Hijery ny anatiny

Fitoriana Momba ny Baiboly

Mitory ny Tenin’Andriamanitra sy ny fahamarinana ao anatiny amin’ny olona betsaka araka izay azony atao ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo ny fitantarana momba ny zavatra hitan’izy ireo.

Ilay Telefaonina Fampiasan’ny Besinimaro no Nampiasain-dry Zareo Hampianarana Baiboly

Nanomboka fampianarana Baiboly maromaro tao amin’ny tanàna kely tsy misy jiro sy Internet i Daiane. Ahoana no nataony?

Tena Nahavariana Azy ny Vokany

Reny mitaiza irery ny zanany any Venezoelà i Desicar. Ahoana no nataony rehefa niova ny fomba fitory nandritra ny valanaretina COVID-19?

Sarobidy Tamin-dry Zareo ny Taratasy Nosoratany

Inona, ohatra, no vokatra tsara azo avy amin’ny fitoriana an-taratasy?

“Efa Niandry ny Antsonareo Foana Aho”

Nahoana no faly ny mpivady iray hoe niezaka hanana herim-po hitoriana an-telefaonina ry zareo?

Lahatsoratra Manampy ny Mpiasan’ny Hopitaly Tsy Hiady Saina

Inona no nampahery ny mpitsabo mpanampy sy ny mpiasa hafa tao amin’ny hopitaly iray na dia eo aza ny valanaretina COVID-19?

Nitory Foana Izy Ireo Nandritra ny Valanaretina

Miezaka ny ho falifaly sy hanana toe-tsaina tsara foana ny rahalahy sy anabavy sady nanova ny fomba fitoriny mba hizarana ny hafatra mampahery ao amin’ny Baiboly.

Nahazo Bisikoỳ ny Alikakeliko!

Mpivady manao fampirantiana, dia misy lehilahy mandalo. Tsy amin’ilay lehilahy ihany ry zareo no tsara fanahy, fa amin’ny alikakeliny koa. Dia inona no vokany?

Tondra-drano Iray Nahatonga Olona Maro Hahafantatra ny Vaovao Tsara

Nahazo fanampiana avy tamin’ny olona tsy nampoizina ny tanàna maromaro tany Nikaragoà, taorian’ilay oram-be nivatravatra tany.

Nivaly ny Vavak’ilay Ramatoa Jamba

Nivavaka i Mingjie mba hahita ny tena Kristianina. Ahoana no nahatsapany hoe nivaly ny vavaka nataony?

Fampianarana Baiboly Iray no Niantombohany

Afaka nampianatra Baiboly tamin’ny olona maro miteny kekchi ny Vavolombelon’i Jehovah any Goatemalà.

Voavaly ny Fanontanian’ilay Mpitondra Fivavahana

Nitomany be ny mpitondra fivavahana iray sy ny vadiny satria maty ny zanany. Nanana fanontaniana maro momba ny maty izy ireo nefa nahazo valiny mahafa-po, taoriana kelin’izay.

Noheverin’ny Olona fa Pasitera Izy

Afaka nitory ny vaovao tsara tamin’ny fomba hafakely ny Vavolombelon’i Jehovah iray any Silia. Nohazavainy hoe tsy fikasan’Andriamanitra mihitsy ny hahafatesan’ny olona.

Ilay Dia Tany Amin’ny Reniranon’i Maroni

Handeha hitory momba ny fampanantenan’ny Baiboly amin’ny olona mipetraka any anaty alan’i Amazonia, any Amerika Atsimo, ny Vavolombelon’i Jehovah 13.

Nampian’ny Polisy i Joseph

Nanampy Vavolombelon’i Jehovah hitory tao amin’ny nosy kely iray ny polisy. Inona no nataon’izy ireo?

Nijanona Izy Ireo dia Nanampy

Nisy tanora dimy mianadahy vonona hanampy ny mpiara-monina taminy na teo aza ny hatsiaka sy ny lanezy. Nahoana?

Nanao ny Marina Izy

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah iray any Afrika Atsimo no niezaka be nitady ny tompon’ny kitapo nisy vola, hadino tao amin’ny toerana fisakafoanana?

“Manao Izay Vitako Aho”

Manohina ny fon’ny olona ny taratasy misy hevitra avy ao amin’ny Baiboly alefan’i Irma, na dia efa 90 taona latsaka aza izy.

Lazao hoe Tianao Izy Ireo

Jereo ato hoe ahoana no nanampian’ny Baiboly ny fianakaviana iray mba hifankatia kokoa sy ho faly kokoa.

“Hafakely Ilay Fomba Fampianatra!”

Mahaliana an’ireo mpampianatra sy mpanabe ary olon-kafa ireo video ato amin’ny jw.org.

Nanehoana Hatsaram-panahy

Ho hitanao ato fa tsy tia fahamarinana ny olona iray taloha, nefa lasa liana tamin’izany noho izy nanehoana hatsaram-panahy kely fotsiny.

Aza Manary Toky Mihitsy!

Tsy tokony hanary toky mihitsy ianao raha irinao hanompo an’i Jehovah ny vadinao na ny olona ampianarinao Baiboly. Vakio ato ny tantaran’ny olona nanao toy izany.

Tratran’i Hulda ny Tanjony

Ahoana no nahazoan’i Hulda tablette hampiasainy amin’ny fanompoana sy ny fivoriana?

Novalian-tsoa ny Ezaka sy ny Fiomanana Nataony

Ho hitanao ato ny tantaran’ny ankizivavikely folo taona, izay niezaka mafy nanasa ny olona miteny mapudungun tany am-pianarany, mba hanatrika fotoan-dehibe iray.

Aza Mifantoka Be Amin’ny Paozin’ny Olona

Tsara fanahy tamin’ny lehilahy iray nitokantokana sy ratsy paozy nipetraka teny amin’ny arabe ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Inona no vokatr’izany?