Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 RESADRESAKA MAHALIANA

Mahita ny Fijaliantsika ve Andriamanitra?

Mahita ny Fijaliantsika ve Andriamanitra?

Toy izao ny resadresaka fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny olona. Aoka hatao hoe Voahirana no anaran’ilay Vavolombelona, ary Bodo ilay olona iresahany.

NAHOANA NO NAVELANY NITRANGA IZANY?

Voahirana: Voahirana no anarako.

Bodo: Faly mahafantatra anao. Izaho indray Bodo.

Voahirana: Faly mahafantatra anao koa. Mizara an’ity taratasy mivalona ity aho androany, hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Intỳ ny anjaranao.

Bodo: Momba ny fivavahana ve?

Voahirana: Ie. Misy fanontaniana enina eto amin’ny pejy voalohany eto. Iza amin’ireo no...

Bodo: Miala tsiny aloha aho raha manapaka ny teninao, fa ho lany andro fotsiny ianao raha miresaka amiko.

Voahirana: Nahoana ianao no milaza an’izany?

Bodo: Satria amiko dia tsy misy izany Andriamanitra izany.

Voahirana: Misaotra anao tsy nisalasala niteny an’izany. Fa hono ho’aho, efa nieritreritra hoatr’izany foana ve ianao?

Bodo: An an an! Nandeha niangona foana aho tamin’ny mbola kely, fa efa ela aho izao no tsy nandeha intsony.

Voahirana: Hay! Azoko! Fa tsy ny hanery anao hanaraka ny finoako akory no ahatongavako eto. Mba tiako ho fantatra anefa hoe inona no nahatonga anao hisalasala raha misy Andriamanitra na tsia.

Bodo: Tratran’ny lozam-piarakodia ny mamanay, 17 taona lasa izay.

Voahirana: Izany ve? Dia nanao ahoana?

Bodo: Lasa nalemy izy nanomboka tamin’izay.

Voahirana: Mampalahelo be izany! Kivy be mihitsy izao ianao amin’izany.

Bodo: Kivy be mihitsy aho. Lasa saina aho hoe: ‘Raha misy Andriamanitra, nahoana no navelany nitranga izany? Nahoana isika no avelany hijaly hoatr’izao?’

DISO VE ISIKA RAHA MANONTANY AN’ANDRIAMANITRA?

Voahirana: Tsy diso mihitsy ianao raha mieritreritra toy izany. Ara-dalàna ny olona mijaly raha lasa saina hoe nahoana izy no iharan’izany. Na ny olona nanam-pinoana fahiny aza nanao hoatr’izany koa.

Bodo: Izany ve?

Voahirana: Ie. Tianao ve raha hijery ohatra iray ao amin’ny Baiboly isika?

Bodo: Tsy maninona ka!

Voahirana: Nanontany an’Andriamanitra, ohatra, i Habakoka mpaminany. Jereo izay nolazainy ato amin’ny Habakoka toko voalohany, andininy faha-2 sy faha-3, hoe: “Jehovah ô, mandra-pahoviana no iantsoako vonjy, nefa tsy henoinao? Mandra-pahoviana no iantsoako vonjy aminao noho ny herisetra, nefa tsy vonjenao? Nahoana no ataonao mahita zava-dratsy aho?” Tsy hoatr’izany koa ve ilay fanontanianao teo?

Bodo: Ie! Mitovy!

Voahirana: Tsy nibedy an’i Habakoka mihitsy anefa Andriamanitra tamin’izany. Tsy nilaza koa izy hoe tsy ampy finoana ilay mpaminany.

Bodo: Hay ve nisy an’izany e!

HALAN’I JEHOVAH NY FIJALIANA

Voahirana: Milaza ny Baiboly fa mahita ny fijaliantsika Andriamanitra sady malahelo antsika.

Bodo: Nahoana ianao no milaza izany?

Voahirana: Misy ohatra manamarina izany ato amin’ny Eksodosy 3:7. Azonao vakina ve, azafady?

Bodo: Tsy maninona! “Ary hoy koa i Jehovah: ‘Hitako mihitsy ny fahorian’ny oloko any Ejipta,  ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ireo manery azy hiasa. Fantatro tsara ny fijaliany.’ ”

Voahirana: Misaotra! Araka ny voalaza eo, mahita ny fijalian’ny vahoakany ve Andriamanitra?

Bodo: Ie! Hoatrahoatr’izany.

Voahirana: Dia tsy hoe fantapantany fotsiny izay manjo azy ireo, fa resahiny eo amin’ilay tapany farany eo hoe: “Fantatro tsara ny fijaliany.” Hanao izany ve Andriamanitra raha mafy fo sy tsy miraharaha ny hafa?

Bodo: An an an.

Voahirana: Tsy vitan’ny hoe mahita ny fijaliantsika Andriamanitra, fa malahelo koa izy mahita an’ilay izy.

Bodo: Tsara kosa izany.

Voahirana: Mbola nijaly koa ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny fotoana hafa. Nanao ahoana Andriamanitra tamin’izay? Andeha hovakintsika ny Isaia 63:9. Izao no voalaza eo amin’ny tapany voalohany: “Ory izy nandritra ny fahoriana rehetra nanjo an’ireo.” Tsy hitanao avy amin’izany ve fa tena nalahelo Andriamanitra rehefa nijaly ny vahoakany?

Bodo: Ie. Tena izany tokoa.

Voahirana: Matokia fa tena mitady izay hahasoa antsika izy, ary tsy tiany mihitsy ny mahita antsika mijaly. Raha malahelo isika, dia malahelo koa izy.

NAHOANA IZY NO MBOLA TSY MANAO ZAVATRA?

Voahirana: Misy zavatra hafa tiako horesahina aminao alohan’ny handehanako.

Bodo: Inona izany?

Voahirana: Resahin’ny Baiboly fa manana hery lehibe Andriamanitra. Miresaka an’izany, ohatra, ny Jeremia 10:12. Mba azonao vakina ve, azafady?

Bodo: Tsy maninona! “Izy no Mpanao ny tany, ary tamin’ny heriny no nanaovany azy. Izy koa no nanao izay hahamafy orina ny tany lonaka tamin’ny fahendreny, ary Izy no namelatra ny lanitra tamin’ny fahiratan-tsainy.”

Voahirana: Misaotra anao. Resahin’io andininy io fa Andriamanitra no nanao ny tany sy ny lanitra ary ny zava-drehetra eo aminy. Tsy nila hery be ve izy tamin’izy nanao an’izany?

Bodo: Mazava ho azy.

Voahirana: Koa raha nanana hery hamoronana ny zava-drehetra manodidina antsika Andriamanitra, tsy hanana hery hanafoanana ny fijaliana koa ve izy?

Bodo: Tokony ho izany aloha e!

Voahirana: Eritrereto indray ny amin’ilay mamanao. Nahoana moa ianao no malahelo mahita azy mijaly?

Bodo: Satria tiako izy. Mamako ange izy e!

Voahirana: Ary raha manana hery hanasitranana azy ianao, tsy hanao izany ve ianao?

Bodo: Mazava ho azy.

Voahirana: Eritrereto àry izao: Milaza ny Baiboly fa mahita ny fijaliantsika Andriamanitra sady malahelo antsika, ary manana hery lehibe. Tsy hitanao hoe mila mifehy tena mafy ve izy, mba tsy hanao zavatra ka hanafoana ny fijaliantsika dieny izao?

Bodo: Mbola tsy nieritreritra an’izany indray aho.

Voahirana: Tsy maintsy misy antony lehibe àry matoa izy tsy tonga dia manafoana ny fijaliantsika. * Sa tsy izany?

Bodo: Mety ho izany.

Voahirana: Raha tianao, dia hiresaka momba an’izay isika amin’ny manaraka. Asa, rahoviana no mety aminao?

Bodo: Tongava àry amin’ny heriny toy izao. *

Misy fanontaniana manitikitika ny sainao ve? Misy tianao ho fantatra ve momba izay inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanaon’izy ireo? Aza misalasala àry manontany an’izay Vavolombelona mihaona aminao. Ho faly izy hamaly anao.

^ feh. 59 Manazava bebe kokoa an’izany ny toko 11 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 62 Horesahina ao amin’ny “Resadresaka Mahaliana” manaraka hoe nahoana Andriamanitra no mamela antsika hijaly.