Hijery ny anatiny

Mahay Mamonjy Trano May Daholo ry Zareo!

Mahay Mamonjy Trano May Daholo ry Zareo!

Nisakafo tao amin’ny rafozany i Sandra sy Thomas vadiny, indray maraina, dia nahita lelafo avy tao amin’ny tranokely teo akaiky teo. Hoy i Sandra: “Oay! Misy zavatra mirehitra io!” Lasa haingana izy naka fitaovana famonoana afo (extincteur), fa i Thomas kosa nihazakazaka nijery hoe inona no nahatonga an’ilay izy. Tonga dia nomen’i Sandra an’i Thomas ilay fitaovana, dia novonoiny ilay afo. Hoy i Sandra: “Soa ihany izahay fa tsy niandriandry, fa raha tsy izany dia kila forehitra ilay tranokely!”

Tsy natahotahotra izy mivady fa tonga dia nanao zavatra. Nahoana? Satria efa nampianarina daholo ry zareo tany am-piasana hoe ahoana no hatao raha sendra misy hain-trano. Mpiasa 1 000 eo ho eo ry zareo no miasa ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Selters, any Alemaina.

Mirefy 30 hektara ny toerana misy an’ilay biraon’ny sampana any Selters. Tsy birao ihany no ao fa misy trano fonenana, trano fanasan-damba, fanaovana pirinty, ary trano fiasana hafa maromaro. Samy misy zavatra mora mirehitra anefa ao amin’ireo. Nanao fandaharana àry ny Sampan-draharahan’ny Aro Loza sy ny Tontolo Manodidina, ao amin’ilay sampana, hoe hampianarina hamono afo sady hahay hiaro tena daholo ny mpiasa ao, sao sendra misy hain-trano. Miara-manao fanazaran-tena amin’ny mpamono afo any amin’ny tanànan’i Selters aloha ny Ekipa Mpamonjy Voina ao amin’ilay sampana. Dia avy eo ny mpiasa rehetra manao an’ireto:

  • Mizatra hoe aiza no mivoaka raha sendra misy hain-trano.

  • Mianatra hoe inona avy no atao mba ho voaro rehefa misy hain-trano.

  • Mianatra mamono afo haingana dieny mbola tsy mitatra ilay izy.

Lasa hain’ireo mpiasa an-tsitrapo àry hoe inona no ilaina hatao rehefa sendra hain-trano.

Mizatra mamono afo sady mianatra miaro tena

Sady mianatra mamono afo no mianatra miaro tena ry zareo. Tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra i Christin no nianatra namono afo farany. Hoy izy rehefa avy niofana tao amin’ny sampana: “Tonga dia nalaiko ilay fitaovana famonoana afo, dia nesoriko ny hidiny. Nojereko avy eo hoe nitsoka nankaiza ny rivotra, dia niezaka niala an’iny aho rehefa nanatona an’ilay afo. Raha tsy izay mantsy, dia hankatỳ amiko daholo ilay afo, dia ho may ny tarehiko. Izaho ihany avy eo dia nahafaty an’ilay izy. Efa haiko koa izao ny mamono afo miaraka amin’ny ekipa misy olona efatra na dimy.”

Notendrena hampiofana an’ireo mpiasa an-tsitrapo mba hahay hamono afo i Daniel. Hoy izy: ‘Tsy dia matahotra be intsony ianao, rehefa manao fanazaran-tena foana. Matetika mantsy ny olona no tsy mahahetsika sady matahotra be rehefa misy zavatra mirehitra, satria tsy hitany izay hatao. Tsy hainy koa hoe ahoana no fampiasa fitaovana famonoana afo. Raha mahay an’ireo anefa izy, dia ho fatiny haingana ilay afo dieny mbola tsy mitatra be. Ianaran-dry zareo tsara àry hoe ahoana no fampiasa an’ilay fitaovana, dia ahoana no famonoana afo. Lasa matoky tena ry zareo amin’izay, dia tonga dia sahy manao zavatra rehefa ilaina izany.”

Nody ventiny ny rano nantsakaina

Faly daholo izay nandray anjara tamin’ilay fiofanana. Hoy ihany i Christin: “Sambany aho vao nampiasa fitaovana famonoana afo. Tokony hampiofanina hoatran’iny daholo ny olona.” Hoy koa i Nadja, izay miasa tapa-potoana ao amin’ny sampana sady miasa any amin’ny seranam-piaramanidina: “Efa folo taona aho izao no nianatra namono afo tany amin’ny seranam-piaramanidina. Teoria fotsiny anefa ny lesonay, fa tatỳ amin’ny sampana aho vao nampihatra an’ilay izy. Matoky tena kokoa aho izao, satria efa haiko hoe ahoana no hatao raha sanatria misy loza.”

Nilaza i Sandra fa ilay fiofanana nataony tany amin’ny biraon’ny sampana no nahaizany namono an’ilay afo tany amin’ny rafozany. Hoy izy: “Tsy dia matahotra be intsony aho izao rehefa mampiasa fitaovana famonoana afo. Tena tsara ilay hoe miofana foana isan-taona, satria manampy be ilay izy.”

Fanazaran-tena miaraka amin’ny mpamono afo

Manao fanazaran-tena any amin’ny biraon’ny sampana foana ny mpamono afo any amin’ny tanànan’i Selters. Hoy i Theo Neckermann, lehiben’izy ireo: “Izahay no miandraikitra ny kaominina ambanivohitr’i Selters. Tranon’olon-tsotra na trano tsy dia ngeza matetika no vonjenay. Ity anareo ity anefa midadasika be sady be trano. Goavana be koa ny asa atao ato. Tena ilana fahaizana be àry ny mamonjy voina ato aminareo. Dia zaranay aza izahay mba manao fanazaran-tena ato.”

Mianatra mamonjy aina sy mamono afo miaraka amin’ireo mpamono afo ireo ny Ekipa Mpamonjy Voina ao amin’ny biraon’ny sampan’i Selters. Zato mahery ry zareo no ao amin’io ekipa io. Hoy ihany Atoa Neckermann: “Tena miaiky ny ekipanareo mihitsy aho! Tsy ho nandeha tsara ireny fanazaran-tena ireny raha tsy nanampy sy nanoro anay an’izay tokony hatao ry zareo.”

Mpamono afo mampiseho hoe mampidi-doza raha tondrahana rano ny menaka mirehitra

Tena hita hoe mahay mampihatra an’izay nianarany ilay Ekipa Mpamonjy Voina, rehefa jerena izay nitranga indray hariva izay, tamin’ny Febroary 2014. Feno setroka tampoka mantsy tao amin’ny trano fonenana iray, tao amin’ny sampana. Hoy i Daniel, ilay noresahina tetsy aloha: “Natevina be ilay setroka, ka na ny zavatra teo ambany masonay aza tsy hitanay intsony. Tonga dia nantsoinay ny mpamono afo sady nasainay nivoaka daholo ny olona. Efa tafavoaka daholo ny olona, tamin-dry zareo tonga nefa efitra 88 be izao no tao amin’ilay trano.” Hoy Atoa Neckermann: “Hoatran’ny ahoana re raha tranobe tany an-tanàn-dehibe hoatran’i Frankfurt no nisy an’iny e? Tsy ho tafavoakanay haingana be hoatran’iny nataonareo iny aloha ny olona e! Manaraka toromarika be daholo ianareo. Tsisy hoatran’ny ekipanareo mihitsy e!” Hita ihany tamin’ny farany hoe inona no nahatonga an’ilay afo, dia nesorina ilay izy. Tsy nisy naratra koa, sady tsy nisy zavatra simba be.

Manantena ny mpiasa rehetra ao amin’ny sampan’i Selters fa tsy hisy hain-trano mahatsiravina hitranga ao. Raha sanatria misy anefa izany, dia efa vonona ry zareo satria efa mahay mamonjy trano may daholo.