Hijery ny anatiny

Grande-Bretagne: Tahirin-tsary Faha-7 (Septambra 2018 ka Hatramin’ny Febroary 2019)

Grande-Bretagne: Tahirin-tsary Faha-7 (Septambra 2018 ka Hatramin’ny Febroary 2019)

Ho hitanao ato amin’ireto tahirin-tsary ireto hoe nanao ahoana ny fandrosoan’ilay fanorenana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Grande-Bretagne, nanomboka tamin’ny Septambra 2018 ka hatramin’ny Febroary 2019.

  1. Trano misy ny famokarana video

  2. Trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa

  3. Trano misy an’ireo birao

  4. Trano fonenana A

  5. Trano fonenana B

  6. Trano fonenana C

  7. Trano fonenana D

  8. Trano fonenana E

  9. Trano fonenana F

25 Septambra 2018—Trano fonenana A

Ekipa roa samy hafa mametraka fantsona lehibe mitondra rano. Mampiasa masinina roa mpihady lavaka izy ireo. Hita etsy aoriana ny trano misy an’ireo birao.

26 Septambra 2018—Trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa

Ekipa avy amin’ny orinasa karamaina mametraka ny rindrina ivelany. Natao mifanaraka amin’ny manodidina ny loko sy ny paozin’ilay izy.

27 Septambra 2018—Trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa

Ekipa avy amin’ny orinasa mpiara-miasa mampiasa masinina manokana mba hampahalama sy hampaharitra tsara ny simenitra avy nararaka.

4 Oktobra 2018—Trano misy an’ireo birao

Jerena avy eny ambony, avy eny avaratratsinanana. Eo aloha amin’ilay sary, misy ekipa manadio sy manomana an’ilay toerana hatao parking ho an’izay hankao amin’ny efitra fandraisana olona. Hita eo ankavia fa vita ny rafitra vy ho an’ny efitra fandraisana olona, izay mampifandray an’ ireo trano roa misy ny birao. Tazana erỳ aoriana ny trano misy ny famokarana video sy ny trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa.

10 Oktobra 2018—Toerana misy an’ilay sampana

Olona iray, eo akaikin’ny trano fonenana A, manamarina sy mandray naoty ny asa nataon’ny ekipa mpanao zaridaina. Vao nanomboka kelikely ilay tetikasa dia efa natao ny zaridaina, amin’izay efa maniry tsara ny hazo sy zavamaniry rehefa vita ilay fanorenana.

31 Oktobra 2018—Trano fonenana F

Mpandoko mametraka loko résine eo amin’ny faritra hatao parking. Manisy fitaovana manokana amin’ny kirarony ny iray amin’izy ireo, mba tsy hisy dian-kiraro tavela eo amin’izay voaloko. Tsy mora simba sady tsy mandray tasina menaka ny faritra lokoana amin’ny résine, ka mety tsara ho an’ny toerana hijanonan’ny fiara.

6 Novambra 2018—Trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa

Mpikarakara fantson-drano mandrefy sy manapaka rojo hanantonana fitaovana hanafanana toerana iray lehibe natao hiasana

6 Novambra 2018—Trano misy an’ireo birao

Mpiasa mandoko ny anatin’ny trano misy an’ireo birao. Misy fitaovana iray manafana na mampangatsiaka na mampiditra rivotra, eo ambonin’ny birao tsirairay. Fonosina amin’ny plastika maintimainty ilay izy mba ho voaro.

8 Novambra 2018—Trano misy an’ireo birao

Mpiasa mametraka rafitra vy eo ambonin’ny birao fandraisana olona.

7 Desambra 2018—Trano misy an’ireo birao

Ekipa avy amina orinasa mametaka fitaratra eo ivelan’ny efitra fisakafoanana sy ny efitrano fivoriana. Mampiasa masinina manokana izy ireo mba hibatana an’ireo fitaratra.

10 Desambra 2018—Trano misy an’ireo birao

Misy kabla 50 kilaometatra eo ho eo ao ambanin’ny gorodona amin’ny rihana tsirairay amin’ny trano misy an’ireo birao. Misy rihana telo ilay trano, ary nampiakarina kely ny gorodona mba ho kely kokoa ny asa mila atao raha mila ovana ny paozin’ireo birao any aoriana any.

26 Desambra 2018—Trano fonenana A

Ekipa mpamonjy voina manao fanazaran-tena, mamonjy olona iray nianjera avy teo amin’ny esafôdazy dia mihantona amin’ilay karazana tady fiarovana nanaovany.

8 Janoary 2019—Trano misy an’ireo birao

Mpiasa iray manamarina ny haavon’ny lalan-kely iray, alohan’ny hametrahana rarivato eo amin’ilay izy. Misy masinina iray mihady manaraka ny sisin’ilay lalana mba hambolena hazo.

9 Janoary 2019—Trano misy ny sampan’asa samihafa

Jerena avy eny ambony. Nasiana fitaovana mamadika ny taratry ny masoandro ho herinaratra ny tafon’ny trano misy ny famokarana video, sy ny tafon’ny trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa, ary ny tafon’ny trano misy ny birao.

17 Janoary 2019—Trano misy an’ireo birao

Mpiasa iray mametraka karô vita amin’ny vatosokay eo amin’ny fidirana mankao amin’ny rihana fahatelo. Manasaraka an’ilay karô amin’ny simenitra ao ambaniny ilay zavatra miloko volom-boasary, sady miaro azy tsy hitresaka raha sanatria mihetsika ilay simenitra.

21 Janoary 2019—Toerana fametrahana an’izay ilaina mandritra ny fanorenana

Mpiasa maka ny sakafo antoandrony sy mihinana an’izany ao amin’ny efitra fisakafoanana vonjimaika. Intelo ry zareo ao no mandroso sakafo ho an’ny mpiasa, mba hahafahany mizara sakafo 1 000 latsaka kely isan’andro.

30 Janoary 2019—Trano misy an’ireo birao

Kamiao be mitatitra zavatra, ao ambadik’ilay trano misy an’ireo birao. Eo ankavanana: Nasiana karazana fiarovana eo amin’ireo andry eo amin’ny efitra fisakafoana sy ny efitrano fivoriana, mba hahazoana alokaloka rehefa midina ambany ny masoandro amin’ny ririnina.

30 Janoary 2019—Trano misy an’ireo birao

Mpiasa mametraka môkety, miaraka amin’ny mpiasa an-tsitrapo nandray anjara tamin’ilay fandaharana manokana natao tamin’izany. Nasaina nandefa mpiasa an-tsitrapo hiasa indray andro ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Grande-Bretagne sy Irlandy. Vavolombelona 5 500 mahery no efa nandray anjara tamin’io fandaharana io, hatramin’ny faran’ny volana Febroary.

12 Febroary 2019—Trano misy ny sampan’asan’ny fikojakojana sy ny sampan’asa hafa

Mpiasa manangana rindrina avo be eo afovoan’ilay trano mba hizarana an’ilay izy. Mampiasa masinina manokana izy ireo ho solona tohatra, ka ireo zavatra ivaiva miloko volondaoranjy, natao eny amin’ny tany, no mamaritra ny lalana tsy mampidi-doza azon’ireo masinina handehanana.

20 Febroary 2019—Trano misy an’ireo birao

Ao amin’ny fandraisana olona. Mpiasa mamafa an’ilay toerana mba hadio tsara mandritra ny fotoana ametahana ny gorodona. Nampiakarina ambony kokoa ilay gorodona.