dra.

Na dia efa sitrana aza ilay zaza sady tsy nisy natahorana intsony ny fahasalamany, tatỳ aoriana, dia nisy dokotera nangataka alalana tamin’ny ray aman-dreniny hoe hampidirana ra ilay zazakely, mba ho “fanampin’ny fitsaboana” natao taminy. Niteny tamin’ilay dokotera izy mivady hoe aleo mba fitsaboana hafa tsy misy fampidiran-dra efa mahazatra ny olona no atao.

Tsy nanaiky ny soso-kevitr’ilay ray aman-dreny anefa ilay dokotera, fa lasa indray izy niantso polisy sy mpampanoa lalàna. Namoaka didy ny fitsarana momba ny raharaham-pianakaviana hoe voafetra ihany ny fahefana ananan’ilay ray aman-dreny, fa ny lehiben’ny hopitaly no omena fahefana feno ny amin’izay fomba tokony hitsaboana an’ilay zazakely. Na izany aza anefa, dia tsy nampidiran-dra mihitsy ilay zaza satria hitan’ny dokotera hoe tsy ilaina izany.

Be dia be ny mpanao gazety tany Italia niresaka momba an’io raharaha io. Nandika vilana an’ilay izy ny sasany dia nilaza hoe soa ihany, hono, fa namoaka didy ny fitsarana hoe tsy maintsy atao ilay fampidiran-dra, raha tsy izany tsy avotra ny ain’ilay zazakely.

Tamin’ny 10 Septambra 2020 dia nofoanan’ny Fitsarana Ambony ilay didy navoakan’ny fitsarana momba ny raharaham-pianakaviana hoe voafetra ny fahefan’ny ray aman-drenin’ilay zazakely. Nilaza koa ny Fitsarana Ambony fa tsy tokony ho namoaka an’iny didy iny ilay fitsarana, sady tsy manana fahefana hitsara an’io raharaha io akory.

Milaza ny Fitsarana Ambony any Milan, ao amin’ilay didy hoe: “Tsy nanaiky an’ilay fitsaboana misy fampidiran-dra ireo ray aman-dreny ireo noho ny zavatra inoany. Izany akory tsy midika hoe ray aman-dreny ratsy toetra izy ireo ka tsy mahazo manapa-kevitra momba ny zanany.” Tamin’ny herintaona fotsiny, dia Fitsarana Ambony anankitelo tany Italia no nanome rariny ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah hoe afaka mifidy fitsaboana tsy misy fampidiran-dra ho an’ny zanany izy ireo.

Tena zava-dehibe ny hahatakaran’ny mpahay lalàna sy ny dokotera hoe tsy manasitrana amin’ny fomba mahagaga ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsy mandà tsy hotsaboina. Miezaka mitady an’izay fitsaboana tsara indrindra any amin’ireny hopitaly maoderina ireny aza ry zareo. Hopitaly manana traikefa sy fitaovana mety tsara amin’ny fitsaboana mifanaraka amin’ny zavatra inoan-dry zareo no tena tadiaviny. Ny zavatra angatahin’izy ireo amin’ny dokotera fotsiny dia ny hoe tsy ampidiran-dra izy ireo rehefa tsaboina. Betsaka amin’ny mpitsabo tena mahay any amin’ireny hopitaly malaza eran-tany ireny no manaiky ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manome fitsaboana tena tsara nefa tsy misy fampidiran-dra.

Tena faly isika hoe nanome rariny ny rahalahy sy anabavintsika ireny didim-pitsarana ireny. Hanampy an-dry zareo ho tapa-kevitra ny hifidy tsara foana an’izay fitsaboana hitany hoe mety amin’ny zanany mantsy izany.​—Asan’ny Apostoly 15:29.