Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 9

Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?

Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?

1. Nahoana ny mpivady no tokony hisoratra?

Manana vaovao tsara ho an’ny fianakaviana i Jehovah. Andriamanitra falifaly mantsy izy, ka tiany ho faly amin’ny fiainana ny mpianakavy. (1 Timoty 1:11) Izy rahateo no namorona ny fanambadiana. Tena mila misoratra ny mpivady mba hifampatoky tsara sy hifandray am-po, ary ny zanak’izy ireo koa ho voaro sy hahatsapa hoe tena tiana. Manaja ny lalàn’ny taniny ny Kristianina, ka misoratra ara-panjakana rehefa hanambady. (Lioka 2:1, 4, 5).

Amin’Andriamanitra, dia tsy zavatra maivan-danja ny fanambadiana fa tokony haharitra mandrakizay. I Jehovah mihitsy no mandidy ny Kristianina mba tsy hivadika amin’ny vadiny. (Hebreo 13:4) Tena tsy tiany raha misaraka ny mpivady. (Malakia 2:16) Avelany hisaraka ihany anefa ny Kristianina, raha nijangajanga ny vadiny. Afaka manambady olon-kafa izy amin’izay raha tiany.—Vakio ny Matio 19:3-6, 9.

2. Ahoana no tokony ho fifandraisan’ny mpivady?

Nataon’i Jehovah hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, ary samy manana ny andraikiny. (Genesisy 2:18) Ny lehilahy no loham-pianakaviana. Izy no tena tokony hamelona ny ankohonany, sy hampianatra azy ireo ny Tenin’Andriamanitra. Tokony ho tia ny vadiny sy hahafoy tena ho azy izy. Mila mifankatia sy mifanaja ny mpivady. Samy manao fahadisoana izy ireo, ka tokony hifamela. Izany no tena mahasambatra ny tokantrano.—Vakio ny Efesianina 4:31, 32; 5:22-25, 33; 1 Petera 3:7.

3. Mety ve ny misaraka rehefa tsy mifanaraka?

Vao mainka tokony hiezaka hifaneho fitiavana ny mpivady, rehefa misy olana. (1 Korintianina 13:4, 5) Na eo aza ireo zava-manahirana mpitranga ao an-tokantrano, dia tsy mampirisika ny mpivady hisaraka mihitsy ny Baiboly. Tsy vahaolana mihitsy izany!—Vakio ny 1 Korintianina 7:10-13.

4. Tian’i Jehovah hanao ahoana ianareo ankizy?

Tiany ho sambatra ianareo. Omeny torohevitra tena tsara ianareo mba tena hahafinaritra ny fahatanoranareo. Tiany hankatò ray aman-dreny koa ianareo, satria hendry kokoa izy ireo sady efa nahita fiainana. (Kolosianina 3:20) Tian’i Jehovah ho tsapanareo hoe mahafaly ny manompo azy sy mampihatra izay nampianarin’ny Zanany.—Vakio ny Mpitoriteny 11:9–12:1; Matio 19:13-15; 21:15, 16.

5. Inona no andraikitrareo ray aman-dreny?

Mila miasa mafy ianareo, mba hanomezana sakafo sy trano ipetrahana ary akanjo ho an’ny zanakareo. (1 Timoty 5:8) Tsy ho sambatra anefa ny zanakareo raha tsy ampianarinareo ho tia an’i Jehovah sy hanahaka azy. (Efesianina 6:4) Tena mandaitra koa ny modely omenareo. Raha hitan’izy ireo hoe tia an’Andriamanitra ianareo, dia hanohina ny fony izany. Hanana toe-tsaina tsara izy, raha ampianarinareo ny Tenin’Andriamanitra.—Vakio ny Deoteronomia 6:4-7; Ohabolana 22:6.

Mila ampirisihina hanao ny tsara ny ankizy, ary deraina rehefa nahavita zavatra. Mila anarina sy ahitsy koa anefa izy ireo. Miaro azy izany mba tsy hanao hadalana ka hiharan’ny voka-dratsiny. (Ohabolana 22:15) Tsy tokony hasiaka loatra anefa ianareo rehefa manasazy.—Vakio ny Kolosianina 3:21.

Mamoaka boky maro misy torohevitra ara-baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana ny ray aman-dreny sy ny zanaka.—Vakio ny Salamo 19:7, 11.