Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ilay Mpandrafitra”

“Ilay Mpandrafitra”

Ny Fiainan’ny Kristianina Voalohany

“Ilay Mpandrafitra”

“Tsy io ve ilay zanaky ny mpandrafitra?”—MATIO 13:55.

TSY “zanaky ny mpandrafitra” fotsiny no nahalalana an’i Jesosy, fa “mpandrafitra” koa. (Marka 6:3) Azo inoana fa i Josefa, rainy nitaiza azy, no nampianatra azy handrafitra.

Inona no fahaizana nilain’i Jesosy rehefa nandrafitra, ary inona avy no fitaovana tsy maintsy ho nanavanana azy? Inona no fitaovana mety ho namboariny na asa mety ho nataony ho an’ny Nazareanina? Inona no nety ho vokatry ny fampiofanana azony, tatỳ aoriana?

Asa nifandovana Ray mampianatra ny zanany lahimatoa hahay hampiasa tsara ny fandavahana no aseho eto ambany. Mihaino sy mijery tsara ilay zandriny.

Matetika no manomboka ampiofanina ny ankizilahy 12 taona ka hatramin’ny 15 taona. Ny rainy mazàna no mampiofana azy. Maharitra an-taonany maro izany, ary mila miezaka mafy ilay ankizilahy raha te ho lasa mpandrafitra mahay. Eritrereto ireo fotoana maro nahafinaritra niarahan’i Josefa tamin’i Jesosy. Niara-niasa tamin’i Jesosy izy, nifampiresaka taminy, ary nampita ny fahaizany taminy. Tsy maintsy ho nirehareha erỳ izy nahita an’i Jesosy nahay nandrafitra tsara!

Ilaina ny fahalalana sy hery ary fahaizana Nila nahalala tsara ny karazan-kazo nampiasainy ny mpandrafitra. Azo nampiasaina ny hazo teo an-toerana, toy ny siprey, oaka, sedera, aviavidia, ary oliva. Mbola tsy nisy fivarotana misy hazo efa voatapaka sy amin’ny ilany azy anefa tamin’ny taonjato voalohany. Nila nankany an’ala kosa ny mpandrafitra, nifidy hazo, nikapa izany, ary nibata an’ilay hazobe nankany amin’ny trano fiasany.

Hanamboarana inona ilay hazo avy eo? Nety ho nandany ora maro teny ivelany ilay mpandrafitra rehefa nanamboatra andrin-tafo, tohatra, varavarana, varavaran-kely, ary ireo rafitra hazo eny amin’ny rindrina.

Manamboatra fanaka koa ny mpandrafitra. Aseho eto ny sasany amin’izany: Lalimoara kely misy vatasarihana na misy talantalana na misy varavarana (1), seza bory (2), seza (3), latabatra (4) samihafa bika sy habe, ary fandrianan-jazakely. Mety hasiany haingonkaingony be pitsiny vita amin’ny hazo hafa ny fanaka sasany. Mety hosorany savoka na verinia na menaka izy ireny, mba hahatsara ny endriny sy hiarovana azy.

Manamboatra fitaovana ho an’ny tantsaha koa ny mpandrafitra. Anisan’izany ny zioga (5) vita amin’ny hazo mafy, fikororohana, fitaovana fandamahana tany sy fanangonana ravina, ary lapelina (6). Tsy maintsy ataony mafy tsara ny angadinomby (7), raha tsy izany dia tsy hahavita hamela soritra eo amin’ny tany be vato ireo lohany vy. Amboariny koa ny sarety hazo (8) sy ny kodiarany matanjaka tsara. Mety hanamboatra ny simba amin’ny fanaka sy fitaovana ary sarety namboariny koa izy, ary hikojakoja azy ireny.

Azonao an-tsaina ve ny mety ho vokatr’ilay asan’i Jesosy teo amin’ny bika aman’endriny? Eritrereto ny hodiny main’ny masoandro, ny hozany matanjaka be noho ny asa mafy nataony an-taonany maro, ary ny tanany nihamafy noho ny fihazonana hazo mafy be, famaky, marotoa, ary tsofa.

Nataony fanoharana Hain’i Jesosy tsara ny nampiasa zavatra tsotra sy mahazatra ny olona mba hampianarana hevi-dalina. Nampiasa ny zavatra fantany momba ny fandrafetana ve izy rehefa nanao fanoharana? Diniho izao manaraka izao. Hoy izy tamin’ny vahoaka, indray mandeha: “Koa nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy mba heverinao?” Fantatry ny mpandrafitra tsara hoe tena lehibe ny vatan-kazo. (Matio 7:3) Hoy koa izy tamin’ny olon-kafa: “Tsy misy olona mitana angadinomby ary mitodika any aoriana, ka mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.” Azo inoana fa efa nanamboatra angadinomby izy. (Lioka 9:62) Miresaka momba ny fitaovana amboarin’ny mpandrafitra i Jesosy ao amin’ny iray amin’ireo fanasana feno fitiavana indrindra nolazainy. Hoy izy: “Ento ny ziogako ka mianara amiko ... Mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:29, 30) Azo antoka fa tena hain’i Jesosy ny nanamboatra zioga tsy mandratra hoditra fa “mora entina” na mety tsara.

Nety ho nanambany an’i Jesosy ny mpanohitra rehefa niantso azy hoe “zanaky ny mpandrafitra.” Toa an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany anefa ny Kristianina ankehitriny, ka raisiny ho voninahitra ny manara-dia an’io mpandrafitra tso-piaina io.

[Efaforo/Sary, pejy 26]

Ny Fitaovan’ny Mpandrafitra

Nila nahay nampiasa an’ireo fitaovana aseho eto ny mpandrafitra tamin’ny taonjato voalohany, toa an’i Jesosy. Eo ny tsofaharatra (1) misy tahony hazo sy lelany mikinifinify, izay afaka manapaka hazo rehefa sintonina. Eo koa ny sokera (2) hanoritany ny zavatra amboariny, ary ny pilao (3) hijereny raha mahitsy ny asany. Ampiasainy koa ny levina (4), ny filamatra (5), ny vankona (6) misy lelany vy maranitra mampahalama ny hazo marokoroko, ary ny famaky (7) hikapana hazo.

Mampiasa milina fanodinan-kazo (8) sy lagozy (9) koa ilay mpandrafitra mba hanapahana sy hanomezana endrika ny hazo. Hita eo ambonin’ny saron’ilay vata ny kanonta hazo (10) hikapohana fandraka na hombo fanakambanan-javatra, tsofa didiravina (11), antsibe (12) hanaovana sokitra, ary fantsika (13) vitsivitsy. Eo anoloan’ilay vata kosa ny marotoa vy (14), sy ny famaky miola-dela (15) fikikisana vatan-kazo. Misy antsy (16) sy fandraka (17) tsy mitovy habe koa eo ambonin’ny saron’ilay vata. Miankina eo amin’ilay vata kosa ny fandavahana (18).