Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Fivavahana Azo Itokisana Ve?

Misy Fivavahana Azo Itokisana Ve?

Mety tsy te hitoky amin’ny fivavahana intsony ianao, raha nisy fivavahana nandiso fanantenana anao. Misy fivavahana azo itokisana anefa. Nampianatra ny mpanara-dia azy hampihatra ny fitsipik’Andriamanitra i Jesosy, fony izy teto an-tany. Misy foana hatramin’izao ny olona tena manara-dia an’i Kristy, ka miezaka mampihatra ny fitsipika kristianina eo amin’ny fiainany. Aiza no ahitana olona toy izany?

Hoy i Lafatra, ilay noresahina teo aloha: “Afaka nianatra Baiboly ihany aho, satria nisy Vavolombelon’i Jehovah nampianatra ahy. Tsy ela dia azoko ny tian’ny Jaona 8:32 holazaina tamin’ny hoe: ‘Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.’ ”

Hoy i Robert, ilay voaresaka teo aloha: “Nony nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho dia lasa fantatro fa tsy avy amin’Andriamanitra ny fijaliana. Misy antony matoa mbola avelany hisy ny ratsy. Faly anefa aho nahalala hoe kely sisa dia hesoriny izany.”

Tsy mora ny manao ny tsara, rehefa tsy manao izany ny ankamaroan’ny olona. Tena azo atao anefa izany. Maro no te hahatakatra sy hampihatra izay lazain’ny Baiboly, ka mitady fanampiana. Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany hampianatra olona an-tapitrisany maimaim-poana. Olona maro, isan-kerinandro, no mianatra izay tena ampianarin’ny Baiboly, ka lasa mifandray akaiky amin’ny Mpamorona sy sambatra kokoa. *

Nahoana raha anontanianao ny Vavolombelon’i Jehovah hoe nahoana izy no mitoky amin’ny fivavahany?

Raha mihaona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ianao amin’ny manaraka, dia anontanio izy hoe nahoana izy no mitoky amin’ny fivavahany. Fantaro ny zavatra ampianariny ary hadihadio raha manaraka ny fitsipika kristianina izy ireo eo amin’ny fiainany. Ho hitanao amin’izay raha misy tokoa izany fivavahana azonao itokisana izany.

^ feh. 5 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.