Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamaly Soa An’izay Mitady Mafy Azy i Jehovah

Mamaly Soa An’izay Mitady Mafy Azy i Jehovah

“Izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.”​—HEB. 11:6.

HIRA: 85, 134

1, 2. a) Inona no ifandraisan’ny fitiavana sy ny finoana? b) Inona ny fanontaniana hodinihintsika ato?

TIA an’i Jehovah isika “satria izy no tia antsika voalohany.” (1 Jaona 4:19) Tena tiany ny mpanompony tsy mivadika ka omeny fitahiana. Rehefa mitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah, dia mitombo koa ny finoantsika. Lasa matoky kokoa isika hoe tena misy izy sady mamaly soa an’izay tiany.​—Vakio ny Hebreo 11:6.

2 Efa toetran’i Jehovah mihitsy ilay hoe mpamaly soa. Tsy tena manam-pinoana isika raha tsy mino tanteraka hoe mamaly soa an’izay mitady mafy azy izy. Ny finoana mantsy dia “fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina.” (Heb. 11:1) Rehefa manam-pinoana ny olona iray, dia miandry ny fitahiana nampanantenain’i Jehovah sady tena matoky hoe hitranga ilay izy. Inona anefa ny soa horaisintsika raha manantena valisoa isika? Inona ny valisoa nomen’i Jehovah ny mpanompony fahiny, ary inona ny valisoa omeny ankehitriny? Handinika an’ireo isika izao.

MAMPANANTENA I JEHOVAH FA HOTAHINY NY MPANOMPONY

3. Inona no ampanantenain’i Jehovah ao amin’ny Malakia 3:10?

3 Amin’i Jehovah dia adidy ny mamaly soa ny mpanompony tsy mivadika. Mampirisika antsika àry izy mba hiezaka hahazo ny fitahiany. Hoy ny Malakia 3:10: “‘Tsapao toetra . . . ange aho e’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘raha tsy hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra, ary handrotsaka fitahiana be dia be ho anareo aho, mihoatra noho izay ilainareo aza.’” Tena mankasitraka an’izany fampanantenan’i Jehovah izany isika, raha manaiky hitsapa toetra azy.

4. Nahoana isika no afaka matoky an’ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33?

4 Nanome toky ny mpianany i Jesosy fa hanampy azy ireo Andriamanitra, raha ataon’izy ireo loha laharana ny Fanjakany. (Vakio ny Matio 6:33.) Sahy nilaza an’izany i Jesosy satria fantany fa tanteraka foana izay lazain’Andriamanitra. (Isaia 55:11) Raha matoky tanteraka an’i Jehovah àry isika, dia tsy maintsy hotanterahiny ilay fampanantenany hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” (Heb. 13:5) Raha mino an’izany isika, dia hino koa hoe tena hanampy antsika i Jehovah rehefa ny Fanjakany sy ny fahamarinany no ataontsika loha laharana.

Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy fa hahazo valisoa izy ireo noho ny zavatra nafoiny (Fehintsoratra 5)

5. Nahoana no mampahery antsika ny tenin’i Jesosy tamin’i Petera?

5 Nanontany an’i Jesosy ny apostoly Petera hoe: “Izahay efa nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao, koa inona no ho azonay?” (Mat. 19:27) Tsy nibedy an’i Petera i Jesosy tamin’izay. Nomeny toky kosa izy sy ny mpianany hafa hoe hahazo valisoa izy ireo noho ny zavatra nafoiny mba hanompoana an’i Jehovah. Hiara-manjaka aminy any an-danitra ireo apostoly tsy mivadika sy ny olon-kafa. Efa mahazo valisoa anefa ny mpanompon’i Jehovah amin’izao. Hoy mantsy i Jesosy: “Izay rehetra efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na ray na reny na zanaka na tany noho ny anarako, dia hahazo be lavitra raha oharina amin’izay nafoiny, ary handova fiainana mandrakizay.” (Mat. 19:29) Afaka matoky ny mpanara-dia an’i Jesosy hoe ho be lavitra noho izay zavatra afoiny ny fitahiana ho azony. Lasa manana ray, reny, rahalahy, anabavy, ary zanaka, ohatra, izy ireo eo anivon’ny fiangonana. Tsy sarobidy lavitra ve izany raha oharina amin’izay rehetra afointsika noho ilay Fanjakana?

“VATOFANTSIKY NY AINTSIKA”

6. Nahoana i Jehovah no mampanantena valisoa ho an’ny mpanompony?

6 Mampanantena i Jehovah fa hanome valisoa antsika, satria fantany fa hanampy antsika hiatrika olana izany. Marina fa efa mahazo fitahiana maro isika ankehitriny. Tsy andrintsika koa anefa ny hahazo fitahiana bebe kokoa amin’ny hoavy. (1 Tim. 4:8) Hahavita tsy hivadika isika, raha mino tanteraka fa “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy” i Jehovah.​—Heb. 11:6.

7. Nahoana ny fanantenana no azo oharina amin’ny vatofantsika?

7 Hoy i Jesosy tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra: “Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany no nanenjehany ny mpaminany talohanareo.” (Mat. 5:12) Tsy izay mankany an-danitra ihany anefa no afaka mifaly. Misy koa manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, ary tena mahafaly izany valisoa izany. (Sal. 37:11; Lioka 18:30) Toy ny “vatofantsiky ny aintsika” ny fanantenantsika, na manantena ho any an-danitra isika na manantena hiaina eto an-tany. (Heb. 6:17-20) Mihazona ny sambo tsy hihetsika ny vatofantsika, rehefa misy tafio-drivotra. Hoatr’izany koa ny fanantenana. Rehefa tena mino isika fa hahazo valisoa, dia hilamin-tsaina sy tsy ho kivy ary tsy hihozongozona ny finoantsika. Hanana hery isika ka ho afaka hiaritra an’izay olana mitranga.

8. Nahoana no afaka manampy antsika tsy hitebiteby loatra ny fanantenantsika?

8 Afaka manampy antsika tsy hitebiteby loatra ny fanantenantsika. Toy ny menaka mampitony fanaintainana ny fampanantenan’i Jehovah, ka afaka mampitony ny fontsika rehefa mitebiteby isika. Mampahery ny mahalala hoe ‘hanohana antsika’ i Jehovah, rehefa ‘apetratsika aminy izay manavesatra antsika.’ (Sal. 55:22) Afaka matoky tanteraka isika fa mahavita “manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika” i Jehovah. Mahavita “mihoatra lavitra noho izany mihitsy aza” izy. (Efes. 3:20) Mba eritrereto ange e! Tsy hoe mahavita mihoatra noho izay eritreretintsika fotsiny i Jehovah, fa mahavita “mihoatra lavitra noho izany.”

9. Nahoana isika no afaka matoky fa hitahy antsika i Jehovah?

9 Mila mino tanteraka an’i Jehovah sy mankatò azy isika, raha te hahazo ny valisoantsika. Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: “Hitahy anao tokoa i Jehovah ao amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, sy halainao ho fanananao, raha tena mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka mitandrina tsara izao didy rehetra andidiako anao anio izao. Ary hitahy anao tokoa i Jehovah Andriamanitrao, araka izay nampanantenainy anao.” (Deot. 15:4-6) Tena afaka matoky àry ianao fa hotahin’i Jehovah raha tsy mivadika aminy mihitsy.

NAMALY SOA AZY IREO I JEHOVAH

10, 11. Inona ny valisoa nomen’i Jehovah an’i Josefa?

10 Nosoratana mba hahasoa antsika ny Baiboly. Misy tantara be dia be ao mampiseho hoe namaly soa an’ireo mpanompony tsy nivadika i Jehovah. (Rom. 15:4) Tena miavaka, ohatra, ny tantaran’i Josefa. Namidin’ny rahalahiny ho andevo izy, ary nendrikendrehin’ny vadin’ny tompony rehefa tany Ejipta. Lasa nigadra àry izy. Tafasaraka tamin’i Jehovah ve anefa izy? Tsia! “Nomba an’i Josefa foana” i Jehovah, “sady tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana taminy.” Nataon’i Jehovah nahomby koa izay nataony. (Gen. 39:21-23) Nanam-paharetana i Josefa, ka niandry an’i Jehovah foana rehefa niatrika an’izany rehetra izany.

11 Nafahan’i Farao i Josefa, taona maro tatỳ aoriana. Andevo izy nefa nataon’i Farao mpitondra nanarakaraka azy. (Gen. 41:1, 37-43) Niteraka roa lahy izy sy ny vadiny tatỳ aoriana. “Nataon’i Josefa hoe Manase ny anaran’ny lahimatoa, satria hoy izy: ‘Efa nataon’Andriamanitra izay hanadinoako ny fahoriako rehetra sy ny ankohonan-draiko manontolo.’ Ary nataony hoe Efraima ny anaran’ilay faharoa, satria hoy izy: ‘Efa nomen’Andriamanitra taranaka aho, eto amin’ity tany nahitako fahoriana mafy ity.’” (Gen. 41:51, 52) Tsy nivadika mihitsy i Josefa, ka namaly soa azy i Jehovah. Afaka namonjy an’ireo Israelita sy ny Ejipsianina àry izy, rehefa nisy mosary. Niaiky izy hoe i Jehovah no namaly soa azy sy nitahy azy.​—Gen. 45:5-9.

12. Inona no nanampy an’i Jesosy tsy hivadika mihitsy?

12 Nahazo valisoa koa i Jesosy Kristy, satria nankatò an’i Jehovah foana na dia niatrika olana aza. Inona no nanampy azy tsy hivadika mihitsy? Hoy ny Hebreo 12:2: “Niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra.” Azo antoka fa faly i Jesosy hoe afaka nanamasina ny anaran’Andriamanitra. Inona ny valisoa azony? Nankasitraka azy ny Rainy, ary nanome azy tombontsoa be dia be. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa lasa “nipetraka teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra” izy. ‘Nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa’ izy, sady ‘nomeny anarana ambony noho ny hafa rehetra.’​—Fil. 2:9.

TSY MANADINO AN’IZAY ATAONTSIKA I JEHOVAH

13, 14. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny zavatra ataontsika ho azy?

13 Afaka matoky isika fa ankasitrahan’i Jehovah izay rehetra ataontsika mba hanompoana azy. Azony tsara koa izay tsapantsika rehefa tsy matoky tena isika, na mieritreritra hoe tsy mahay. Mangoraka antsika izy rehefa manana olana ara-bola isika, na tsy mahavita firy eo amin’ny fanompoana satria tsy salama na kivy. Afaka matoky tanteraka isika fa tena ankasitrahan’i Jehovah izay ataontsika mba tsy hivadihana aminy.​—Vakio ny Hebreo 6:10, 11.

14 Tadidio koa fa “Mpihaino vavaka” i Jehovah, ary hihaino antsika izy rehefa lazaintsika aminy izay mampanahy antsika. (Sal. 65:2) “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah. (2 Kor. 1:3) Homeny an’izay rehetra ilaintsika isika, mba ho akaiky azy foana sy tsy ho kivy loatra. Mety hampiasa ny mpiara-manompo izy mba hanaovana an’izany. Manohina ny fon’i Jehovah koa ny mahita antsika mangoraka olona. Milaza ny Ohabolana 19:17 fa “izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah, ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.” (Mat. 6:3, 4) Rehefa malala-tanana àry isika ka manampy olona, dia heverin’i Jehovah ho toy ny hoe nampisambotra azy. Mampanantena izy fa hovaliany soa ny hatsaram-panahy asehontsika.

VALISOA ANKEHITRINY SY AMIN’NY HOAVY

15. Inona ny valisoa antenainao? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

15 Manantena ny Kristianina voahosotra fa homen’i Jesosy valisoa, dia “ny satroboninahitry ny fahamarinana.” (2 Tim. 4:7, 8) Mampahery azy ireo ny mieritreritra an’izany. Ahoana anefa raha anisan’ny “ondry hafa” ianao? Tsy midika izany hoe tsy dia tian’Andriamanitra ianao raha oharina amin’ireo voahosotra. Olona an-tapitrisany no manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. “Tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be” ny olona hahazo an’izany valisoa izany.​—Jaona 10:16; Sal. 37:11.

16. Nahoana no mampahery antsika ny 1 Jaona 3:19, 20?

16 Mety hieritreritra isika indraindray hoe kely ny zavatra ataontsika ho an’i Jehovah. Mety hiady saina koa isika hoe: ‘Mba faly amin’ny zavatra ataoko àry ve i Jehovah? Izaho ve dia mendrika ny hahazo valisoa?’ Tadidio anefa fa ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.’ (Vakio ny 1 Jaona 3:19, 20.) Raha manam-pinoana sy tena tia azy ianao, dia matokia fa hamaly soa anao izy, na dia eritreretinao ho tsy misy dikany aza ny zavatra ataonao ho azy.​—Mar. 12:41-44.

17. Inona avy, ohatra, ny valisoa efa omen’i Jehovah antsika?

17 Kely sisa dia ho ringana ny tontolon’i Satana, fa ny vahoakan’i Jehovah kosa tahin’i Jehovah foana. Ataony izay hahatonga azy ireo ho sambatra ao amin’ilay paradisa ara-panahy. Omeny sakafo ara-panahy be dia be koa izy ireo, ary mbola tsy nisy hoatr’izany hatramin’izay. (Isaia 54:13) Efa omen’i Jehovah valisoa isika izao, araka ny tenin’i Jesosy. Manana an’ireo rahalahy sy anabavy be fitiavana eran-tany isika. (Mar. 10:29, 30) Sambatra sy milamin-tsaina ary afa-po amin’ny fiainana koa izay mitady mafy an’Andriamanitra. Tsy misy azo ampitahaina amin’izany.​—Fil. 4:4-7.

18, 19. Ahoana no fahitan’ny mpanompon’i Jehovah ny valisoa omeny azy ireo?

18 Mpanompon’i Jehovah maro eran-tany no mahatsapa fa tena mamaly soa izy. Anisan’izany i Bianca, any Alemaina. Hoy izy: “Tena tsy hitako izay hisaorana an’i Jehovah! Manampy ahy sy eo akaikiko foana mantsy izy isan’andro rehefa misy mampitebiteby ahy. Mikorontana sady mahakivy ity tontolo ity. Rehefa miara-miasa akaiky amin’i Jehovah anefa aho, dia hoatran’ny hoe mamihina an’ahy izy dia tsy mitebiteby intsony aho. Na inona na inona afoiko ho azy, dia onerany foana ary mihoatra lavitra noho izay omeko no omeny an’ahy.”

19 I Paula any Kanada indray efa 70 taona, ary voan’ny aretin’ny hazondamosina ka tsy afa-mihetsika firy. Hoy anefa izy: “Tsy hoe rehefa tsy afa-mihetsika firy dia tsy afaka manompo firy. Manararaotra manao fitoriana isan-karazany aho, ohatra hoe mitory amin’ny alalan’ny telefaonina na amin’izay olona hitako. Soratako ao anaty kahie kely iray, izay andinin-teny sy hevitra ao amin’ny bokintsika mampahery an’ahy, dia jereko tsindraindray ilay izy. ‘Ilay Kahie Miantoka ny Aiko’ no iantsoako an’ilay izy. Mety ho kivy isika, nefa raha mifantoka amin’ny fampanantenan’i Jehovah, dia ho tsapantsika fa mandalo ihany izany. Manampy antsika foana i Jehovah na inona na inona manjo antsika.” Mety tsy ho hoatran’ny manjo an’i Bianca na Paula ny manjo anao. Azo inoana anefa fa efa namaly soa anao sy ny namanao ary ny fianakavianao i Jehovah. Saintsaino àry izay valisoa efa omen’i Jehovah anao amin’izao sy izay mbola homeny anao amin’ny hoavy, fa hahasoa anao izany.

20. Inona no azontsika antenaina raha manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo foana isika?

20 Tadidio hoe homen’i Jehovah “valisoa lehibe” ianao raha mivavaka aminy amin’ny fo manontolo. Matokia fa ‘ho tanteraka aminao’ ny fampanantenany, ‘rehefa vitanao ny sitrapony.’ (Heb. 10:35, 36) Miezaha àry hanatanjaka foana ny finoanao, ary manompoa an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Tsy maintsy hamaly soa anao izy raha manao an’izany ianao.​—Vakio ny Kolosianina 3:23, 24.