Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niely Hatrany Lavitra ny Voan’ny Fahamarinana

Niely Hatrany Lavitra ny Voan’ny Fahamarinana

Niely Hatrany Lavitra ny Voan’ny Fahamarinana

ANY atsimo indrindran’i Siberia no misy ny Repoblikan’i Touva, any Rosia. I Mongolia no any atsimony sy any atsinanany. Mipetraka any amin’ny faritra lavitra ny ankamaroan’ny olona any, ka sarotra ny mitory ilay Fanjakana aminy. Nisy olona vitsivitsy avy any amin’ny faritra maro any Touva anefa, indray mandeha, nankany Kyzyl renivohitra, mba hanatrika seminera. Ren’i Maria, mpisava lalana iray ao Kyzyl, fa efa tonga izy ireo, ary fantany fa tsy fahita firy ny toy izany, ka afaka nanararaotra nitory ny vaovao tsara tamin’izy ireo izy.

Hoy i Maria: “Nanao seminera momba ny fialana amin’ny toaka sy ny zava-mahadomelina ny sekoly nampianarako. Olona 50 teo ho eo no hanatrika azy io, avy any amin’ny faritra lavitra be. Nisy taminy mpampianatra, manam-pahaizana momba ny saina, mpanara-maso ny fiarovana ny ankizy, ary olon-kafa.” Nieritreritra i Maria hoe tokony hanararaotra hitory izy, nefa tsy ho mora aminy izany. Hoy izy: “Saro-kenatra aho, ka sarotra amiko ny mitory tsy ara-potoana. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa aho mba hanana herim-po, ka tsy hatahotra fa hanararaotra hitory.” Nahavita izany ve izy?

Hoy ihany izy: “Nahita gazety Mifohaza! momba ny tahotra mampihorohoro aho. Nieritreritra aho fa mety hahaliana manam-pahaizana momba ny saina izy io. Nentiko tany am-pianarana àry ilay gazety. Nankao an-dakilasiko ny mpampianatra iray nanatrika ilay seminera, tamin’io andro io, ka nomeko azy ilay gazety. Faly izy nandray azy io, ary notsoriny tamiko fa mahakasika azy ilay foto-kevitra. Nitondrako boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, Boky 1 izy ny ampitso. Faly koa izy nandray azy io. Nieritreritra àry aho hoe mety ho liana amin’izy io koa ny mpampianatra hafa. Noho izany, dia nitondra boky Manontany ny Tanora sy gazety iray baoritra tany am-pianarana aho.” Vetivety dia foana ilay baoritra. Nitantara i Maria hoe: “Nankao an-dakilasiko ny mpiara-miasa tamin’ilay mpampianatra nomeko boky Manontany ny Tanora. Maromaro izy ireo no nanontany ahy hoe: ‘Aiza izany mizara boky izany?’ ” Nitady toko izy ireo ka sendra vato!

Asabotsy ny andro nifaranan’ilay seminera, ary tsy niasa i Maria. Nasiany boky sy gazety àry teo ambony latabatra maromaro, tao an-dakilasiny. Izao koa no nosoratany teo amin’ny tabilao: “Ry mpampianatra isany! Samia maka boky sy gazety ho anareo sy ny olom-pantatrareo. Hanampy anareo amin’ny asanareo ireo boky tena tsara ireo sady hanatsara ny fiainam-pianakavianareo.” Inona no vokany? “Nankany an-dakilasy aho tamin’io andro io, ary nahita fa lasan’izy ireo ny ankamaroan’ireo boky. Naka boky sy gazety fanampiny haingana àry aho.” Nahapetraka gazety 380, sy boky 173, ary bokikely 34 i Maria rehefa nifarana ilay seminera ka nody ireo nanatrika izany. Nentin’izy ireo niaraka taminy ireo boky sy gazety rehefa nankany amin’ny faritra mitokana nisy azy izy ireo. Hoy i Maria: “Tena faly aho fa miely any amin’ny faritra lavitra be amin’i Touva izao ny voan’ny fahamarinana!”—Mpito. 11:6.

[Sarintany, pejy 32]

(Jereo ny gazety)

ROSIA

REPOBLIKAN’I TOUVA