Hijery ny anatiny

Nivaly ny Vavak’ilay Ramatoa Jamba

Nivaly ny Vavak’ilay Ramatoa Jamba

 Vavolombelon’i Jehovah any Azia i Yanmei. Nampiany hiampita ny arabe ny ramatoa iray jamba atao hoe Mingjie, indray mandeha. a Hoy i Mingjie avy eo: “Misaotra betsaka. Hotahin’Andriamanitra anie ianao!” Nanontanian’i Yanmei izy raha te hihaona aminy indray amin’ny manaraka mba hiresaka momba ny Baiboly. Nanaiky i Mingjie. Nilaza izy tatỳ aoriana hoe nivavaka foana izy isan’andro mba ho voatarika ho any amin’ny tena fiangonan’Andriamanitra. Nahoana izy no nangataka an’izany tamin’Andriamanitra?

 Nanazava i Mingjie hoe nisy namany jamba nanasa azy hiangona tany amin’ny fiangonana manampy olona sembana, tamin’ny 2008. Taorian’ilay toriteny dia nanontaniany ilay mpitondra fivavahana hoe inona ilay boky novakiny teo. Nilaza ilay mpitondra fivavahana hoe ny Baiboly, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra. Tena te hamaky Baiboly i Mingjie. Nahazo Baiboly amin’ny soratra braille sinoa izy. Boky 32 ilay izy ary enim-bolana teo ho eo no namakiany azy. Mamaky Baiboly foana i Mingjie ka lasa fantany hoe tsy marina ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, nefa izany no ampianarina any amin’ilay fiangonana. Lasa fantany koa hoe i Jehovah no anaran’Andriamanitra.

 Diso fanantenana tamin’ny mpiangona tao i Mingjie, rehefa nandeha ny fotoana. Hitany hoe tsy arakaraka izay novakiny tao amin’ny Baiboly ny zavatra ataon’izy ireo. Ambin-tsakafo, ohatra, no nomen’izy ireo ny jamba nefa sakafo vaovao ny an’ny olon-kafa. Nalahelo be àry i Mingjie ka lasa nitady fiangonana hafa. Izany no nahatonga azy hivavaka mba hahita ny tena Kristianina.

 Nanaiky hianatra Baiboly i Mingjie satria hitany hoe tsara fanahy taminy i Yanmei. Nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, tatỳ aoriana. Nitantara izy hoe: “Tsy hadinoko mihitsy ilay fivoriana voalohany natrehiko. Nandray ahy tsara daholo ny olona tao. Nanohina ny foko mihitsy izany. Na dia jamba aza aho, dia tsapako hoe tsy manavakavaka ny olona ao fa tena mifankatia.”

 Nandroso tsara i Mingjie ka nanatrika fivoriana tsy tapaka. Tsy misy amin’ilay soratra braille fampiasany ny fihirana nefa izy tena tia mihira ny hiran’ilay Fanjakana. Nampian’ny fiangonana àry izy, dia izy ihany no nanao ny fihiranany. Adiny 22, raha atambatra, no nanoratany an’ireo hira 151 amin’ny soratra braille. Nanomboka nitory i Mingjie tamin’ny Aprily 2018 ary nitory adiny 30 teo ho eo isam-bolana izy taorian’izay.

Asa mafy ny mandika boky ho amin’ny soratra braille

 Nataon’i Yanmei raki-peo ny fanontaniana sy ny andinin-teny ao amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah mba hanampiana an’i Mingjie hiomana ho amin’ny batisany. Natao batisa tamin’ny Jolay 2018 i Mingjie. Hoy izy: “Nanohina ny foko ny fitiavana nasehon’ny ranadahy sy rahavavy teny amin’ny fivoriambe. Faly loatra aho dia nilatsaka ny ranomasoko. Ela ny ela ka lasa anisan’ilay tena fiangonan’Andriamanitra ihany aho!” (Jaona 13:34, 35) Mitory manontolo andro izao i Mingjie satria te hampiseho fitiavana amin’ny olona, hoatran’ny nanehoana fitiavana taminy.

a Novana ireo anarana.