Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Mbola Hihatsara ve ny Fiainan’ireo Tsy Manan-kialofana?

Mbola Hihatsara ve ny Fiainan’ireo Tsy Manan-kialofana?

Mipetraka any Etazonia i Joe, ary miaramila izy taloha. Tsy nanan-kialofana izy nandritra ny 18 taona teo ho eo, satria nisy loza nahazo azy sy ny fianakaviany. Nisy fotoana izy lasa tia nankany amin’ny trano famakiam-boky iray. Tafaresaka tamin’ny vehivavy iray niasa tao izy indraindray, ary nanova ny fiainany ny resak’izy ireo.

Nahatsapa hoe mila an’Andriamanitra i Martín, tovolahy iray any Arzantina. Toa tsy nisy dikany mantsy ny fahitany ny fiainana. Te hahalala ny antony namoronana ny olona izy, ka niala tao an-tranony ary nifindra teny amoron-dranomasina. Tsy nahita ny valim-panontaniany anefa izy ka vao mainka kivy. Nitomany izy sady nivavaka hoe: ‘Andriamanitra ô! Raha tena misy ianao dia mba ampio hahafantatra anao aho.’ Ho hitanao ato izay nitranga.

MARO ny antony mahatonga ny olona tsy hanan-kialofana. Misy tratran’ny loza, toa an’i Joe. Ny hafa indray leo ka te hiala amin’ny fiainana mahazatra, toa an’i Martín. Betsaka anefa no lasa tsy manan-trano satria mahantra, iharan’ny herisetra ao an-tokantrano, andevozin’ny zava-mahadomelina sy toaka, marary saina, tsy mahatakatra hofan-trano, very asa, na noho ny hetraketraky ny natiora.

Noheverina fa ny tany an-dalam-pandrosoana, na ny tany misy ady na olana ara-toe-karena, ihany no misy olona tsy manan-kialofana. Nilaza anefa i Paul Toro, mpampianatra psikolojia, fa lasa “olana lehibe any amin’ny tany mandroso” koa izy io. * Inona no anisan’ny mahatonga an’izany? Tsy tena manampy ny sahirana ny fanjakana. Misy elanelana be koa ny karama raisin’ny olona.

Maro no manahy momba ny hoavy. Misy anefa nandinika an’izay lazain’ny Baiboly, ka lasa tsy dia nanahy intsony. Horesahintsika ato hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny hoavy. Afaka manampy antsika dieny izao koa anefa ny Baiboly. Misy toro lalana manatsara ny fari-piainantsika sy manampy antsika tsy ho kivy mantsy ao. Nahatsapa an’izany i Joe sy Martín.

NANOVA AZY NY BAIBOLY

Hoy i Cindi, ilay vehivavy niasa tao amin’ilay trano famakiam-boky falehan’i Joe: “Marani-tsaina i Joe, sady mahalala fomba sy manetry tena.” Vavolombelon’i Jehovah i Cindi, ka nomeny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! i Joe sady nasainy hanatrika ny fivorian’izy ireo. Tsara fanahy sy nanaja azy ny olona tany, ka tonga foana izy. Nanaiky koa i Joe rehefa nanasa azy hianatra Baiboly ny lehilahy iray tany amin’ilay fivoriana.

Nahatsapa ho misy vidiny i Joe rehefa nianatra Baiboly

Tena nampahery an’i Joe ny zavatra nianarany. Nanomboka nampihatra an’izay ampianarin’ny Baiboly àry izy, na dia tsy maintsy nanao fiovana lehibe aza. Nianarany, ohatra, fa fanomezan’Andriamanitra ny aina, ka tokony hohajaina. (Salamo 36:9) Mandoto ny vatana koa ny sigara. Tsy nifoka intsony àry izy, satria nanaraka ny toro lalana ao amin’ny 2 Korintianina 7:1 hoe: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo.” Lasa salama i Joe sady tsy lanilany foana ny volany.

Mampirisika antsika hamelon-tena ny Baiboly. (1 Tesalonianina 4:11, 12) Nandray am-po an’izany i Joe ka nitady asa. * Hoy ny Mpitoriteny 2:24: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana, sy misotro, ary mifaly noho ny asa mafy ataony.” Faly isika rehefa miasa satria mahatsapa ho misy vidiny. Afaka manampy an’ireo sahirana koa isika.—Efesianina 4:28.

Hoy i Cindi momba an’i Joe: “Tsy nihafahafa taminy ny fiangonana” satria tsotra be izy. “Nisy aza nanampy azy hahita trano sy hahazo zavatra hafa koa.” Nampihatra izay nianarany foana i Joe ary natao batisa, tatỳ aoriana, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mitantara ny zavatra niainany izy izao, rehefa mampirisika ny hafa hitady fahendrena ao amin’ny Baiboly.—Ohabolana 3:13, 14.

SAMBATRA IZY IZAO

Nanomboka nieritreritra i Martín, tamin’izy 20 taona, hoe inona no antony namoronana ny olona. Hoy izy: “Nikaroka momba ny fivavahana sy ny filozofia aho, sady nampiasa zava-mahadomelina. Nihevitra aho hoe hameno ny banga tato anatiko izany, nefa tsy izay akory no nitranga.” Nipetraka tany Kalifornia, any Etazonia, izy ary avy eo nifindra tany Hawaii. Hoy izy: “Nieritreritra aho hoe tonga tany amin’ny paradisa.” Mbola tsy afa-po ihany anefa i Martín. Hoy indray izy: “Kivy be aho ka efa saika hamono tena.” Tamin’izay i Martín no nitomany be sy nivavaka hoe: ‘Andriamanitra ô! Raha tena misy ianao dia mba ampio hahafantatra anao aho.’

Niova izao ny fahitan’i Martín ny fiainana

Tadidin’i Martín fa nisy fotoana izy nahita soratra hoe “Vavolombelon’i Jehovah—Efitranon’ny Fanjakan’Andriamanitra.” Tapa-kevitra ny hanatrika fivoriana tao izy. Hoy izy: “Lava volo sy be volombava aho tamin’izay, ary efa tsy nisolo akanjo nandritra ny volana maro. Nandray ahy tsara anefa ny olona.” Nanaiky hianatra Baiboly i Martín. Nandeha an-tongotra avy tany amin’ilay trano bongo nisy azy teny amoron-dranomasina izy, mba hianatra tany amin’ny zaridainam-panjakana.

Ela ny ela ka nahazo valiny mahafa-po tamin’ny fanontaniany i Martín. Tsy kivy be intsony izy, ary tsapany hoe tanteraka taminy ity tenin’i Jesosy ity: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

‘Niova aho ka gaga be ny olona’

Nampiharin’i Martín ireo toro lalan’ny Baiboly nanampy an’i Joe, ka lasa niova ny fahitany ny fiainana. Niezaka nanatsara ny paoziny àry izy. Nanampy azy koa ireo Vavolombelona, ka nahita asa sy trano izy. Hoy izy: “Ilay lehilahy tsy manan-trano no nahalalana ahy, taloha. Niova anefa aho ka gaga be ny olona.”

Niverina tany Arzantina i Martín, tatỳ aoriana, ary natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Faly izy izao satria manana tombontsoa hanampy olon-kafa hahita ny valin’ny fanontaniana manahiran-tsaina azy.

TSY HISY INTSONY NY TSY MANAN-KIALOFANA

Sarotra be ny fiainana tamin’ny andron’i Jeremia, mpanompon’Andriamanitra fahiny. Notafihin’ny fahavalo lozabe ny tanànany, ary lasa babo sy andevo ny ankamaroan’ny mponina tao. (Fitomaniana 1:3) Tsy maty i Jeremia, saingy very daholo ny fananany. Nalahelo be izy ka nivavaka hoe: “Tsarovy fa ory sy tsy manam-ponenana aho.”—Fitomaniana 3:19.

Tsy nanary toky i Jeremia, na dia nijaly aza. Fantany mantsy fa tsy handao azy mihitsy i Jehovah. (Jeremia 1:8) Nianatra ny Soratra Masina koa izy, ka fantany hoe tsy hisy intsony ny fahantrana sy ny fijaliana amin’ny hoavy. Tena hiadana ny olona amin’izay.—Salamo 37:10, 11.

Tsy ny olombelona no hahavita an’izany fa fitondram-panjakana tonga lafatra iray, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 7:13, 14) I Jesosy Kristy, ilay lehilahy tia nangoraka ny mahantra, no Mpanjakan’izy io. (Lioka 7:22; 14:13) “Hiroborobo ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana” rehefa hanjaka etỳ an-tany izy. “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy. Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”—Salamo 72:7, 12, 14.

“Hanao trano ny olona ka honina ao.”—Isaia 65:21

Ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra no tena nampianarin’i Jesosy. (Lioka 4:43) Nasainy hivavaka mihitsy aza ny olona hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:9, 10) Tena hahafinaritra ny fiainana eto an-tany rehefa hitondra io Fanjakana io. Izao, ohatra, no lazain’ny Baiboly:

  • “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa. ... Hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.”—Isaia 65:21, 22.

  • “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy, fa ny vavan’i Jehovah Tompon’ny tafika no efa niteny.”—Mika 4:4.

Afaka mampahery antsika ireo andininy ireo rehefa manana olana isika. Hanampy antsika hanana fiainana mahafa-po koa ny toro lalan’ny Baiboly dieny izao, toy ny nitranga tamin’i Joe sy Martín ary ny olona maro hafa. Manome toky mantsy i Jehovah, ilay Mpamorona antsika, hoe: “Izay mihaino ahy kosa tsy hanana ahiahy, sady tsy mba hiady saina noho ny fahatahorana loza.” (Ohabolana 1:33) Enga anie ka ho tanteraka aminao ireo teny ireo!

^ feh. 6 Olona an-tapitrisany no voatery nandao ny tranony noho ny ady, herisetra, na fanenjehana, ka lasa mpitsoa-ponenana na mpifindra monina.

^ feh. 11 Misy olona te hiasa saingy tsy afaka satria kilemaina, na marary, na mihantitra. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra anefa ny olona “tsy mety miasa.”—2 Tesalonianina 3:10.