Hijery ny anatiny

Avy Aiza ny Vola Ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Avy Aiza ny Vola Ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Ny fanomezana an-tsitrapo omen’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay no tena isahanana ny lany amin’ny fitoriana ataonay eran-tany. a Misy boaty ho an’ny fanomezana any amin’ny toerana fivorianay. Misy fomba hafa azo anaovana an’izany koa resahina ao amin’ny tranonkalanay jw.org, ao amin’ilay hoe “Fanomezana.” Afaka mifidy izay olona miditra ao hoe hanao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany, sa ho an’ny fiangonana eo an-toerana, sa izy roa.

 Tsy itakiana ampahafolon-karena ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy voafaritra hoe ohatrinona na hoe ampahafirin’ny karamanay no tsy maintsy omenay. (2 Korintianina 9:7) Tsy mitanty rakitra na mangataka vidim-pidirana izahay rehefa mivory. Tsy mitaky vola mihitsy izahay rehefa asaina hanao fotoam-pivavahana, ohatra hoe rehefa misy batisa, na mariazy, na fandevenana. Tsy mikarakara hetsika natao hitadiavam-bola izahay, ohatra hoe varotra gatô sy zavatra hafa, na kilalao isan-karazany, na tombolà. Tsy mitaky vola amin’iza na iza koa izahay. Tsy tononina na atao hitan’ny olona mihitsy ny anaran’izay nanao fanomezana. (Matio 6:2-4) Tsy misy dokam-barotra fitadiavam-bola koa ao amin’ny tranonkalanay na ao amin’ny boky sy gazetinay.

 Resahina isam-bolana amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay ny tatitra momba ny kaontin’ilay fiangonana, rehefa mivory ry zareo. Arahi-maso tsy tapaka ny kaontin’ny fiangonana tsirairay mba hahitana raha miasa tsara ny vola fanomezana voarainy.—2 Korintianina 8:20, 21.

Fomba azo anaovana fanomezana

  •   Boaty ho an’ny fanomezana: Afaka mandrotsaka vola na seky ao ianao. Misy boaty ho an’ny fanomezana any amin’ny Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary izay toerana hafa fivorianay.

  •   Fanomezana ao amin’ny Internet: Afaka miditra ao amin’ilay pejy hoe “Hanao Fanomezana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah” ianao, any amin’ny tany maro. Afaka mandefa vola avy any amin’ny kaontinao any amin’ny banky ianao ao, amin’ny alalan’ny karatra fandoavam-bola na amin’ny alalan’ny Internet. b ‘Manokana vola’ isam-bolana ny Vavolombelona sasany, dia alefany tsy tapaka amin’ny alalan’ireo teknika ireo ilay izy.—1 Korintianina 16:2.

  •   Fomba hafa: Mila manomana mialoha ianao rehefa hanao karazana fanomezana sasany. Mety hila hamantatra ny lalàna misy eo an-toerana koa ianao. Mety hihena, ohatra, ny hetra aloanao, rehefa manasoa fikambanana ara-pivavahana ianao. Be dia be no nandray soa satria nanao fikarohana tsara aloha, izay vao nanao karazana fanomezana sasany, na fanomezana atao rehefa mbola velona io, na fanomezana efa voaomana mialoha ka halefa rehefa maty ilay olona. Manorata na miantsoa any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny toerana misy anao, raha te hanao fanomezana misy ifandraisany amin’ireto ianao:

    •   kaonty any amin’ny banky

    •   fiantohana sy fisotroan-dronono

    •   trano sy tany

    •   didim-pananana sy fanankinam-pananana

 Raha tianao ho fantatra hoe inona avy ny fomba azonao anaovana fanomezana any amin’ny misy anao, dia jereo ilay pejy hoe “Hanao Fanomezana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

a Tena faly manao fanomezana hanohanana ny asanay koa ny olona sasany tsy Vavolombelon’i Jehovah.

b Raha te hahazo fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay video hoe Ahoana no Hatao Raha Hanao Fanomezana ao Amin’ny Internet?