Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mandray Mahaiza Manome

Mahaiza Mandray Mahaiza Manome

Mahaiza Mandray Mahaiza Manome

MANOME toky antsika ny Baiboly fa tena miahy antsika tsirairay i Jehovah Raintsika be fitiavana. (1 Pet. 5:7) Omeny fanampiana amin’ny endriny maro isika, mba hahatonga antsika tsy hivadika. (Isaia 48:17) Iriny handray soa amin’ireny fanampiana ireny isika, indrindra rehefa miatrika olana mampahory. Hita miharihary ao amin’ny Lalàn’i Mosesy izany.

Nanao lalàna izy mba hanampiana ny “ory”, anisan’izany ny kamboty sy ny mpitondratena ary ny vahiny. (Lev. 19:9, 10; Deot. 14:29) Fantany fa mety hila fanampiana avy amin’ireo rahalahy sy anabavy koa ny mpanompony ankehitriny. (Jak. 1:27) Tsy misy amintsika àry tokony hisalasala hanaiky ny fanampian’ny olona taomin’i Jehovah hanampy antsika. Na izany aza, dia tokony hanana toe-tsaina tsara isika, rehefa mandray fanampiana.

Hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra koa anefa fa afaka manao fanomezana ny vahoakan’Andriamanitra. Tsarovy ny tantaran’ilay ‘vehivavy mahantra’ hitan’i Jesosy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. (Lioka 21:1-4) Mpitondratena izy io ka azo inoana fa anisan’ireo nandray soa tamin’ny fanampiana voalazan’ny Lalàna. Na dia nahantra aza anefa izy, dia tsy ny fandraisany fanomezana no ahatsiarovana azy, fa izy nanao fanomezana. Sambatra izy satria tia manome. Nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asa. 20:35) Ahoana no hahatonga antsika ho “zatra manome” ka ho sambatra?—Lioka 6:38.

“Inona no havaliko an’i Jehovah?”

Nisaintsaina toy izao ny mpanao salamo: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?” (Sal. 116:12) Inona tokoa moa ny soa noraisin’i Davida? Nanampy azy i Jehovah nandritra ny fotoana ‘nampahory sy nampalahelo’ niainany. ‘Novonjen’i Jehovah tsy ho faty’ koa izy. Izany no nahatonga azy haniry ‘hamaly’ soa an’i Jehovah. Hoy izy: “Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho.” (Sal. 116:3, 4, 8, 10-14) Tapa-kevitra izy fa hanatanteraka ny teny rehetra nataony tamin’i Jehovah sy izay nasain’i Jehovah nataony.

Afaka manao toy izany koa ianao. Amin’ny fomba ahoana? Tokony hiaina mifanaraka amin’ny lalàna sy toro lalan’Andriamanitra ianao. Ataovy azo antoka àry fa ny fanompoana azy no zava-dehibe indrindra aminao. Ataovy azo antoka koa fa manaiky ny fitarihan’ny fanahiny ianao, eo amin’izay rehetra ataonao. (Mpito. 12:13; Gal. 5:16-18) Mazava ho azy fa tsy ho voavalinao ny soa rehetra ataon’i Jehovah aminao. ‘Hampifaly ny fony’ anefa ianao raha manompo azy amin’ny fo manontolo. (Ohab. 27:11) Voninahitra ho antsika ny mampifaly an’i Jehovah toy izany!

Ataovy izay hahasoa ny fiangonana

Ekenao angamba fa nandraisanao soa maro ny fiangonana. Manome sakafo ara-panahy tondraka amin’ny alalan’ny fiangonana i Jehovah. Tamin’ny alalan’izy io no nandraisanao ny fahamarinana izay nanafaka anao tamin’ny fivavahan-diso sy ny haizina ara-panahy. (Jaona 8:32) Nahazo fahalalana ianao tany amin’ireo fivoriana sy fivoriambe nalamin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” Izany fahalalana izany dia hahazoana fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa, izay tsy hisian’ny fijaliana sy fanaintainana intsony. (Matio 24:45-47) Tsy ho vitanao mihitsy ny hitanisa ireo soa rehetra efa noraisinao sy mbola horaisinao amin’ny alalan’ny fiangonan’Andriamanitra. Inona àry no havalinao ny fiangonana?

Hoy ny apostoly Paoly: ‘Ny vatana iray manontolo [dia] mandray anjara amin’ny fitomboan’ny vatana mba hiorenany ao anatin’ny fitiavana. Mahavita izany ny vatana noho izy io tafakambana mirindra tsara sady natao hiara-miasa amin’ny alalan’ny tonon-taolana rehetra mpanome izay ilaina, sy hiara-miasa araka ny tokony ho fiasan’ny rantsambatana tsirairay.’ (Efes. 4:15, 16) Marina fa ny Kristianina voahosotra no tena resahin’io andininy io. Mihatra amin’ny Kristianina rehetra koa anefa izany. Afaka mitady izay hahasoa ny “vatana” na ny fiangonana àry isika tsirairay, ary manao izay hitomboan’izy io. Ahoana no anaovantsika izany?

Miezaha foana hampahery ny hafa, mba hanompoany an’Andriamanitra hatrany. (Rom. 14:19) Ataovy foana izay hanehoana ny vokatry ny fanahy, rehefa mifandray amin’ny mpiray finoana. (Gal. 5:22, 23) Azontsika atao koa ny mitady fomba ‘hanaovan-tsoa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.’ (Gal. 6:10; Heb. 13:16) Afaka manao izay ‘hiorenan’ny vatana ao anatin’ny fitiavana’ àry ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana, na rahalahy na anabavy, na tanora na be taona.

Afaka mampiasa ny talentantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika koa isika, mba handraisana anjara amin’ilay asa mamonjy aina ataon’ny fiangonana. Hoy i Jesosy Kristy: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Mat. 10:8) Aoka àry ianao handray anjara feno amin’io asa io, dia ny fitoriana sy fanaovana mpianatra. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Ahoana anefa raha tsy afaka mandray anjara firy ianao? Tadidio ilay mpitondratena mahantra. Tena kely no nomeny, nefa nilaza i Jesosy fa nanao mihoatra noho ny hafa rehetra izy. Nanome betsaka araka izay azony natao izy, mifanaraka amin’ny toe-javatra nisy azy.—2 Kor. 8:1-5, 12.

Manàna toe-tsaina tsara rehefa mahazo fanampiana

Mety hila ny fanampian’ny fiangonana anefa ianao indraindray. Aza misalasala mihitsy àry mandray izay omen’ny fiangonana, rehefa mahatsiaro ho kivy noho ny faneren’ity tontolo ity. Nanome lehilahy mahafeno fepetra sy be fiahiana i Jehovah mba ‘hiandry ny fiangonana’, izany hoe hanampy anao rehefa miatrika fitsapana sy fahoriana ianao. (Asa. 20:28) Te hampahery sy hanampy ary hiaro anao ny anti-panahy sy ny hafa eo anivon’ny fiangonana, mandritra ny fotoan-tsarotra.—Gal. 6:2; 1 Tes. 5:14.

Manàna toe-tsaina tsara anefa, rehefa mahazo ny fanampiana ilainao ianao. Aza hadinoina mihitsy ny mankasitraka. Aoka ianao hihevitra ireny fanampiana avy amin’ny mpiray finoana ireny ho fomba isehoan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. (1 Pet. 4:10) Zava-dehibe izany, satria tsy tiantsika ny hitovy amin’ireo olona maro eto amin’ity tontolo ity, izay tsy mahay mankasitraka.

Mahaiza mandanjalanja

Hoy i Paoly momba an’i Timoty, tao amin’ny taratasiny ho an’ny fiangonana tany Filipy: “Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara ny momba anareo.” Hoy koa anefa izy: ‘Ny hafa rehetra samy mitady ny ho an’ny tenany ihany, fa tsy ny ho an’i Kristy Jesosy.’ (Fil. 2:20, 21) Tsara ny mitadidy izany hevi-dehibe nolazain’i Paoly izany. Inona àry no hanampy antsika tsy hifantoka loatra amin’izay hahasoa ny ‘tenantsika’ fotsiny?

Marina fa mila ny fotoana sy ny fiahian’ireo olona eo anivon’ny fiangonana isika, rehefa misy olana manjo antsika. Tsy tokony hitaky be loatra anefa isika. Nahoana? Eritrereto izao: Tena tianao raha misy rahalahy na anabavy manome fanampiana anao rehefa sahirana ianao. Na dia tianao aza izany, ianao ve dia ho sahy hanery olona hanampy anao? Mazava ho azy fa tsia! Dia toy izany koa. Mahafaly foana an’ireo rahalahintsika be fitiavana ny manampy antsika. Mila mahay mandanjalanja anefa isika amin’izay antenaintsika omen’izy ireo, anisan’izany ny fotoanany. Na inona na inona mantsy fanampiana omen’ireo mpiray finoana, dia irintsika hanao izany an-tsitrapo foana izy ireo.

Mahazo matoky ianao fa vonona hanampy anao foana ireo rahalahy sy anabavinao. Mety tsy ho afaka hanome izay rehetra ilainao anefa izy ireo indraindray. Raha izany no mitranga, dia matokia fa hanohana anao foana i Jehovah, toy izay nataony tamin’ilay mpanao salamo.—Sal. 116:1, 2; Fil. 4:10-13.

Aza misalasala àry mandray sy mankasitraka an’izay rehetra ataon’i Jehovah ho anao, indrindra fa amin’ny fotoam-pahoriana. (Sal. 55:22) Izany no iriny hataonao. Iriny koa anefa ianao mba ho “mpanome amim-pifaliana.” Aoka àry ianao ho ‘tapa-kevitra ao am-ponao’ hanome araka izay azonao atao, mba hampandrosoana ny fivavahana marina. (2 Kor. 9:6, 7) Hahay handray sy hankasitraka ianao amin’izay, sady hahay hanome amin’ny fo manontolo.

[Efajoro/Sary, pejy 31]

“Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?”—Sal. 116:12

▪ Mitadiava fomba ‘hanaovan-tsoa amin’ny rehetra’

▪ Miezaha foana hampahery ny hafa, mba hanompoany an’Andriamanitra hatrany

▪ Mandraisa anjara feno amin’ny asa fanaovana mpianatra, arakaraka ny toe-javatra misy anao