Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanehoana Hatsaram-panahy

Nanehoana Hatsaram-panahy

NATAO batisa tao amin’ny tanàna kely iray any Gujerat, any Inde, ny dadan’i John, 60 taona lasa teo ho eo izay, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanohitra azy anefa i John sy ny mpiray tam-po aminy dimy mianadahy ary ny maman-dry zareo. Katolika be mantsy ry zareo.

Nasain’ny dadany nanatitra taratasy tany amin’ny rahalahy iray i John, indray maraina. Avy nanokatra barìka be i John tamin’izay, dia naratra be ny tanany. Te hankatò ny dadany anefa izy. Nofatorany voro-damba àry ilay rantsantanany nandeha ra be, dia lasa izy nanatitra an’ilay taratasy.

Ny vadin’ilay rahalahy no nandray an’ilay izy. Vavolombelon’i Jehovah koa izy io. Hitany ilay tanan’i John naratra, dia nilaza izy hoe ao hokarakarainy ilay ratra. Naka fitaovana fitsaboana vonjimaika izy, dia nodioviny tamin’ny ranom-panafody ilay izy ary nofonosiny. Nanaovany dite koa i John sady niresadresahany Baiboly.

Nanomboka niova ny fiheveran’i John ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanontaniany an’ilay anabavy àry hoe Andriamanitra ve i Jesosy ary tokony hivavaka amin’i Maria ve ny Kristianina. Tsy nitovy mantsy ny hevitr’izy sy ny dadany momba an’izany. Novalian’ilay anabavy avy ao amin’ny Baiboly ny fanontaniany, ary nomeny an’ilay bokikely hoe “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity” izy. Mahay teny gujarati ilay anabavy ka izay no niresahany tamin’i John satria izay no fiteniny.

Namaky an’ilay bokikely i John, ary niaiky hoe nahita ny marina. Nankany amin’ny momperany àry izy, ary napetrany taminy ny fanontaniana napetrany tamin’ilay anabavy. Tezitra ilay mompera, ka natsipiny teny amin’i John ny Baiboly sady nivazavaza izy hoe: “Lasa Devoly mihitsy ianao! Aiza ao amin’ny Baiboly izao no misy hoe tsy Andriamanitra i Jesosy? Aiza no misy hoe tsy mety ny mivavaka amin’i Maria? Aiza?” Gaga tamin’ny nataon’ilay mompera i John ka nilaza hoe: “Tsy handingana ny varavaran’ny Fiangonana Katolika intsony aho!” Dia tena tsy nankany intsony tokoa izy.

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i John, nanaiky ny fahamarinana, ary lasa nanompo an’i Jehovah. Maromaro koa ny mpianakaviny nanao an’izany tatỳ aoriana. Mbola misy holatra eo amin’ny rantsantanan’i John havanana, na dia efa 60 taona atỳ aoriana aza. Mampahatsiahy azy an’ilay hatsaram-panahy kely nahatonga azy ho mpanompon’i Jehovah ilay izy.—2 Kor. 6:4, 6.