Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bisikileta Fandranitana Antsy Hoe?

Bisikileta Fandranitana Antsy Hoe?

Bisikileta Fandranitana Antsy Hoe?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY TANZANIA

◼ Jereo ange ilay olona e! Mitaingina bisikileta izy saingy mitodika any aoriana. Mivoy mafy erỳ izy, nefa tsy mihetsika ilay bisikileta! Fa inona no ataony? Mandranitra antsy izy, ary izany no fivelomany. Tena mila azy ny olona ao an-tanàna. Azo inoana fa hahita mpandranitra antsy toa azy ianao, any amin’ny faritra sasany, toy ny eto Afrika Atsinanana.

Toy ny hafa rehetra ihany ny bisikiletany, saingy nasiany fanovana vitsivitsy. Nohamafisiny ilay fitondrana entana, ary nametrahany vato fandranitana vy. Naka irony vy boribory ipetahan’ny pne amin’ny bisikileta irony izy. Nozarainy roa manaraka ny halavany ilay izy, ary notefeny hiraikitra teo amin’ny kodiarana aorian’ny bisikiletany. Napetany teo amin’ilay izy avy eo ny tady nylon, izay manodina ilay vato fandranitana.

Tsy tena fantatra ny fomba nahatongavan’io fandranitana antsy hafakely io teto Afrika. Hoy i Andrea, izay nandranitra antsy tamin’izany fomba izany efa hatramin’ny 1985: “Nisy nilaza tamiko fa efa nampiasaina tany Dar es-Salaam, renivohitr’i Tanzania ireny bisikileta ireny, talohan’ny nahatongavany teto Moshi. Nanjary nampiasaina teto koa izy ireny tamin’ny 1982.”

Inona no atao raha te hahazo bisikileta fandranitana antsy? Hoy i Andrea: ‘Mankany amin’ny mpanefy ianao, ary miangavy azy mba hanova ny bisikileta tsotra iray, ho araka izay tianao.’ Iray na roa andro ilay izy dia vita.

Pitik’afo sy hatsembohana!

Amin’ny fito maraina eo ho eo i Andrea no manomboka miasa. Mitaingina bisikileta mankany amin’ny toerana be olona izy. Miantsoantso toy izao izy rehefa tonga: “Mpandranitra antsy ô! Mpandranitra antsy ô!” Ampanenoiny koa ireo lakolosin’ny bisikiletany. Tsy ela dia misy vehivavy mpikarakara tokantrano mitsirika eo am-baravarankely. Miantso an’i Andrea izy ary manome azy antsy dombo maromaro. Antsibe kosa no entin’ny olona iray hafa, ary hety ny an’ny mpanety. Mandranitra angady sy fandraka ary fitaovana hafa koa i Andrea.

Mijery toerana mahitsy tsara i Andrea rehefa hiasa. Mampidina ny tongotr’ilay bisikiletany izy mba hampiakarana ny kodiarana aoriana. Apetany ilay tady nylon mpanodina vato avy eo. Mipetraka eo amin’ny lasely hafa mitodika any aoriana izy, ary manomboka mivoy. Misidina ny pitik’afo ary mitete ny hatsembohany, rehefa mandranitra fitaovana isan-karazany izy. Amin’ny enina hariva eo ho eo i Andrea no mijanona.

Te hanao ny marina ny “mazoto”, na dia eo aza ny fahasahiranana ara-bola, ka mahay mamoron-kevitra mba hivelomana. (Ohabolana 13:4) Fomba iray ampiasainy ny bisikileta fandranitana antsy.