Hijery ny anatiny

Mitaky Ampahafolon-karena ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mitaky Ampahafolon-karena ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Tsia. Tsy mitaky ampahafolon-karena ny Vavolombelon’i Jehovah. Fanomezana an-tsitrapo no ampandrosoana ny asanay. Inona no atao hoe ampahafolon-karena, ary nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy mitaky an’izany?

 Anisan’ny Lalàna nomena ny firenen’Israely ny hoe mila manome ampahafolon-karena ry zareo. Resahin’ny Baiboly mazava tsara anefa fa tsy mihatra amin’ny Kristianina intsony ny Lalàna, anisan’izany ny “Lalàna hanangona ny ampahafolon-karena.”—Hebreo 7:5, 18; Kolosianina 2:13, 14.

 Tsy manome ampahafolon-karena na fanatitra ny Vavolombelon’i Jehovah, fa manahaka ny Kristianina voalohany. Tsy karamaina izy ireo rehefa manao ny asa fanompoany, ary manao fanomezana an-tsitrapo mba hanohanana an’ilay asa.

 Arahinay àry izao tari-dalana ho an’ny Kristianina izao: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”—2 Korintianina 9:7.