Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Vokany eo Aminao ve ny Loko?

Misy Vokany eo Aminao ve ny Loko?

Vao mijery ny manodidina ianao dia miara-miasa ny masonao sy ny atidohanao, ka tonga dia misy fanazavana voarainao. Raha mahita voankazo ianao, dia afaka manapa-kevitra raha hihinana an’ilay izy na tsia. Raha mijery ny lanitra ianao, dia fantatrao fa tsy ho avy ny orana. Hitanao ireto soratra vakinao ireto, ary azonao ny tiany holazaina. Fa nahoana? Noho ny loko.

Ny lokon’ilay voankazo no ahalalanao raha masaka sy mahate hihinana ilay izy na tsia. Hitanao amin’ny lokon’ny lanitra sy ny rahona ny mety ho toetry ny andro. Hitanao tsara ny soratra amin’ity lahatsoratra ity, satria tsy mitovy amin’ny lokon’ny taratasy ny lokony. Mety tsy ho voamarikao akory fa ny loko no ahalalanao ny zava-mitranga manodidina anao. Misy vokany eo amin’ny fihetseham-po koa anefa ny loko.

NY LOKO SY NY FIHETSEHAM-PO

Feno entana natao hanintonana ny maso ireo talantalana any amin’ny fivarotana lehibe. Fidin’ny mpanao dokam-barotra tsara ny loko ampiasainy, arakaraka ny olona tiany hividy an’ilay entana. Mety ho lehilahy izany na vehivavy, ankizy na olon-dehibe. Fantatry ny mpanjaitra akanjo lamaody sy ny mpanaingo trano ary ny mpanao zavakanto koa fa misy vokany eo amin’ny olona ny loko.

Samy manana ny fiheverany ny loko ny olona, arakaraka ny kolontsainy sy ny fombafombany. Heverin’ny olona sasany any Azia ho mahatsara vintana, ohatra, ny loko mena sady ampifandraisiny amin’ny fety. Rehefa misaona kosa ny olona any amin’ny faritra sasany any Afrika no mampiasa an’io loko io. Mitovy ihany anefa ny vokatry ny loko sasany eo amin’ny ankamaroan’ny olona, na inona na inona fitaizana azony. Andeha isika handinika loko telo:

MENA: Loko midorehitra izy io, ary matetika no ampifandraisina amin’ny hery sy ady ary loza. Misy vokany be amin’ny fihetseham-po sy ny fomba fisefo ny loko mena, mampiakatra tosidra, ary manafaingana ny famokaran’ny vatana angovo.

Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “ra” ny teny hoe “mena” ao amin’ny Baiboly. Mampiasa an’io loko io ny Baiboly, mba hiraikitra ao an-tsaina ny sary iray. Resahiny ny momba ny mpivaro-tena iray mpamono olona. Manao akanjo volomparasy sy mena midorehitra izy io, ary mitaingina “bibidia mena midorehitra”, izay “feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra.”—Apokalypsy 17:1-6.

MAITSO: Tsy mitovy amin’ny an’ny mena ny vokatry ny loko maitso. Mampiadana ny famokaran’ny vatana angovo izy io sady mampitony. Ampifandraisina amin’ny filaminana io loko io matetika. Lasa tony isika rehefa mahita zaridaina sy havoana maitso mavana. Milaza ny Genesisy fa nampitsiry ahitra sy zavamaniry maitso ho an’ny olona Andriamanitra, tamin’izy namorona.—Genesisy 1:11, 12, 30.

FOTSY: Ampifandraisina amin’ny hazavana, aro loza, ary fahadiovana izy io matetika. Ampifandraisina amin’ny hoe tsara toetra sy tsy manan-tsiny koa izy io. Io no loko ampiasaina be indrindra ao amin’ny Baiboly. Resahiny amin’ny fahitana hoe misy olona sy anjely manao  akanjo fotsy, mba hilazana fa marina izy ireo ary tsy misy tsiny eo amin’ny lafiny ara-panahy. (Jaona 20:12; Apokalypsy 3:4; 7:9, 13, 14) Manondro ady ara-drariny ny soavaly fotsy sy ny akanjo rongony fotsy anaovan’ny mpitaingina azy. (Apokalypsy 19:14) Mampiasa loko fotsy Andriamanitra mba hanamafisana fa vonona hamela heloka izy. Hoy ny Isaia 1:18: “Na mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia hatao fotsy mangatsakatsaka.”

NY LOKO SY NY FITADIDIANA

Fantatr’Andriamanitra fa misy vokany eo amin’ny olona ny loko, ary hita amin’ny fampiasana loko ao amin’ny Baiboly izany. Resahin’ny Apokalypsy mialoha ny zavatra iainantsika ankehitriny. Anisan’izany ny ady, mosary, ary fahafatesana noho ny aretina sy tsy fahampian-tsakafo. Mba hanampiana antsika hitadidy izany, dia nisy mpitaingin-tsoavaly naseho tao amin’ny fahitana iray ary samy nanana ny lokony ireo soavaly.

Soavaly fotsy ilay voalohany, ary manondro ny ady ara-drariny ataon’i Kristy Jesosy. Avy eo nisy soavaly mena toy ny afo, izay manondro ny ady ifanaovan’ireo firenena. Nanaraka azy ny soavaly mainty, izay manondro mosary. Farany, nisy “soavaly hatsatra” ary “nantsoina hoe Fahafatesana ilay nitaingina azy.” (Apokalypsy 6:1-8) Misy vokany eo amintsika ny lokon’ireo soavaly ireo, ary mifandray amin’ny zavatra tiana hambara amin’ilay izy izany. Mora amintsika àry ny mitadidy an’ireo soavaly ireo sy ny zavatra tian’izy ireo ampitaina amintsika.

Ampiasaina imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny loko mba hazava tsara ny sarin-teny. Mazava sy mora tadidy koa ny zavatra ampianarina, rehefa misy loko. Tsy mahagaga raha nampiasa izany ilay Mpamorona ny hazavana sy ny loko ary ny maso. Manampy antsika hampita sy handray fanazavana koa ny loko. Misy vokany eo amin’ny fihetseham-po izy ireny, sady manampy antsika hitadidy hevitra lehibe. Be fitiavana tokoa ny Mpamorona ka nanome antsika ny loko, mba hahatonga antsika hankafy fiainana.