Genesisy 1:1-31

  • Famoronana ny lanitra sy ny tany (1, 2)

  • Enina andro nanomanana ny tany (3-31)

    • Andro 1: Ny mazava; andro sy alina (3-5)

    • Andro 2: Habakabaka (6-8)

    • Andro 3: Faritra maina sy zavamaniry (9-13)

    • Andro 4: Zavatra manome hazavana eny amin’ny lanitra (14-19)

    • Andro 5: Trondro sy vorona (20-23)

    • Andro 6: Biby an-tanety sy olombelona (24-31)

1  Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.+  Tsy nisy endriny ny tany tamin’izany sady tsy nisy na inona na inona, ary maizina be teny ambonin’ny rano lalina.*+ Ary nivezivezy teny ambonin’ny rano+ ny hery ampiasain’Andriamanitra.*+  Ary niteny Andriamanitra hoe: “Aoka hisy ny mazava.” Dia nisy ny mazava.+  Taorian’izany dia hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava. Ary nataon’Andriamanitra nisaraka tamin’ny maizina ny mazava.  Nantsoin’Andriamanitra hoe Andro ny mazava, fa Alina+ kosa ny maizina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro voalohany izany.  Ary hoy Andriamanitra: “Aoka hisy habakabaka+ eo anelanelan’ny rano, dia aoka hisaraka ny rano ambony sy ny rano ambany.”+  Dia nanomboka nanao ny habakabaka Andriamanitra. Nosarahiny ny rano teo ambanin’ilay habakabaka sy ny rano teo ambonin’ilay habakabaka.+ Dia nisy izany.  Nantsoin’Andriamanitra hoe Lanitra ilay habakabaka. Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro faharoa izany.  Ary hoy Andriamanitra: “Aoka hiangona eo amin’ny toerana iray ny rano eny ambanin’ny lanitra, ary aoka hipoitra ny faritra maina.”+ Dia nisy izany. 10  Nantsoin’Andriamanitra hoe Tany ilay faritra maina,+ fa Ranomasina+ kosa ny rano niangona. Dia hitan’Andriamanitra fa tsara+ izany. 11  Hoy koa Andriamanitra: “Aoka ny tany hampitsiry ahitra, sy zavamaniry misy voa famboly, ary hazo fihinam-boa araka ny karazany avy, izany hoe hazo mamokatra voankazo misy voany.” Dia nisy izany. 12  Dia nanomboka naniry teo amin’ny tany ny ahitra, sy ny zavamaniry misy voa famboly,+ ary ny hazo mamokatra voankazo misy voany, araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. 13  Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahatelo izany. 14  Ary hoy Andriamanitra: “Aoka hisy zavatra manome hazavana*+ eny amin’ny habakabaka* mba hampisaraka ny andro sy ny alina.+ Ho famantarana ny fizaran-taona sy ny andro ary ny taona ireny.+ 15  Hanome hazavana eny amin’ny habakabaka* ireny, mba hanazava ny tany.” Dia nisy izany. 16  Dia nanomboka nanao an’ireo zavatra roa lehibe manome hazavana Andriamanitra, ka ilay lehibe kokoa hanjaka amin’ny andro,+ ary ilay kely kokoa hanjaka amin’ny alina. Nanao ny kintana+ koa izy. 17  Nataon’Andriamanitra eny amin’ny habakabaka* ireny mba hanazava ny tany, 18  sy hanjaka amin’ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina.+ Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. 19  Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahefatra izany. 20  Hoy koa Andriamanitra: “Aoka hisy zavamananaina be dia be ao anaty rano, ary aoka hisy biby manidina hanidintsidina eny ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaka.”*+ 21  Dia namorona ny biby ngezabe any an-dranomasina Andriamanitra. Namorona ny zavamananaina rehetra mifamezivezy sy mifanaretsaka ao anaty rano koa izy. Nataony samy araka ny karazany avy ireny. Namorona ny biby manidina manana elatra rehetra koa izy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. 22  Dia nitso-drano an’ireny Andriamanitra hoe: “Manàna taranaka, dia mihabetsaha ka mamenoa ny ranomasina.+ Aoka ho feno biby manidina eny ambonin’ny tany.” 23  Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahadimy izany. 24  Ary hoy Andriamanitra: “Aoka ny tany hamoaka zavamananaina araka ny karazany avy, izany hoe biby fiompy sy biby mandady* ary bibidia, samy araka ny karazany avy.”+ Dia nisy izany. 25  Dia nanomboka nanao ny bibidia eny ambonin’ny tany Andriamanitra, ka nataony araka ny karazany avy ireny. Nanao ny biby fiompy araka ny karazany avy koa izy, sady nanao ny biby rehetra mandady amin’ny tany araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. 26  Hoy koa Andriamanitra: “Andao isika+ hanao olona mitovy endrika+ amintsika, misy itovizana amintsika.+ Ary aoka izy ireo hanjaka amin’ny trondro any an-dranomasina, sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra, sy ny biby fiompy, sy ny tany manontolo, ary ny biby mandady rehetra mifamezivezy eny ambonin’ny tany.”+ 27  Dia namorona ny olona hitovy endrika aminy Andriamanitra. Nataony mitovy endrika aminy ny olona rehefa noforoniny. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.+ 28  Nitso-drano azy ireo koa Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: “Miteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany.+ Anjakao ny tany,+ ary anjakao+ koa ny trondro any an-dranomasina, sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra, ary ny zavamananaina rehetra mifamezivezy eny ambonin’ny tany.” 29  Ary hoy Andriamanitra: “Efa nomeko anareo ny zavamaniry misy voa famboly rehetra eny ambonin’ny tany manontolo, sy ny hazo rehetra mamokatra voankazo misy voany. Ataovy sakafonareo ireny.+ 30  Ny zava-maitso rehetra indray efa nomeko ho sakafon’ny+ bibidia rehetra eny ambonin’ny tany, sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra, ary ny zavamananaina hafa rehetra mifamezivezy eny ambonin’ny tany.” Dia nitranga izany. 31  Taorian’izany, dia nijery an’izay rehetra nataony Andriamanitra, ka hitany fa tena tsara+ izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahenina izany.

Fanamarihana

Na: “rano manonja be.”
Na: “ny fanahin’Andriamanitra.”
Abt: “habakabaky ny lanitra.”
Na: “hisy hazavana.”
Abt: “habakabaky ny lanitra.”
Abt: “habakabaky ny lanitra.”
Abt: “habakabaky ny lanitra.”
Mety ho anisan’izany ny bibilava, androngo, biby hoatran’ny totozy, kankana, ary bibikely.