Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Elatra

Ny Elatra

Nisy Namorona Ve?

Ny Elatra

◼ Iza no mahay manidina kokoa? Ny fiaramanidina ve, sa ny ramanavy sy ny bibikely ary ny vorona? Kely noho ny fiaramanidina ireo biby ireo, nefa mahagaga fa mahay lavitra. Hoy i Wei Shyy, mpahay siansa mampianatra any amin’ny Oniversiten’i Michigan: ‘Mahavita manidina foana ireo biby ireo, na dia sendra tafio-drivotra na orana na lanezy aza.’ * Nahoana? Satria afaka mikopakopaka ny elany. Efa ela ny olona no te haka tahaka azy ireo, ka nanandrana nanidina koa.

Diniho izao: Rehefa manidina ny vorona na bibikely sasany, dia amboariny foana ny elany arakaraka ny zava-mitranga. Afaka mihevaheva fotsiny eny àry izy, na mivily tampoka na midina haingana. Hoy ny gazety Vaovao Siantifika (anglisy) momba ny ramanavy: ‘Rehefa manidina moramora izy (1,5 metatra isan-tsegondra eo ho eo), dia avadiny ny elany ary akopany haingana any aoriana isaky ny ampiakariny. Lazain’ny mpahay siansa fa io no mahatonga ny ramanavy tsy hilatsaka, sady manosika azy hankany aloha.’

Mbola betsaka anefa ny zavatra tsy fantatra momba ny biby manan’elatra. Hoy i Peter Ifju, mpahay siansa mampianatra any amin’ny Oniversiten’i Floride: ‘Mbola tsy tena fantatra hoe inona no ataony eny amin’ny rivotra eny, ka ahavitany manidina tsara toy ireny. Maro ny zavatra mbola tsy mazava. Ohatra hoe manao ahoana ny fivezivezen’ny rivotra manodidina azy, ary ahoana no anoherany azy io. Hitantsika ny fomba fanidin’ny [vorona sy ny bibikely], saingy tsy haintsika hoe nahoana izy no manao izany.’

Ahoana no hevitrao? Nisy ho azy ve sa nisy namorona ny elatra, izay azon’ny vorona ampiasaina araka izay ilany azy?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tsy ny vorona rehetra no mahavita manidina rehefa avy ny orana. Mitady fialofana ny ankamaroany.

[Sary, pejy 24]

Kolibria lava vava

[Sary nahazoan-dalana]

Laurie Excell/Fogstock/ age fotostock

[Sary, pejy 24]

Ramanavy manana sofina toy ny an’ny totozy

[Sary nahazoan-dalana]

© Delpho, M/age fotostock