Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Lanitra

Lanitra

Betsaka no manombantombana sy miady hevitra momba ny fiainana any an-danitra. Mifanohitra tanteraka amin’ny zavatra ampianarin’ny Baiboly anefa ny zavatra ampianarina ny olona momba azy io.

Inona no atao hoe lanitra?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Samihafa ny zavatra inoan’ny olona momba ny lanitra sy ny fikasan’Andriamanitra momba azy io. Ireto misy ohatra:

  • Milaza ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) fa any an-danitra no “tena fonenan’ireo maty ao amin’ny Tompo.” Mino an’izany koa ny ankamaroan’ny olona milaza azy ho Kristianina.

  • Nilaza i Bentzion Kravitz, mpitondra fivavahana jiosy, fa izao fiainana izao no ifantohan’ny Jodaisma kokoa noho ny fiainana any ankoatra. Nilaza anefa izy fa “any an-danitra ny olona vao tena ho sambatra. Amin’izay izy ireo vao tena hahatakatra ny atao hoe akaiky an’Andriamanitra sady tena hahatsapa an’izany.” Niaiky i Kravitz fa “na dia mino ny fiainana any an-danitra aza ny Fivavahana Jiosy dia tsy miresaka firy momba azy io ny Torah [boky misy ny lalàna jiosy].”

  • Samy mino ny Hindoa sy ny Bodista hoe misy ambaratonga maromaro ny lanitra. Mijanona any vetivety, hono, ny olona ary avy eo ateraka indray etỳ an-tany na mahatratra ny Nirvana, izay tsara kokoa noho ny lanitra.

  • Misy olona mandà izay rehetra ampianarin’ny fivavahana momba ny lanitra, ary milaza fa hevitra adaladala fotsiny izany.

Betsaka no manombantombana momba ny fiainana any an-danitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Misy heviny maromaro ny teny hoe “lanitra” ao amin’ny Baiboly. Ireto misy ohatra:

  • Milaza ny Genesisy 1:20 fa noforonina “hanidintsidina eny ambonin’ny tany, eo amin’ny habakabaky ny lanitra” ny vorona. Manondro ny habakabaka hitan’ny masontsika ilay teny hoe “lanitra” eo.

  • Miresaka momba ny “kintana eny amin’ny lanitra sy ireo antokon-kintana Kesila” ny Isaia 13:10. Manondro ny any ambony tsy taka-maso izy eo.

  • Resahin’ny Baiboly fa fonenan’Andriamanitra ny lanitra ary misy anjely maro any. (1 Mpanjaka 8:30; Matio 18:10) Mariho fa tsy teny an’ohatra fotsiny ilay hoe “lanitra” eo, fa manondro toerana ipetrahana. *

“Mitazàna avy any an-danitra, ary mijere avy eny amin’ny fonenanao avo izay sady masina no tsara tarehy.”Isaia 63:15.

Mankany an-danitra daholo ve ny tsara fanahy?

Tsy ampianarin’ny Baiboly hoe fandalovana fotsiny eto an-tany, ka iandrasantsika fahafatesana mba hahafahantsika hiaina any an-danitra. Resahiny mazava tsara fa tsy anisan’ny fikasan’Andriamanitra ny fahafatesana. Diniho izao:

  • Hoy Andriamanitra tamin’ny mpivady voalohany: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Genesisy 1:28) Natao honenan’ny olona mandrakizay ny tany. Rehefa tsy nankatò ihany ilay lehilahy sy vehivavy voalohany vao ho faty. Mampalahelo fa tsy nankatò izy ireo.—Genesisy 2:17; 3:6.

  • Maty ilay lehilahy voalohany sy ny vadiny satria tsy nankatò. Maty koa ny taranany. (Romanina 5:12) Tsy misy azontsika antenaina intsony ve?

  • Milaza ny Baiboly fa ‘misy lanitra vaovao sy tany vaovao, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ * (2 Petera 3:13) Ny Fanjakany no ampiasain’Andriamanitra mba hamerenana ny tany, araka ny nikasany azy tany am-boalohany. “Tsy hisy fahafatesana intsony” amin’izay. (Apokalypsy 21:3, 4) Fiainana any an-danitra sa eto an-tany no lazaina eo? Matoa resahina hoe ‘tsy hisy intsony’ ny zavatra iray, dia tsy maintsy ho efa nisy ilay izy teo aloha. Mbola tsy nisy fahafatesana mihitsy anefa tany an-danitra. Zavatra hitranga eto an-tany àry no resahin’io andininy io. Natao hiaina eto mantsy isika, ary eto no tena tiantsika hiarahana amin’ireo olona mamin’ny fontsika. Milaza koa ny Baiboly fa hatsangana ny maty, ka ho tafaraka indray amin’ny havany.—Jaona 5:28, 29.

Maro no faly rehefa nahalala an’izay tena ampianarin’ny Baiboly momba ny lanitra. Hoy, ohatra, i George, izay Katolika taloha: “Nampahery ahy ny nahalala ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fiainana mandrakizay eto an-tany. Mitombina kokoa noho ilay hoe mankany an-danitra izany.” *

“Ny lanitra dia an’i Jehovah, fa ny tany kosa nomeny ho an’ny zanak’olombelona.”Salamo 115:16.

^ feh. 13 Mazava ho azy fa fanahy Andriamanitra. (Jaona 4:24) Tsy eny amin’ny habakabaka tazan’ny masontsika àry no misy azy fa any amin’ny faritra tsy hita maso.

^ feh. 19 Tsy tany ara-bakiteny ilay hoe “tany vaovao” fa teny an’ohatra ilazana fitambaran’olona miaina eto an-tany, izay ankasitrahan’Andriamanitra.—Genesisy 11:1.

^ feh. 20 Milaza ny Baiboly fa olona 144 000 ihany no hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra.—1 Petera 1:3, 4; Apokalypsy 14:1.