Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Atahoran’ny Olona Maro?

Inona no Atahoran’ny Olona Maro?

Inona no Atahoran’ny Olona Maro?

“Tsy voatery hoe mpivavaka ianao vao hino fa hisy loza hitranga amin’ity tany ity.”—STEPHEN O’LEARY, MPAMPIANATRA AO AMIN’NY ONIVERSITEN’I KALIFORNIA ATSIMO. *

I ZANY koa ve no hevitrao? Maro no matahotra ny hoavy, ary hanazava ny anton’izany ity andian-dahatsoratra ity. Ho hitanao ato anefa fa afaka matoky ianao hoe tsy ho potika ny tany. Tsy tokony hahakivy anao àry ireto zava-misy mampalahelo ireto.

Atahorana hipoaka ny ady niokleary. Hoy ny Gazetin’ny Mpahay Siansa Momba ny Ataoma (anglisy) tamin’ny 2007: “Mbola tsy nisy loza lehibe toy izao nandrahona an’ity tany ity, hatramin’ny nipoahan’ireo baomba ataomika voalohany tany Hiroshima sy Nagasaki.” Nahoana ilay gazety no nilaza izany? Satria tamin’ny 2007, dia mbola nisy 27 000 teo ho eo ny fitaovam-piadiana niokleary, ka ny 2 000 amin’ireo no “azo alefa avy hatrany.” Ho loza tsy roa aman-tany ny vokany, na dia vitsy kely amin’ireo baomba ireo aza no apoaka!

Tsy natahorana intsony ve ny ady niokleary taorian’ny 2007? Tsy izany mihitsy, satria hoy ny Diarin’ny SIPRI 2009 (anglisy): * * “Samy nametraka na mikasa ny hametraka fitaovam-piadiana niokleary vaovao” ireo firenena dimy efa manana izany, dia i Chine, Etazonia, Frantsa, Rosia, ary Royaume-Uni. Tsy izy ireo ihany anefa no manana fitaovam-piadiana niokleary. Milaza ny mpikaroka fa samy manana baomba niokleary 60 na 80 any ho any i Inde sy Pakistan ary Israely. Miisa 8 392, hoy izy ireo, ny fitaovam-piadiana efa miandry ny hapoaka fotsiny, eran-tany!

Miova be ny toetany ka atahorana hitera-doza. Hoy ihany ny Gazetin’ny Mpahay Siansa Momba ny Ataoma: “Efa hitovy amin’ny loza mety hateraky ny ady niokleary ny loza vokatry ny fiovan’ny toetany.” Manamafy an’izany ireo mpahay siansa malaza toa an’i Stephen Hawking, mpampianatra efa misotro ronono, sy Atoa Martin Rees, manam-pahaizana, izay samy avy ao amin’ny Oniversiten’i Cambridge. Mihevitra izy ireo fa tsy mahay mampiasa ny teknolojia ny olona sady manimba ny tontolo iainana, ka mety hiova tanteraka ny fiainana eto an-tany, ary ho vita hatreo mihitsy ny tantaran’ny olombelona.

Maro be ny olona maminany loza. Raha mikaroka momba ny “fara andro” sy ny taona “2012” ianao, ao amin’ny Internet, dia ho hitanao fa be dia be no manombantombana hoe ho avy amin’io taona io ny farany. Nahoana? Satria rehefa atao ny kajy, dia mifarana amin’ny 2012 ilay kalandrien’ny foko maya fahiny, antsoina hoe “Fanisana Lava Be.” Maro àry no matahotra hoe ho tapitra eo tokoa ny tantaran’ny olombelona.

Mpivavaka maro no mino fa ho potika ity tany ity. Ny tsara fanahy, hono, hankany an-danitra, fa ny ratsy fanahy kosa halefa any amin’ny afobe na havela hijalijaly eto an-tany izay efa ravarava.

Tena milaza ve ny Baiboly fa ho potika na tsy ho azo iainana intsony ny tany? Hoy ny apostoly Jaona: “Aza mino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy, fa fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.” (1 Jaona 4:1) Aza manaiky fotsiny izay resahin’ny olona àry fa sokafy mihitsy ny Baiboly, ka vakio izay lazainy momba ny faran’izao tontolo izao. Mety hahagaga anao izay voalaza ao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Vaovaon’ny MSNBC tao amin’ny Internet, ny 19 Oktobra 2005, avy amin’ilay lahatsoratra hoe “Matahotra Fara Andro ny Olona Noho Ireo Loza Mitranga.”

^ feh. 5 Fikambanana any Stockholm mikatsaka fandriampahalemana eran-tany ny SIPRI.

^ feh. 5 Ireto avy no namoaka an’ilay tatitra tao amin’ny Diarin’ny SIPRI 2009: Shannon Kile, mpitarika ny fanadihadiana ataon’ny SIPRI mba hanaraha-maso sy hamerana ny fitaovam-piadiana niokleary; Vitaly Fedchenko, mpikaroka ao amin’ilay tetikasa; ary Hans Kristensen, mpitantana ny tetikasa ataon’ny Fikambanan’ny Mpahay Siansa Amerikanina, mpamoaka tatitra momba ny fitaovam-piadiana niokleary.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Baomba mipoaka: U.S. National Archives photo; tondra-drano: WHO/League of Red Cross and U.S. National Archives photo