Isaia 55:1-13

  • Fanasana hihinana sy hisotro maimaim-poana (1-5)

  • Mitadiava an’i Jehovah sy ny teniny (6-13)

    • Avo noho ny lalan’ny olombelona ny lalan’i Jehovah (8, 9)

    • Tsy maintsy ho tanteraka ny tenin’i Jehovah (10, 11)

55  Avia ianareo rehetra mangetaheta,+ avia misotro rano!+ Ianareo tsy manam-bola, avia, mividiana dia mihinàna! Avia mividy divay sy ronono+ tsy andoavam-bola sady tsy misy sarany.+   Nahoana ianareo no mandany vola foana amin’izay tsy sakafo?Nahoana ianareo no mandany ny karamanareo* amin’ny zavatra tsy mahavoky? Henoy tsara aho, dia mihinàna sakafo tena tsara,+Dia amin’izay ianareo tena hankafy sakafo matsiro be.*+   Aoka ianareo hanongilan-tsofina dia mankanesa atỳ amiko.+ Mihainoa, dia ho velona ianareo.Fa vonona hanao fifanekena mandrakizay aminareo aho,+Araka izay nampanantenaiko an’i Davida hoe ho tia azy aho sady tsy hivadika aminy. Azo itokisana* izany fampanantenana izany.+   Nataoko vavolombelona+ eo amin’ireo firenena izy,Sady mpitarika+ sy mpitondra+ an’ireo firenena.   Firenena tsy fantatrao no hantsoinao,Ary olona avy amin’ny firenena tsy mahafantatra anao no hihazakazaka hankany aminao,Noho ny amin’i Jehovah Andriamanitrao,+ dia Ilay Masin’ny Israely.Homeny voninahitra+ mantsy ianao.   Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita izy.+ Miantsoa azy, dieny mbola akaiky izy.+   Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny ratsy fanaony,+Ary ny mpanao ratsy tsy hieritreritra zava-dratsy intsony.Aoka izy hiverina amin’i Jehovah, izay hamindra fo aminy,+Dia amin’ilay Andriamanitsika, fa tena mamela heloka tanteraka izy.+   “Ny fihevitro mantsy tsy mba fihevitrareo,+Ary ny lalanareo tsy mba lalako”, hoy i Jehovah.   “Fa hoatran’ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany,Ny haavon’ny lalako raha oharina amin’ny lalanareo,Sy ny fihevitro raha oharina amin’ny fihevitrareo.+ 10  Fa toy ny orana sy ny lanezy milatsaka avy any an-danitra,Ka tsy miverina any raha tsy efa mahavonto ny tany, sy mahatonga ny zavamaniry hitsiry sy hamokatra,Ary manome masomboly ho an’ny mpamafy sy sakafo ho an’ny mpihinana, 11  Dia ho toy izany ny teny lazaiko.+ Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko,+Fa tsy maintsy hanatanteraka an’izay mahafinaritra ahy,*+Ary tsy maintsy ho vitany izay rehetra anirahako azy. 12  Ho falifaly+ mantsy ianareo rehefa handeha,Ary hiadana+ rehefa hoentina mody. Hifaly sy hihoby eo anatrehanareo ny tendrombohitra sy ny havoana,+Dia hitehaka daholo ny hazo any an-tsaha.+ 13  Hazo zenevrie no haniry fa tsy kirihitra be tsilotsilo,+Ary hazo mirta fa tsy tsilo. Hampahalaza an’i Jehovah izany,*+Ka ho famantarana mandrakizay tsy ho levona mihitsy.”

Fanamarihana

Na: “vola azonareo tamin’ny asa mafy.”
Abt: “matavy be.”
Na: “Azo antoka.”
Na: “ny sitrapoko.”
Na: “Hahazoan’i Jehovah anarana izany.”