Hijery ny anatiny

Inona ny Watch Tower Bible and Tract Society?

Inona ny Watch Tower Bible and Tract Society?

 Ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania (Fikambanana Tilikambo Fiambenana) dia fikambanana najoro tamin’ny 1884, mifanaraka amin’ny Lalàn’i Pennsylvanie, any Etazonia. Fikambanana tsy natao hitadiavam-bola izy io. Izy io no ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanaovana ny asany eran-tany, anisan’izany ny famokarana Baiboly sy boky ary gazety.

 Voalaza ao amin’ny sata mifehy an’ilay fikambanana fa ny “hivavaka sy hampianatra ary hanao asa soa” no tanjony, indrindra fa ny “hitory sy hampianatra ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay tantanan’i Kristy Jesosy.” Izay nahazo fanasana ihany no afaka miditra ho mpikambana ao amin’ilay fikambanana, fa tsy hoe izay manome vola betsaka kokoa mba hanohanana azy io. Manampy ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpikambana ao amin’ilay fikambanana sy ireo mpitantana azy io.

Miara-miasa Amin’ny Fikambanana Ara-dalàna Hafa

 Manana fikambanana ara-dalàna maromaro any amin’ny firenena samihafa ny Vavolombelon’i Jehovah, ankoatra ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Misy hoe “Watch Tower” na “Watchtower” (amin’ny teny anglisy na amin’ny fiteny eo an-toerana) ny anaran’ny sasany amin’ireny fikambanana ireny.

 Nanampy anay hahavita zavatra betsaka izy ireny, hatramin’ny nananganana azy. Anisan’izany ireto:

  •   Mamokatra boky sy gazety. Ireto avy, ohatra, no efa nataonay pirinty: Baiboly 220 tapitrisa teo ho eo ary boky sy gazety ara-baiboly 40000 tapitrisa teo ho eo, amin’ny fiteny 700 mahery. Manana an’ilay tranonkala jw.org koa izahay. Misy Baiboly amin’ny fiteny 120 mahery ao, ary tsy mila mandoa vola ianao dia afaka mamaky an’izany ao. Maro koa ny fanontaniana ara-baiboly valiana ao, ohatra hoe “Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

  •   Mampianatra. Misy sekoly isan-karazany alaminay mba hampianarana Baiboly. Vavolombelon’i Jehovah 8000 mahery, ohatra, no efa nampiofanina tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, nanomboka tamin’ny 1943. Ampiofanina tsara izy ireo mba ho lasa misionera na mba ho afaka hampandroso ny asa ataonay eran-tany. Miara-mivory any amin’ny fiangonanay avy koa izahay isan-kerinandro, mba hianatra Baiboly. Olona an-tapitrisany no manatrika an’izany, ary tsy Vavolombelona ny sasany. Mandamina kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra koa izahay ary efa namoaka boky fianarana mamaky teny sy manoratra, amin’ny fiteny 110.

  •   Manao asa soa. Manampy an’izay iharan-doza koa izahay. Mety ho loza vokatry ny ataon’ny olombelona izany, toy ilay fandripahana foko tany Rwanda tamin’ny 1994, na loza araka ny natiora, toy ilay horohoron-tany tany Haïti tamin’ny 2010.

 Marina fa maro ny zavatra vitanay, noho ireny fikambanana natsanganay ireny. Tsy miantehitra fotsiny amin’izy ireny anefa izahay. Miezaka mitory sy mampianatra ny vaovao tsara kosa ny Kristianina tsirairay satria nasain’Andriamanitra nanao an’izany. (Matio 24:14; 28:19, 20) Matoky izahay fa manohana ny asanay Andriamanitra. Izy no “mampitombo” ka mbola hanohana anay foana izy.—1 Korintianina 3:6, 7.