Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 3

Tena avy Amin’Andriamanitra ve ny Vaovao Tsara ao Amin’ny Baiboly?

Tena avy Amin’Andriamanitra ve ny Vaovao Tsara ao Amin’ny Baiboly?

1. Avy amin’iza ny Baiboly?

Voasoratra ao amin’ny Baiboly ilay vaovao tsara hoe hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona. (Salamo 37:29) Misy boky kely 66 ao amin’ny Baiboly. Lehilahy nanam-pinoana 40 teo ho eo no nasain’Andriamanitra nanoratra an’ireo. I Mosesy no nanoratra ireo boky dimy voalohany, tokotokony ho 3 500 taona lasa izay. Ny apostoly Jaona kosa no nanoratra ilay boky farany, efa 1 900 taona mahery izay. Hevitr’iza no nosoratan’ireo mpanoratra Baiboly? Ny hevitr’Andriamanitra fa tsy ny hevitr’izy ireo manokana. Nahazo fanahy masina mantsy izy ireo. (2 Samoela 23:2) Avy amin’i Jehovah àry ny Baiboly.—Vakio ny 2 Timoty 3:16; 2 Petera 1:20, 21.

Jereo ilay video hoe Avy Amin’iza ny Baiboly?

2. Tena marina ve izay lazain’ny Baiboly?

Milaza zavatra mbola ho avy ny Baiboly, sady amin’ny an-tsipiriany mihitsy. (Josoa 23:14) Tsy maintsy ho avy amin’Andriamanitra àry izy io, satria tsy misy olona mahavita an’izany. Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ihany no afaka mamantatra ny hoavy.—Vakio ny Isaia 42:9; 46:10.

Inona no mampiavaka ny Baiboly? Misy amin’ny fiteny an-jatony ny Baiboly feno, sady an’arivony tapitrisa no efa vita pirinty. Mifanaraka amin’ny siansa izy io na dia efa tranainy aza. Tsy mifanohitra koa izay voalaza ao, nefa olona 40 no nanoratra azy io. * Mampiharihary ny fitiavan’Andriamanitra koa ny Baiboly, ary manan-kery satria afaka manova olona. Tsy mitovy amin’ny boky hafa tokoa ny Baiboly. Olona an-tapitrisany àry no resy lahatra hoe Tenin’Andriamanitra izy io!—Vakio ny 1 Tesalonianina 2:13.

Jereo ilay video hoe Tena Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly?

3. Inona no resahin’ny Baiboly?

Manana fikasana tsara ho an’ny olombelona Andriamanitra. Izany vaovao tsara izany no tena resahin’ny Baiboly. Hazavainy fa nisy paradisa taloha, saingy tsy nahazo nipetraka tao intsony ny olona. Voalaza ao koa anefa fa mbola ho lasa paradisa ny tany.—Vakio ny Apokalypsy 21:4, 5.

Ankoatra izany, dia misy torohevitra sy lalàna ary toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tantaraina ao koa ny fomba nifandraisan’i Jehovah tamin’ny olona, ka hita amin’izany ny toetrany. Tena hanampy anao hahalala an’Andriamanitra àry ny Baiboly. Hazavainy koa izay tokony hataonao mba ho lasa naman’i Jehovah.—Vakio ny Salamo 19:7, 11; Jakoba 2:23; 4:8.

4. Ahoana no hahazoanao ny hevitry ny Baiboly?

Hanampy anao ity bokikely ity satria ny fomba fampianatr’i Jesosy no arahina ato. Nanonona andinin-teny maro izy, mba hanazavana “ny hevitry ny Soratra Masina.”—Vakio ny Lioka 24:27, 45.

Tena miavaka ilay vaovao tsara avy amin’Andriamanitra. Tsy liana amin’izy io anefa ny olona sasany, ary misy aza tsy tia mihitsy. Aza kivy anefa. Mila mianatra momba an’Andriamanitra ianao, mba hahazoanao fiainana mandrakizay.—Vakio ny Jaona 17:3.